T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 1

1 Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka mpaminany.

2 Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.

3 Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.

4 Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra* .[Heb. miolana]

5 Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.

6 Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka* sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.[Heb. mangidy]

7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.

8 Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia* hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]

 

9 Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra*, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan'izy rehetra]

10 Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany* izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]

11 Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!

12 Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy

13 Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,

 

14 Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?

15 Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.

16 Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.

17 Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?

 

 Chapitre 1

1 The oracle which Habakkuk the prophet saw.

 

2 Yahweh, how long will I cry, and you will not hear? I cry out to you “Violence!” and will you not save?

 

3 Why do you show me iniquity, and look at perversity? For destruction and violence are before me. There is strife, and contention rises up.

 

4 Therefore the law is paralyzed, and justice never goes forth; for the wicked surround the righteous; therefore justice goes forth perverted.

 

5 “Look among the nations, watch, and wonder marvelously; for I am working a work in your days, which you will not believe though it is told you.

 

6 For, behold, I raise up the Chaldeans, that bitter and hasty nation, that march through the breadth of the earth, to possess dwelling places that are not theirs.

7 They are feared and dreaded. Their judgment and their dignity proceed from themselves.

8 Their horses also are swifter than leopards, and are more fierce than the evening wolves. Their horsemen press proudly on. Yes, their horsemen come from afar. They fly as an eagle that hurries to devour.

9 All of them come for violence. Their hordes face the desert. He gathers prisoners like sand.

 

10 Yes, he scoffs at kings, and princes are a derision to him. He laughs at every stronghold, for he builds up an earthen ramp, and takes it.

 

11 Then he sweeps by like the wind, and goes on. He is indeed guilty, whose strength is his god.”

 

12 Aren’t you from everlasting, Yahweh my God, my Holy One? We will not die. Yahweh, you have appointed him for judgment. You, Rock, have established him to punish.

13 You who have purer eyes than to see evil, and who cannot look on perversity, why do you tolerate those who deal treacherously, and keep silent when the wicked swallows up the man who is more righteous than he,

14 and make men like the fish of the sea, like the creeping things, that have no ruler over them?

 

15 He takes up all of them with the hook. He catches them in his net, and gathers them in his dragnet. Therefore he rejoices and is glad.

16 Therefore he sacrifices to his net, and burns incense to his dragnet, because by them his life is luxurious, and his food is good.

 

17 Will he therefore continually empty his net, and kill the nations without mercy?

 

Chapitre 1
1 Oracle révélé à Habakuk, le prophète.

 

2 Jusqu'à quand, ô Éternel?... J'ai crié, Et tu n'écoutes pas! J'ai crié vers toi à la violence, Et tu ne secours pas!

3 Pourquoi me fais-tu voir l'iniquité, Et contemples-tu l'injustice? Pourquoi l'oppression et la violence sont-elles devant moi? Il y a des querelles, et la discorde s'élève.

4 Aussi la loi n'a point de vie, La justice n'a point de force; Car le méchant triomphe du juste, Et l'on rend des jugements iniques.

 

5 Jetez les yeux parmi les nations, regardez, Et soyez saisis d'étonnement, d'épouvante! Car je vais faire en vos jours une oeuvre, Que vous ne croiriez pas si on la racontait.

6 Voici, je vais susciter les Chaldéens, Peuple furibond et impétueux, Qui traverse de vastes étendues de pays, Pour s'emparer de demeures qui ne sont pas à lui.

7 Il est terrible et formidable; De lui seul viennent son droit et sa grandeur.

8 Ses chevaux sont plus rapides que les léopards, Plus agiles que les loups du soir, Et ses cavaliers s'avancent avec orgueil; Ses cavaliers arrivent de loin, Ils volent comme l'aigle qui fond sur sa proie.

 

9 Tout ce peuple vient pour se livrer au pillage; Ses regards avides se portent en avant, Et il assemble des prisonniers comme du sable.

10 Il se moque des rois, Et les princes font l'objet de ses railleries; Il se rit de toutes les forteresses, Il amoncelle de la terre, et il les prend.

 

11 Alors son ardeur redouble, Il poursuit sa marche, et il se rend coupable. Sa force à lui, voilà son dieu!

 

12 N'es-tu pas de toute éternité, Éternel, mon Dieu, mon Saint? Nous ne mourrons pas! O Éternel, tu as établi ce peuple pour exercer tes jugements; O mon rocher, tu l'as suscité pour infliger tes châtiments.

13 Tes yeux sont trop purs pour voir le mal, Et tu ne peux pas regarder l'iniquité. Pourquoi regarderais-tu les perfides, et te tairais-tu, Quand le méchant dévore celui qui est plus juste que lui?

 

14 Traiterais-tu l'homme comme les poissons de la mer, Comme le reptile qui n'a point de maître?

 

15 Il les fait tous monter avec l'hameçon, Il les attire dans son filet, Il les assemble dans ses rets: Aussi est-il dans la joie et dans l'allégresse.

16 C'est pourquoi il sacrifie à son filet, Il offre de l'encens à ses rets; Car par eux sa portion est grasse, Et sa nourriture succulente.

 

17 Videra-t-il pour cela son filet, Et toujours égorgera-t-il sans pitié les nations?