T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;

2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.

3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.

4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.

7 Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

8 Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;

9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.

10 Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;

11 Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.

12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.

13 Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

14 Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.

16 Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

17 Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.

18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.

19 Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

20 Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.

22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.

24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.

25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.

26 Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

27 Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;

29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.

30 Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

31 Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.

32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.


 

Chapitre 5

1 This is the book of the generations of Adam. In the day that God created man, he made him in God’s likeness.

2 He created them male and female, and blessed them, and called their name “Adam,” in the day when they were created.

3 Adam lived one hundred thirty years, and became the father of a son in his own likeness, after his image, and named him Seth.

4 The days of Adam after he became the father of Seth were eight hundred years, and he became the father of sons and daughters.

5 All the days that Adam lived were nine hundred thirty years, then he died.

6 Seth lived one hundred five years, and became the father of Enosh.

7 Seth lived after he became the father of Enosh eight hundred seven years, and became the father of sons and daughters.

8 All the days of Seth were nine hundred twelve years, then he died.

9 Enosh lived ninety years, and became the father of Kenan.

10 Enosh lived after he became the father of Kenan, eight hundred fifteen years, and became the father of sons and daughters.

11 All the days of Enosh were nine hundred five years, then he died.

12 Kenan lived seventy years, and became the father of Mahalalel.

13 Kenan lived after he became the father of Mahalalel eight hundred forty years, and became the father of sons and daughters

14 and all the days of Kenan were nine hundred ten years, then he died.

15 Mahalalel lived sixty-five years, and became the father of Jared.

16 Mahalalel lived after he became the father of Jared eight hundred thirty years, and became the father of sons and daughters.

17 All the days of Mahalalel were eight hundred ninety-five years, then he died.

18 Jared lived one hundred sixty-two years, and became the father of Enoch.

19 Jared lived after he became the father of Enoch eight hundred years, and became the father of sons and daughters. 20 All the days of Jared were nine hundred sixty-two years, then he died.

21 Enoch lived sixty-five years, and became the father of Methuselah.

22 Enoch walked with God after he became the father of Methuselah three hundred years, and became the father of sons and daughters.

23 All the days of Enoch were three hundred sixty-five years. 24 Enoch walked with God, and he was not, for God took him.

25 Methuselah lived one hundred eighty-seven years, and became the father of Lamech.

26 Methuselah lived after he became the father of Lamech seven hundred eighty-two years, and became the father of sons and daughters.

27 All the days of Methuselah were nine hundred sixty-nine years, then he died.

28 Lamech lived one hundred eighty-two years, and became the father of a son,

29 and he named him Noah, saying, “This same will comfort us in our work and in the toil of our hands, because of the ground which Yahweh has cursed.”

30 Lamech lived after he became the father of Noah five hundred ninety-five years, and became the father of sons and daughters. 31 All the days of Lamech were seven hundred seventy-seven years, then he died.

32 Noah was five hundred years old, and Noah became the father of Shem, Ham, and Japheth.


 

Chapitre 5
1 Voici le livre de la postérité d'Adam. Lorsque Dieu créa l'homme, il le fit à la ressemblance de Dieu.

2 Il créa l'homme et la femme, il les bénit, et il les appela du nom d'homme, lorsqu'ils furent créés.

3 Adam, âgé de cent trente ans, engendra un fils à sa ressemblance, selon son image, et il lui donna le nom de Seth.

4 Les jours d'Adam, après la naissance de Seth, furent de huit cents ans; et il engendra des fils et des filles.

5 Tous les jours qu'Adam vécut furent de neuf cent trente ans; puis il mourut.

6 Seth, âgé de cent cinq ans, engendra Énosch.

7 Seth vécut, après la naissance d'Énosch, huit cent sept ans; et il engendra des fils et des filles.

8 Tous les jours de Seth furent de neuf cent douze ans; puis il mourut.

9 Énosch, âgé de quatre-vingt-dix ans, engendra Kénan.

10 Énosch vécut, après la naissance de Kénan, huit cent quinze ans; et il engendra des fils et des filles.

11 Tous les jours d'Énosch furent de neuf cent cinq ans; puis il mourut.

12 Kénan, âgé de soixante-dix ans, engendra Mahalaleel.

13 Kénan vécut, après la naissance de Mahalaleel, huit cent quarante ans; et il engendra des fils et des filles. 14 Tous les jours de Kénan furent de neuf cent dix ans; puis il mourut.

15 Mahalaleel, âgé de soixante-cinq ans, engendra Jéred.

16 Mahalaleel vécut, après la naissance de Jéred, huit cent trente ans; et il engendra des fils et des filles.

17 Tous les jours de Mahalaleel furent de huit cent quatre-vingt-quinze ans; puis il mourut.

18 Jéred, âgé de cent soixante-deux ans, engendra Hénoc.

19 Jéred vécut, après la naissance d'Hénoc, huit cents ans; et il engendra des fils et des filles.

20 Tous les jours de Jéred furent de neuf cent soixante-deux ans; puis il mourut.

21 Hénoc, âgé de soixante-cinq ans, engendra Metuschélah.

22 Hénoc, après la naissance de Metuschélah, marcha avec Dieu trois cents ans; et il engendra des fils et des filles. 23 Tous les jours d'Hénoc furent de trois cent soixante-cinq ans.

24 Hénoc marcha avec Dieu; puis il ne fut plus, parce que Dieu le prit.

25 Metuschélah, âgé de cent quatre-vingt-sept ans, engendra Lémec.

26 Metuschélah vécut, après la naissance de Lémec, sept cent quatre-vingt deux ans; et il engendra des fils et des filles. 27 Tous les jours de Metuschélah furent de neuf cent soixante-neuf ans; puis il mourut.

28 Lémec, âgé de cent quatre-vingt-deux ans, engendra un fils.

29 Il lui donna le nom de Noé, en disant: Celui-ci nous consolera de nos fatigues et du travail pénible de nos mains, provenant de cette terre que l'Éternel a maudite.

30 Lémec vécut, après la naissance de Noé, cinq cent quatre-vingt-quinze ans; et il engendra des fils et des filles. 31 Tous les jours de Lémec furent de sept cent soixante-dix sept ans; puis il mourut.

32 Noé, âgé de cinq cents ans, engendra Sem, Cham et Japhet.