T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,

2 mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.

3 Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena]

4 Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.

5 Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;

6 Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).

7 Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?

8 Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.

9 Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?

10 Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.

11 Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.

12 Koa hatanjaho* ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [* Na: ahitsio]

13 ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.

14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

15 Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;

16 fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.

17 Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.

18 [Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra

19 sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;

20 fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),

21 ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).

22 Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,

23 amin'ny fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia]

24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.

25 Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,

26 Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).

27 Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.

28 Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]

29 fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).

 

Chapitre 12

12:1 Therefore let us also, seeing we are surrounded by so great a cloud of witnesses, lay aside every weight and the sin which so easily entangles us, and let us run with patience the race that is set before us, 12:2 looking to Jesus, the author and perfecter of faith, who for the joy that was set before him endured the cross, despising its shame, and has sat down at the right hand of the throne of God. 12:3 For consider him who has endured such contradiction of sinners against himself, that you don’t grow weary, fainting in your souls. 12:4 You have not yet resisted to blood, striving against sin; 12:5 and you have forgotten the exhortation which reasons with you as with children,

“My son, don’t take lightly the chastening of the Lord,
nor faint when you are reproved by him;
12:6 For whom the Lord loves, he chastens,
and scourges every son whom he receives.”*
12:7 It is for discipline that you endure. God deals with you as with children, for what son is there whom his father doesn’t discipline? 12:8 But if you are without discipline, of which all have been made partakers, then are you illegitimate, and not children. 12:9 Furthermore, we had the fathers of our flesh to chasten us, and we paid them respect. Shall we not much rather be in subjection to the Father of spirits, and live? 12:10 For they indeed, for a few days, punished us as seemed good to them; but he for our profit, that we may be partakers of his holiness. 12:11 All chastening seems for the present to be not joyous but grievous; yet afterward it yields the peaceful fruit of righteousness to those who have been exercised thereby. 12:12 Therefore lift up the hands that hang down and the feeble knees,* 12:13 and make straight paths for your feet,* so that which is lame may not be dislocated, but rather be healed. 12:14 Follow after peace with all men, and the sanctification without which no man will see the Lord, 12:15 looking carefully lest there be any man who falls short of the grace of God; lest any root of bitterness springing up trouble you, and many be defiled by it; 12:16 lest there be any sexually immoral person, or profane person, like Esau, who sold his birthright for one meal. 12:17 For you know that even when he afterward desired to inherit the blessing, he was rejected, for he found no place for a change of mind though he sought it diligently with tears. 12:18 For you have not come to a mountain that might be touched, and that burned with fire, and to blackness, darkness, storm, 12:19 the sound of a trumpet, and the voice of words; which those who heard it begged that not one more word should be spoken to them, 12:20 for they could not stand that which was commanded, “If even an animal touches the mountain, it shall be stoned*”;* 12:21 and so fearful was the appearance, that Moses said, “I am terrified and trembling.”*

12:22 But you have come to Mount Zion, and to the city of the living God, the heavenly Jerusalem, and to innumerable multitudes of angels, 12:23 to the general assembly and assembly of the firstborn who are enrolled in heaven, to God the Judge of all, to the spirits of just men made perfect, 12:24 to Jesus, the mediator of a new covenant,* and to the blood of sprinkling that speaks better than that of Abel.

12:25 See that you don’t refuse him who speaks. For if they didn’t escape when they refused him who warned on the earth, how much more will we not escape who turn away from him who warns from heaven, 12:26 whose voice shook the earth then, but now he has promised, saying, “Yet once more I will shake not only the earth, but also the heavens.”* 12:27 This phrase, “Yet once more,” signifies the removing of those things that are shaken, as of things that have been made, that those things which are not shaken may remain. 12:28 Therefore, receiving a Kingdom that can’t be shaken, let us have grace, through which we serve God acceptably, with reverence and awe, 12:29 for our God is a consuming fire.*

 

Chapitre 12
1 Nous donc aussi, puisque nous sommes environnés d'une si grande nuée de témoins, rejetons tout fardeau, et le péché qui nous enveloppe si facilement, et courons avec persévérance dans la carrière qui nous est ouverte, 2 ayant les regards sur Jésus, le chef et le consommateur de la foi, qui, en vue de la joie qui lui était réservée, a souffert la croix, méprisé l'ignominie, et s'est assis à la droite du trône de Dieu. 3 Considérez, en effet, celui qui a supporté contre sa personne une telle opposition de la part des pécheurs, afin que vous ne vous lassiez point, l'âme découragée. 4 Vous n'avez pas encore résisté jusqu'au sang, en luttant contre le péché. 5 Et vous avez oublié l'exhortation qui vous est adressée comme à des fils: Mon fils, ne méprise pas le châtiment du Seigneur, Et ne perds pas courage lorsqu'il te reprend; 6 Car le Seigneur châtie celui qu'il aime, Et il frappe de la verge tous ceux qu'il reconnaît pour ses fils. 7 Supportez le châtiment: c'est comme des fils que Dieu vous traite; car quel est le fils qu'un père ne châtie pas? 8 Mais si vous êtes exempts du châtiment auquel tous ont part, vous êtes donc des enfants illégitimes, et non des fils. 9 D'ailleurs, puisque nos pères selon la chair nous ont châtiés, et que nous les avons respectés, ne devons-nous pas à bien plus forte raison nous soumettre au Père des esprits, pour avoir la vie? 10 Nos pères nous châtiaient pour peu de jours, comme ils le trouvaient bon; mais Dieu nous châtie pour notre bien, afin que nous participions à sa sainteté. 11 Il est vrai que tout châtiment semble d'abord un sujet de tristesse, et non de joie; mais il produit plus tard pour ceux qui ont été ainsi exercés un fruit paisible de justice. 12 Fortifiez donc vos mains languissantes Et vos genoux affaiblis; 13 et suivez avec vos pieds des voies droites, afin que ce qui est boiteux ne dévie pas, mais plutôt se raffermisse. 14 Recherchez la paix avec tous, et la sanctification, sans laquelle personne ne verra le Seigneur. 15 Veillez à ce que nul ne se prive de la grâce de Dieu; à ce qu'aucune racine d'amertume, poussant des rejetons, ne produise du trouble, et que plusieurs n'en soient infectés; 16 à ce qu'il n'y ait ni impudique, ni profane comme Ésaü, qui pour un mets vendit son droit d'aînesse. 17 Vous savez que, plus tard, voulant obtenir la bénédiction, il fut rejeté, quoiqu'il la sollicitât avec larmes; car son repentir ne put avoir aucun effet. 18 Vous ne vous êtes pas approchés d'une montagne qu'on pouvait toucher et qui était embrasée par le feu, ni de la nuée, ni des ténèbres, ni de la tempête, 19 ni du retentissement de la trompette, ni du bruit des paroles, tel que ceux qui l'entendirent demandèrent qu'il ne leur en fût adressé aucune de plus, 20 car ils ne supportaient pas cette déclaration: Si même une bête touche la montagne, elle sera lapidée. 21 Et ce spectacle était si terrible que Moïse dit: Je suis épouvanté et tout tremblant! 22 Mais vous vous êtes approchés de la montagne de Sion, de la cité du Dieu vivant, la Jérusalem céleste, des myriades qui forment le choeur des anges, 23 de l'assemblée des premiers-nés inscrits dans les cieux, du juge qui est le Dieu de tous, des esprits des justes parvenus à la perfection, 24 de Jésus qui est le médiateur de la nouvelle alliance, et du sang de l'aspersion qui parle mieux que celui d'Abel. 25 Gardez-vous de refuser d'entendre celui qui parle; car si ceux-là n'ont pas échappé qui refusèrent d'entendre celui qui publiait les oracles sur la terre, combien moins échapperons-nous, si nous nous détournons de celui qui parle du haut des cieux, 26 lui, dont la voix alors ébranla la terre, et qui maintenant a fait cette promesse: Une fois encore j'ébranlerai non seulement la terre, mais aussi le ciel. 27 Ces mots: Une fois encore, indiquent le changement des choses ébranlées, comme étant faites pour un temps, afin que les choses inébranlables subsistent. 28 C'est pourquoi, recevant un royaume inébranlable, montrons notre reconnaissance en rendant à Dieu un culte qui lui soit agréable, (12:29) avec piété et avec crainte, 29 car notre Dieu est aussi un feu dévorant.