T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.

2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;

3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.

4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.

5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.

6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.

7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.

8 Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,

9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.

10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.

11 Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.

12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.

13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;

14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.

15 Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.

16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.

17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.

18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.

19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.

20 Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.

23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.

24 Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.


 

Chapitre 7

1 Yahweh said to Noah, “Come with all of your household into the ship, for I have seen your righteousness before me in this generation.

2 You shall take seven pairs of every clean animal with you, the male and his female. Of the animals that are not clean, take two, the male and his female.

3 Also of the birds of the sky, seven and seven, male and female, to keep seed alive on the surface of all the earth.

4 In seven days, I will cause it to rain on the earth for forty days and forty nights. Every living thing that I have made, I will destroy from the surface of the ground.”

5 Noah did everything that Yahweh commanded him.

6 Noah was six hundred years old when the flood of waters came on the earth.

7 Noah went into the ship with his sons, his wife, and his sons’ wives, because of the waters of the flood.

8 Clean animals, animals that are not clean, birds, and everything that creeps on the ground

9 went by pairs to Noah into the ship, male and female, as God commanded Noah.

10 It happened after the seven days, that the waters of the flood came on the earth.

11 In the six hundredth year of Noah’s life, in the second month, on the seventeenth day of the month, on the same day all the fountains of the great deep were burst open, and the sky’s windows were opened.

12 The rain was on the earth forty days and forty nights.

13 In the same day Noah, and Shem, Ham, and Japheth, the sons of Noah, and Noah’s wife, and the three wives of his sons with them, entered into the ship;

14 they, and every animal after its kind, all the livestock after their kind, every creeping thing that creeps on the earth after its kind, and every bird after its kind, every bird of every sort.

15 They went to Noah into the ship, by pairs of all flesh with the breath of life in them.

16 Those who went in, went in male and female of all flesh, as God commanded him; and Yahweh shut him in.

17 The flood was forty days on the earth. The waters increased, and lifted up the ship, and it was lifted up above the earth.

18 The waters prevailed, and increased greatly on the earth; and the ship floated on the surface of the waters.

19 The waters prevailed exceedingly on the earth. All the high mountains that were under the whole sky were covered.

20 The waters prevailed fifteen cubits upward, and the mountains were covered.

21 All flesh died that moved on the earth, including birds, livestock, animals, every creeping thing that creeps on the earth, and every man.

22 All in whose nostrils was the breath of the spirit of life, of all that was on the dry land, died. 23 Every living thing was destroyed that was on the surface of the ground, including man, livestock, creeping things, and birds of the sky. They were destroyed from the earth. Only Noah was left, and those who were with him in the ship.

24 The waters prevailed on the earth one hundred fifty days.


 

Chapitre 7
1 L'Éternel dit à Noé: Entre dans l'arche, toi et toute ta maison; car je t'ai vu juste devant moi parmi cette génération.

2 Tu prendras auprès de toi sept couples de tous les animaux purs, le mâle et sa femelle; une paire des animaux qui ne sont pas purs, le mâle et sa femelle;

3 sept couples aussi des oiseaux du ciel, mâle et femelle, afin de conserver leur race en vie sur la face de toute la terre.

4 Car, encore sept jours, et je ferai pleuvoir sur la terre quarante jours et quarante nuits, et j'exterminerai de la face de la terre tous les êtres que j'ai faits.

5 Noé exécuta tout ce que l'Éternel lui avait ordonné.

6 Noé avait six cents ans, lorsque le déluge d'eaux fut sur la terre.

7 Et Noé entra dans l'arche avec ses fils, sa femme et les femmes de ses fils, pour échapper aux eaux du déluge. 8 D'entre les animaux purs et les animaux qui ne sont pas purs, les oiseaux et tout ce qui se meut sur la terre,

9 il entra dans l'arche auprès de Noé, deux à deux, un mâle et une femelle, comme Dieu l'avait ordonné à Noé.

10 Sept jours après, les eaux du déluge furent sur la terre.

11 L'an six cent de la vie de Noé, le second mois, le dix-septième jour du mois, en ce jour-là toutes les sources du grand abîme jaillirent, et les écluses des cieux s'ouvrirent. 12 La pluie tomba sur la terre quarante jours et quarante nuits.

13 Ce même jour entrèrent dans l'arche Noé, Sem, Cham et Japhet, fils de Noé, la femme de Noé et les trois femmes de ses fils avec eux:

14 eux, et tous les animaux selon leur espèce, tout le bétail selon son espèce, tous les reptiles qui rampent sur la terre selon leur espèce, tous les oiseaux selon leur espèce, tous les petits oiseaux, tout ce qui a des ailes.

15 Ils entrèrent dans l'arche auprès de Noé, deux à deux, de toute chair ayant souffle de vie.

16 Il en entra, mâle et femelle, de toute chair, comme Dieu l'avait ordonné à Noé. Puis l'Éternel ferma la porte sur lui. 17 Le déluge fut quarante jours sur la terre. Les eaux crûrent et soulevèrent l'arche, et elle s'éleva au-dessus de la terre. 18 Les eaux grossirent et s'accrurent beaucoup sur la terre, et l'arche flotta sur la surface des eaux.

19 Les eaux grossirent de plus en plus, et toutes les hautes montagnes qui sont sous le ciel entier furent couvertes.

20 Les eaux s'élevèrent de quinze coudées au-dessus des montagnes, qui furent couvertes.

21 Tout ce qui se mouvait sur la terre périt, tant les oiseaux que le bétail et les animaux, tout ce qui rampait sur la terre, et tous les hommes.

22 Tout ce qui avait respiration, souffle de vie dans ses narines, et qui était sur la terre sèche, mourut.

23 Tous les êtres qui étaient sur la face de la terre furent exterminés, depuis l'homme jusqu'au bétail, aux reptiles et aux oiseaux du ciel: ils furent exterminés de la terre. Il ne resta que Noé, et ce qui était avec lui dans l'arche.

24 Les eaux furent grosses sur la terre pendant cent cinquante jours.