| Chapitre 47 1 [Ny nahazoan'Isiraely sy ny ankohonany fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny Egyptiana noho ny hamafin'ny mosary] Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy. 2 Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao. 3 Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay. 4 Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao. 5 Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao; 6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko. 7 Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao. 8 Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? 9 Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany. 10 Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. 11 Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao. 12 Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy. 13 Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. 14 Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola. 15 Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. 16 Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. 17 Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra. 18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay; 19 nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. 20 Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany. 21 Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra. 22 Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. 23 Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. 24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo. 25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao. 26 Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao. 27 Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. 28 Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. 29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho. 30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. 31 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.
| | Chapitre 47 1 Then Joseph went in and told Pharaoh, and said, “My father and my brothers, with their flocks, their herds, and all that they own, have come out of the land of Canaan; and behold, they are in the land of Goshen.” 2 From among his brothers he took five men, and presented them to Pharaoh. 3 Pharaoh said to his brothers, “What is your occupation?” They said to Pharaoh, “Your servants are shepherds, both we, and our fathers.” 4 They said to Pharaoh, “We have come to live as foreigners in the land, for there is no pasture for your servants’ flocks. For the famine is severe in the land of Canaan. Now therefore, please let your servants dwell in the land of Goshen.” 5 Pharaoh spoke to Joseph, saying, “Your father and your brothers have come to you. 6 The land of Egypt is before you. Make your father and your brothers dwell in the best of the land. Let them dwell in the land of Goshen. If you know any able men among them, then put them in charge of my livestock.” 7 Joseph brought in Jacob, his father, and set him before Pharaoh, and Jacob blessed Pharaoh. 8 Pharaoh said to Jacob, “How many are the days of the years of your life?” 9 Jacob said to Pharaoh, “The days of the years of my pilgrimage are one hundred thirty years. Few and evil have been the days of the years of my life, and they have not attained to the days of the years of the life of my fathers in the days of their pilgrimage.” 10 Jacob blessed Pharaoh, and went out from the presence of Pharaoh. 11 Joseph placed his father and his brothers, and gave them a possession in the land of Egypt, in the best of the land, in the land of Rameses, as Pharaoh had commanded. 12 Joseph nourished his father, his brothers, and all of his father’s household, with bread, according to their families. 13 There was no bread in all the land; for the famine was very severe, so that the land of Egypt and the land of Canaan fainted by reason of the famine. 14 Joseph gathered up all the money that was found in the land of Egypt, and in the land of Canaan, for the grain which they bought: and Joseph brought the money into Pharaoh’s house. 15 When the money was all spent in the land of Egypt, and in the land of Canaan, all the Egyptians came to Joseph, and said, “Give us bread, for why should we die in your presence? For our money fails.” 16 Joseph said, “Give me your livestock; and I will give you food for your livestock, if your money is gone.” 17 They brought their livestock to Joseph, and Joseph gave them bread in exchange for the horses, and for the flocks, and for the herds, and for the donkeys: and he fed them with bread in exchange for all their livestock for that year. 18 When that year was ended, they came to him the second year, and said to him, “We will not hide from my lord how our money is all spent, and the herds of livestock are my lord’s. There is nothing left in the sight of my lord, but our bodies, and our lands. 19 Why should we die before your eyes, both we and our land? Buy us and our land for bread, and we and our land will be servants to Pharaoh. Give us seed, that we may live, and not die, and that the land won’t be desolate.” 20 So Joseph bought all the land of Egypt for Pharaoh, for every man of the Egyptians sold his field, because the famine was severe on them, and the land became Pharaoh’s. 21 As for the people, he moved them to the cities from one end of the border of Egypt even to the other end of it. 22 Only he didn’t buy the land of the priests, for the priests had a portion from Pharaoh, and ate their portion which Pharaoh gave them. That is why they didn’t sell their land. 23 Then Joseph said to the people, “Behold, I have bought you and your land today for Pharaoh. Behold, here is seed for you, and you shall sow the land. 24 It will happen at the harvests, that you shall give a fifth to Pharaoh, and four parts will be your own, for seed of the field, for your food, for them of your households, and for food for your little ones.” 25 They said, “You have saved our lives! Let us find favor in the sight of my lord, and we will be Pharaoh’s servants.” 26 Joseph made it a statute concerning the land of Egypt to this day, that Pharaoh should have the fifth. Only the land of the priests alone didn’t become Pharaoh’s. 27 Israel lived in the land of Egypt, in the land of Goshen; and they got themselves possessions therein, and were fruitful, and multiplied exceedingly. 28 Jacob lived in the land of Egypt seventeen years. So the days of Jacob, the years of his life, were one hundred forty-seven years. 29 The time drew near that Israel must die, and he called his son Joseph, and said to him, “If now I have found favor in your sight, please put your hand under my thigh, and deal kindly and truly with me. Please don’t bury me in Egypt, 30 but when I sleep with my fathers, you shall carry me out of Egypt, and bury me in their burying place.” He said, “I will do as you have said.” 31 He said, “Swear to me,” and he swore to him. Israel bowed himself on the bed’s head.
| | Chapitre 47 1 Joseph alla avertir Pharaon, et lui dit: Mes frères et mon père sont arrivés du pays de Canaan, avec leurs brebis et leurs boeufs, et tout ce qui leur appartient; et les voici dans le pays de Gosen. 2 Il prit cinq de ses frères, et les présenta à Pharaon. 3 Pharaon leur dit: Quelle est votre occupation? Ils répondirent à Pharaon: Tes serviteurs sont bergers, comme l'étaient nos pères. 4 Ils dirent encore à Pharaon: Nous sommes venus pour séjourner dans le pays, parce qu'il n'y a plus de pâturage pour les brebis de tes serviteurs, car la famine s'appesantit sur le pays de Canaan; permets donc à tes serviteurs d'habiter au pays de Gosen. 5 Pharaon dit à Joseph: Ton père et tes frères sont venus auprès de toi. 6 Le pays d'Égypte est devant toi; établis ton père et tes frères dans la meilleure partie du pays. Qu'ils habitent dans le pays de Gosen; et, si tu trouves parmi eux des hommes capables, mets-les à la tête de mes troupeaux. 7 Joseph fit venir Jacob, son père, et le présenta à Pharaon. Et Jacob bénit Pharaon. 8 Pharaon dit à Jacob: Quel est le nombre de jours des années de ta vie? 9 Jacob répondit à Pharaon: Les jours des années de mon pèlerinage sont de cent trente ans. Les jours des années de ma vie ont été peu nombreux et mauvais, et ils n'ont point atteint les jours des années de la vie de mes pères durant leur pèlerinage. 10 Jacob bénit encore Pharaon, et se retira de devant Pharaon. 11 Joseph établit son père et ses frères, et leur donna une propriété dans le pays d'Égypte, dans la meilleure partie du pays, dans la contrée de Ramsès, comme Pharaon l'avait ordonné. 12 Joseph fournit du pain à son père et à ses frères, et à toute la famille de son père, selon le nombre des enfants. 13 Il n'y avait plus de pain dans tout le pays, car la famine était très grande; le pays d'Égypte et le pays de Canaan languissaient, à cause de la famine. 14 Joseph recueillit tout l'argent qui se trouvait dans le pays d'Égypte et dans le pays de Canaan, contre le blé qu'on achetait; et il fit entrer cet argent dans la maison de Pharaon. 15 Quand l'argent du pays d'Égypte et du pays de Canaan fut épuisé, tous les Égyptiens vinrent à Joseph, en disant: Donne-nous du pain! Pourquoi mourrions-nous en ta présence? car l'argent manque. 16 Joseph dit: Donnez vos troupeaux, et je vous donnerai du pain contre vos troupeaux, si l'argent manque. 17 Ils amenèrent leurs troupeaux à Joseph, et Joseph leur donna du pain contre les chevaux, contre les troupeaux de brebis et de boeufs, et contre les ânes. Il leur fournit ainsi du pain cette année-là contre tous leurs troupeaux. 18 Lorsque cette année fut écoulée, ils vinrent à Joseph l'année suivante, et lui dirent: Nous ne cacherons point à mon seigneur que l'argent est épuisé, et que les troupeaux de bétail ont été amenés à mon seigneur; il ne reste devant mon seigneur que nos corps et nos terres. 19 Pourquoi mourrions-nous sous tes yeux, nous et nos terres? Achète-nous avec nos terres contre du pain, et nous appartiendrons à mon seigneur, nous et nos terres. Donne-nous de quoi semer, afin que nous vivions et que nous ne mourions pas, et que nos terres ne soient pas désolées. 20 Joseph acheta toutes les terres de l'Égypte pour Pharaon; car les Égyptiens vendirent chacun leur champ, parce que la famine les pressait. Et le pays devint la propriété de Pharaon. 21 Il fit passer le peuple dans les villes, d'un bout à l'autre des frontières de l'Égypte. 22 Seulement, il n'acheta point les terres des prêtres, parce qu'il y avait une loi de Pharaon en faveur des prêtres, qui vivaient du revenu que leur assurait Pharaon: c'est pourquoi ils ne vendirent point leurs terres. 23 Joseph dit au peuple: Je vous ai achetés aujourd'hui avec vos terres, pour Pharaon; voici pour vous de la semence, et vous pourrez ensemencer le sol. 24 A la récolte, vous donnerez un cinquième à Pharaon, et vous aurez les quatre autres parties, pour ensemencer les champs, et pour vous nourrir avec vos enfants et ceux qui sont dans vos maisons. 25 Ils dirent: Tu nous sauves la vie! que nous trouvions grâce aux yeux de mon seigneur, et nous serons esclaves de Pharaon. 26 Joseph fit de cela une loi, qui a subsisté jusqu'à ce jour, et d'après laquelle un cinquième du revenu des terres de l'Égypte appartient à Pharaon; il n'y a que les terres des prêtres qui ne soient point à Pharaon. 27 Israël habita dans le pays d'Égypte, dans le pays de Gosen. Ils eurent des possessions, ils furent féconds et multiplièrent beaucoup. 28 Jacob vécut dix-sept ans dans le pays d'Égypte; et les jours des années de la vie de Jacob furent de cent quarante-sept ans. 29 Lorsqu'Israël approcha du moment de sa mort, il appela son fils Joseph, et lui dit: Si j'ai trouvé grâce à tes yeux, mets, je te prie, ta main sous ma cuisse, et use envers moi de bonté et de fidélité: ne m'enterre pas en Égypte! 30 Quand je serai couché avec mes pères, tu me transporteras hors de l'Égypte, et tu m'enterreras dans leur sépulcre. Joseph répondit: Je ferai selon ta parole. 31 Jacob dit: Jure-le-moi. Et Joseph le lui jura. Puis Israël se prosterna sur le chevet de son lit.
| |