T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny nilazan'i Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.

2 Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza*.[Na: mba hihazakazahan'izy mamaky azy]

3 Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.

4 Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany*.[Na: fa ny marina amin'ny finoana no ho velona]

5 Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita*, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..[Heb. Shoela]

6 Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana* hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka[Heb. fampanonona]

7 Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?

8 Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

9 Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza

10 Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.

11 Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano* no hamaly azy.[Heb. hazo]

12 Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!

13 Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?

14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

15 Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;

16 Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha*; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao]

17 Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

18 Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?

19 Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

20 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!

 

Chapitre 2

1 I will stand at my watch, and set myself on the ramparts, and will look out to see what he will say to me, and what I will answer concerning my complaint.

2 Yahweh answered me, “Write the vision, and make it plain on tablets, that he who runs may read it.

3 For the vision is yet for the appointed time, and it hurries toward the end, and won’t prove false. Though it takes time, wait for it; because it will surely come. It won’t delay.

4 Behold, his soul is puffed up. It is not upright in him, but the righteous will live by his faith.

5 Yes, moreover, wine is treacherous. A haughty man who doesn’t stay at home, who enlarges his desire as Sheol, and he is like death, and can’t be satisfied, but gathers to himself all nations, and heaps to himself all peoples.

6 Won’t all these take up a parable against him, and a taunting proverb against him, and say, ‘Woe to him who increases that which is not his, and who enriches himself by extortion! How long?’

7 Won’t your debtors rise up suddenly, and wake up those who make you tremble, and you will be their victim?

8 Because you have plundered many nations, all the remnant of the peoples will plunder you, because of men’s blood, and for the violence done to the land, to the city and to all who dwell in it.

9 Woe to him who gets an evil gain for his house, that he may set his nest on high, that he may be delivered from the hand of evil!

10 You have devised shame to your house, by cutting off many peoples, and have sinned against your soul.

11 For the stone will cry out of the wall, and the beam out of the woodwork will answer it.

12 Woe to him who builds a town with blood, and establishes a city by iniquity!

13 Behold, isn’t it of Yahweh of Armies that the peoples labor for the fire, and the nations weary themselves for vanity?

14 For the earth will be filled with the knowledge of the glory of Yahweh, as the waters cover the sea.

15 “Woe to him who gives his neighbor drink, pouring your inflaming wine until they are drunk, so that you may gaze at their naked bodies!

16 You are filled with shame, and not glory. You will also drink, and be exposed! The cup of Yahweh’s right hand will come around to you, and disgrace will cover your glory.

17 For the violence done to Lebanon will overwhelm you, and the destruction of the animals, which made them afraid; because of men’s blood, and for the violence done to the land, to every city and to those who dwell in them.

18 “What value does the engraved image have, that its maker has engraved it; the molten image, even the teacher of lies, that he who fashions its form trusts in it, to make mute idols?

19 Woe to him who says to the wood, ‘Awake!’ or to the mute stone, ‘Arise!’ Shall this teach? Behold, it is overlaid with gold and silver, and there is no breath at all in its midst.

20 But Yahweh is in his holy temple. Let all the earth be silent before him!”

 

Chapitre 2
1 J'étais à mon poste, Et je me tenais sur la tour; Je veillais, pour voir ce que l'Éternel me dirait, Et ce que je répliquerais après ma plainte.

2 L'Éternel m'adressa la parole, et il dit: Écris la prophétie: Grave-la sur des tables, Afin qu'on la lise couramment.

3 Car c'est une prophétie dont le temps est déjà fixé, Elle marche vers son terme, et elle ne mentira pas; Si elle tarde, attends-la, Car elle s'accomplira, elle s'accomplira certainement.

4 Voici, son âme s'est enflée, elle n'est pas droite en lui; Mais le juste vivra par sa foi.

5 Pareil à celui qui est ivre et arrogant, L'orgueilleux ne demeure pas tranquille; Il élargit sa bouche comme le séjour des morts, Il est insatiable comme la mort; Il attire à lui toutes les nations, Il assemble auprès de lui tous les peuples.

6 Ne sera-t-il pas pour tous un sujet de sarcasme, De railleries et d'énigmes? On dira: Malheur à celui qui accumule ce qui n'est pas à lui! Jusques à quand?... Malheur à celui qui augmente le fardeau de ses dettes!

7 Tes créanciers ne se lèveront-ils pas soudain? Tes oppresseurs ne se réveilleront-ils pas? Et tu deviendras leur proie.

8 Parce que tu as pillé beaucoup de nations, Tout le reste des peuples te pillera; Car tu as répandu le sang des hommes, Tu as commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants.

9 Malheur à celui qui amasse pour sa maison des gains iniques, Afin de placer son nid dans un lieu élevé, Pour se garantir de la main du malheur!

10 C'est l'opprobre de ta maison que tu as résolu, En détruisant des peuples nombreux, Et c'est contre toi-même que tu as péché.

11 Car la pierre crie du milieu de la muraille, Et le bois qui lie la charpente lui répond.

12 Malheur à celui qui bâtit une ville avec le sang, Qui fonde une ville avec l'iniquité!

13 Voici, quand l'Éternel des armées l'a résolu, Les peuples travaillent pour le feu, Les nations se fatiguent en vain.

14 Car la terre sera remplie de la connaissance de la gloire de l'Éternel, Comme le fond de la mer par les eaux qui le couvrent.

15 Malheur à celui qui fait boire son prochain, A toi qui verses ton outre et qui l'enivres, Afin de voir sa nudité!

16 Tu seras rassasié de honte plus que de gloire; Bois aussi toi-même, et découvre-toi! La coupe de la droite de l'Éternel se tournera vers toi, Et l'ignominie souillera ta gloire.

17 Car les violences contre le Liban retomberont sur toi, Et les ravages des bêtes t'effraieront, Parce que tu as répandu le sang des hommes, Et commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants.

18 A quoi sert une image taillée, pour qu'un ouvrier la taille? A quoi sert une image en fonte et qui enseigne le mensonge, Pour que l'ouvrier qui l'a faite place en elle sa confiance, Tandis qu'il fabrique des idoles muettes?

19 Malheur à celui qui dit au bois: Lève-toi! A une pierre muette: Réveille-toi! Donnera-t-elle instruction? Voici, elle est garnie d'or et d'argent, Mais il n'y a point en elle un esprit qui l'anime.

20 L'Éternel est dans son saint temple. Que toute la terre fasse silence devant lui!