| Chapitre 45 1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy. 2 Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa. 3 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. 4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ. 6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. 7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe. 8 Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. 9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona; 10 dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao. 11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. 12 Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky. 14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony. 15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. 16 Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany. 17 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana; 18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo. 19 Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ. 20 Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra. 21 Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy. 22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. 23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana. 24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo. 25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana. 26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy. 27 Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy 28 Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
| | Chapitre 45 1 Then Joseph couldn’t control himself before all those who stood before him, and he cried, “Cause everyone to go out from me!” No one else stood with him, while Joseph made himself known to his brothers. 2 He wept aloud. The Egyptians heard, and the house of Pharaoh heard. 3 Joseph said to his brothers, “I am Joseph! Does my father still live?” His brothers couldn’t answer him; for they were terrified at his presence. 4 Joseph said to his brothers, “Come near to me, please.” They came near. “He said, I am Joseph, your brother, whom you sold into Egypt. 5 Now don’t be grieved, nor angry with yourselves, that you sold me here, for God sent me before you to preserve life. 6 For these two years the famine has been in the land, and there are yet five years, in which there will be neither plowing nor harvest. 7 God sent me before you to preserve for you a remnant in the earth, and to save you alive by a great deliverance. 8 So now it wasn’t you who sent me here, but God, and he has made me a father to Pharaoh, lord of all his house, and ruler over all the land of Egypt. 9 Hurry, and go up to my father, and tell him, ‘This is what your son Joseph says, “God has made me lord of all Egypt. Come down to me. Don’t wait. 10 You shall dwell in the land of Goshen, and you will be near to me, you, your children, your children’s children, your flocks, your herds, and all that you have. 11 There I will nourish you; for there are yet five years of famine; lest you come to poverty, you, and your household, and all that you have.”’ 12 Behold, your eyes see, and the eyes of my brother Benjamin, that it is my mouth that speaks to you. 13 You shall tell my father of all my glory in Egypt, and of all that you have seen. You shall hurry and bring my father down here.” 14 He fell on his brother Benjamin’s neck, and wept, and Benjamin wept on his neck. 15 He kissed all his brothers, and wept on them. After that his brothers talked with him. 16 The report of it was heard in Pharaoh’s house, saying, “Joseph’s brothers have come.” It pleased Pharaoh well, and his servants. 17 Pharaoh said to Joseph, “Tell your brothers, ‘Do this. Load your animals, and go, travel to the land of Canaan. 18 Take your father and your households, and come to me, and I will give you the good of the land of Egypt, and you will eat the fat of the land.’ 19 Now you are commanded: do this. Take wagons out of the land of Egypt for your little ones, and for your wives, and bring your father, and come. 20 Also, don’t concern yourselves about your belongings, for the good of all of the land of Egypt is yours.” 21 The sons of Israel did so. Joseph gave them wagons, according to the commandment of Pharaoh, and gave them provision for the way. 22 He gave each one of them changes of clothing, but to Benjamin he gave three hundred pieces of silver and five changes of clothing. 23 He sent the following to his father: ten donkeys loaded with the good things of Egypt, and ten female donkeys loaded with grain and bread and provision for his father by the way. 24 So he sent his brothers away, and they departed. He said to them, “See that you don’t quarrel on the way.” 25 They went up out of Egypt, and came into the land of Canaan, to Jacob their father. 26 They told him, saying, “Joseph is still alive, and he is ruler over all the land of Egypt.” His heart fainted, for he didn’t believe them. 27 They told him all the words of Joseph, which he had said to them. When he saw the wagons which Joseph had sent to carry him, the spirit of Jacob, their father, revived. 28 Israel said, “It is enough. Joseph my son is still alive. I will go and see him before I die.”
| | Chapitre 45 1 Joseph ne pouvait plus se contenir devant tous ceux qui l'entouraient. Il s'écria: Faites sortir tout le monde. Et il ne resta personne avec Joseph, quand il se fit connaître à ses frères. 2 Il éleva la voix, en pleurant. Les Égyptiens l'entendirent, et la maison de Pharaon l'entendit. 3 Joseph dit à ses frères: Je suis Joseph! Mon père vit-il encore? Mais ses frères ne purent lui répondre, car ils étaient troublés en sa présence. 4 Joseph dit à ses frères: Approchez-vous de moi. Et ils s'approchèrent. Il dit: Je suis Joseph, votre frère, que vous avez vendu pour être mené en Égypte. 5 Maintenant, ne vous affligez pas, et ne soyez pas fâchés de m'avoir vendu pour être conduit ici, car c'est pour vous sauver la vie que Dieu m'a envoyé devant vous. 6 Voilà deux ans que la famine est dans le pays; et pendant cinq années encore, il n'y aura ni labour, ni moisson. 7 Dieu m'a envoyé devant vous pour vous faire subsister dans le pays, et pour vous faire vivre par une grande délivrance. 8 Ce n'est donc pas vous qui m'avez envoyé ici, mais c'est Dieu; il m'a établi père de Pharaon, maître de toute sa maison, et gouverneur de tout le pays d'Égypte. 9 Hâtez-vous de remonter auprès de mon père, et vous lui direz: Ainsi a parlé ton fils Joseph: Dieu m'a établi seigneur de toute l'Égypte; descends vers moi, ne tarde pas! 10 Tu habiteras dans le pays de Gosen, et tu seras près de moi, toi, tes fils, et les fils de tes fils, tes brebis et tes boeufs, et tout ce qui est à toi. 11 Là, je te nourrirai, car il y aura encore cinq années de famine; et ainsi tu ne périras point, toi, ta maison, et tout ce qui est à toi. 12 Vous voyez de vos yeux, et mon frère Benjamin voit de ses yeux que c'est moi-même qui vous parle. 13 Racontez à mon père toute ma gloire en Égypte, et tout ce que vous avez vu; et vous ferez descendre ici mon père au plus tôt. 14 Il se jeta au cou de Benjamin, son frère, et pleura; et Benjamin pleura sur son cou. 15 Il embrassa aussi tous ses frères, en pleurant. Après quoi, ses frères s'entretinrent avec lui. 16 Le bruit se répandit dans la maison de Pharaon que les frères de Joseph étaient arrivés: ce qui fut agréable à Pharaon et à ses serviteurs. 17 Pharaon dit à Joseph: Dis à tes frères: Faites ceci. Chargez vos bêtes, et partez pour le pays de Canaan; 18 prenez votre père et vos familles, et venez auprès de moi. Je vous donnerai ce qu'il y a de meilleur au pays d'Égypte, et vous mangerez la graisse du pays. 19 Tu as ordre de leur dire: Faites ceci. Prenez dans le pays d'Égypte des chars pour vos enfants et pour vos femmes; amenez votre père, et venez. 20 Ne regrettez point ce que vous laisserez, car ce qu'il y a de meilleur dans tout le pays d'Égypte sera pour vous. 21 Les fils d'Israël firent ainsi. Joseph leur donna des chars, selon l'ordre de Pharaon; il leur donna aussi des provisions pour la route. 22 Il leur donna à tous des vêtements de rechange, et il donna à Benjamin trois cents sicles d'argent et cinq vêtements de rechange. 23 Il envoya à son père dix ânes chargés de ce qu'il y avait de meilleur en Égypte, et dix ânesses chargées de blé, de pain et de vivres, pour son père pendant le voyage. 24 Puis il congédia ses frères, qui partirent; et il leur dit: Ne vous querellez pas en chemin. 25 Ils remontèrent de l'Égypte, et ils arrivèrent dans le pays de Canaan, auprès de Jacob, leur père. 26 Ils lui dirent: Joseph vit encore, et même c'est lui qui gouverne tout le pays d'Égypte. Mais le coeur de Jacob resta froid, parce qu'il ne les croyait pas. 27 Ils lui rapportèrent toutes les paroles que Joseph leur avait dites. Il vit les chars que Joseph avait envoyés pour le transporter. C'est alors que l'esprit de Jacob, leur père, se ranima; 28 et Israël dit: C'est assez! Joseph, mon fils, vit encore! J'irai, et je le verrai avant que je meure.
| |