| Chapitre 43 toriteny. mana isan andro
1 [Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany. 2 AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. 3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo? 7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? 8 Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa. 9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; 10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. 11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; 12 ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. 13 Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; 14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. 15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa. 16 Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. 17 Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo. 18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. 19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: 21 ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany. 22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay. 23 Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. 24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. 25 Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. 26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. 27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? 28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. 29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka 30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. 31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. 32 Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany. 33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy. 34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
| | Chapitre 43 1 The famine was severe in the land. 2 It happened, when they had eaten up the grain which they had brought out of Egypt, their father said to them, “Go again, buy us a little more food.” 3 Judah spoke to him, saying, “The man solemnly warned us, saying, ‘You shall not see my face, unless your brother is with you.’ 4 If you’ll send our brother with us, we’ll go down and buy you food, 5 but if you’ll not send him, we’ll not go down, for the man said to us, ‘You shall not see my face, unless your brother is with you.’” 6 Israel said, “Why did you treat me so badly, telling the man that you had another brother?” 7 They said, “The man asked directly concerning ourselves, and concerning our relatives, saying, ‘Is your father still alive? Have you another brother?’ We just answered his questions. Is there any way we could know that he would say, ‘Bring your brother down?’” 8 Judah said to Israel, his father, “Send the boy with me, and we’ll get up and go, so that we may live, and not die, both we, and you, and also our little ones. 9 I’ll be collateral for him. From my hand will you require him. If I don’t bring him to you, and set him before you, then let me bear the blame forever, 10 for if we hadn’t delayed, surely we would have returned a second time by now.” 11 Their father, Israel, said to them, “If it must be so, then do this. Take from the choice fruits of the land in your bags, and carry down a present for the man, a little balm, a little honey, spices and myrrh, nuts, and almonds; 12 and take double money in your hand, and take back the money that was returned in the mouth of your sacks. Perhaps it was an oversight. 13 Take your brother also, get up, and return to the man. 14 May God Almighty give you mercy before the man, that he may release to you your other brother and Benjamin. If I am bereaved of my children, I am bereaved.” 15 The men took that present, and they took double money in their hand, and Benjamin; and got up, went down to Egypt, and stood before Joseph. 16 When Joseph saw Benjamin with them, he said to the steward of his house, “Bring the men into the house, and butcher an animal, and prepare; for the men will dine with me at noon.” 17 The man did as Joseph commanded, and the man brought the men to Joseph’s house. 18 The men were afraid, because they were brought to Joseph’s house; and they said, “Because of the money that was returned in our sacks at the first time, we’re brought in; that he may seek occasion against us, attack us, and seize us as slaves, along with our donkeys.” 19 They came near to the steward of Joseph’s house, and they spoke to him at the door of the house, 20 and said, “Oh, my lord, we indeed came down the first time to buy food. 21 When we came to the lodging place, we opened our sacks, and behold, each man’s money was in the mouth of his sack, our money in full weight. We have brought it back in our hand. 22 We have brought down other money in our hand to buy food. We don’t know who put our money in our sacks.” 23 He said, “Peace be to you. Don’t be afraid. Your God, and the God of your father, has given you treasure in your sacks. I received your money.” He brought Simeon out to them. 24 The man brought the men into Joseph’s house, and gave them water, and they washed their feet. He gave their donkeys fodder. 25 They prepared the present for Joseph’s coming at noon, for they heard that they should eat bread there. 26 When Joseph came home, they brought him the present which was in their hand into the house, and bowed themselves down to him to the earth. 27 He asked them of their welfare, and said, “Is your father well, the old man of whom you spoke? Is he yet alive?” 28 They said, “Your servant, our father, is well. He is still alive.” They bowed down humbly. 29 He lifted up his eyes, and saw Benjamin, his brother, his mother’s son, and said, “Is this your youngest brother, of whom you spoke to me?” He said, “God be gracious to you, my son.” 30 Joseph hurried, for his heart yearned over his brother; and he sought a place to weep. He entered into his room, and wept there. 31 He washed his face, and came out. He controlled himself, and said, “Serve the meal.” 32 They served him by himself, and them by themselves, and the Egyptians, that ate with him, by themselves, because the Egyptians don’t eat bread with the Hebrews, for that is an abomination to the Egyptians. 33 They sat before him, the firstborn according to his birthright, and the youngest according to his youth, and the men marveled one with another. 34 He sent portions to them from before him, but Benjamin’s portion was five times as much as any of theirs. They drank, and were merry with him.
| | Chapitre 43 1 La famine s'appesantissait sur le pays. 2 Quand ils eurent fini de manger le blé qu'ils avaient apporté d'Égypte, Jacob dit à ses fils: Retournez, achetez-nous un peu de vivres. 3 Juda lui répondit: Cet homme nous a fait cette déclaration formelle: Vous ne verrez pas ma face, à moins que votre frère ne soit avec vous. 4 Si donc tu veux envoyer notre frère avec nous, nous descendrons, et nous t'achèterons des vivres. 5 Mais si tu ne veux pas l'envoyer, nous ne descendrons point, car cet homme nous a dit: Vous ne verrez pas ma face, à moins que votre frère ne soit avec vous. 6 Israël dit alors: Pourquoi avez-vous mal agi à mon égard, en disant à cet homme que vous aviez encore un frère? 7 Ils répondirent: Cet homme nous a interrogés sur nous et sur notre famille, en disant: Votre père vit-il encore? avez-vous un frère? Et nous avons répondu à ces questions. Pouvions-nous savoir qu'il dirait: Faites descendre votre frère? 8 Juda dit à Israël, son père: Laisse venir l'enfant avec moi, afin que nous nous levions et que nous partions; et nous vivrons et ne mourrons pas, nous, toi, et nos enfants. 9 Je réponds de lui; tu le redemanderas de ma main. Si je ne le ramène pas auprès de toi et si je ne le remets pas devant ta face, je serai pour toujours coupable envers toi. 10 Car si nous n'eussions pas tardé, nous serions maintenant deux fois de retour. 11 Israël, leur père, leur dit: Puisqu'il le faut, faites ceci. Prenez dans vos sacs des meilleures productions du pays, pour en porter un présent à cet homme, un peu de baume et un peu de miel, des aromates, de la myrrhe, des pistaches et des amandes. 12 Prenez avec vous de l'argent au double, et remportez l'argent qu'on avait mis à l'entrée de vos sacs: peut-être était-ce une erreur. 13 Prenez votre frère, et levez-vous; retournez vers cet homme. 14 Que le Dieu tout-puissant vous fasse trouver grâce devant cet homme, et qu'il laisse revenir avec vous votre autre frère et Benjamin! Et moi, si je dois être privé de mes enfants, que j'en sois privé! 15 Ils prirent le présent; ils prirent avec eux de l'argent au double, ainsi que Benjamin; ils se levèrent, descendirent en Égypte, et se présentèrent devant Joseph. 16 Dès que Joseph vit avec eux Benjamin, il dit à son intendant: Fais entrer ces gens dans la maison, tue et apprête; car ces gens mangeront avec moi à midi. 17 Cet homme fit ce que Joseph avait ordonné, et il conduisit ces gens dans la maison de Joseph. 18 Ils eurent peur lorsqu'ils furent conduits à la maison de Joseph, et ils dirent: C'est à cause de l'argent remis l'autre fois dans nos sacs qu'on nous emmène; c'est pour se jeter sur nous, se précipiter sur nous; c'est pour nous prendre comme esclaves, et s'emparer de nos ânes. 19 Ils s'approchèrent de l'intendant de la maison de Joseph, et lui adressèrent la parole, à l'entrée de la maison. 20 Ils dirent: Pardon! mon seigneur, nous sommes déjà descendus une fois pour acheter des vivres. 21 Puis, quand nous arrivâmes, au lieu où nous devions passer la nuit, nous avons ouvert nos sacs; et voici, l'argent de chacun était à l'entrée de son sac, notre argent selon son poids: nous le rapportons avec nous. 22 Nous avons aussi apporté d'autre argent, pour acheter des vivres. Nous ne savons pas qui avait mis notre argent dans nos sacs. 23 L'intendant répondit: Que la paix soit avec vous! Ne craignez rien. C'est votre Dieu, le Dieu de votre père, qui vous a donné un trésor dans vos sacs. Votre argent m'est parvenu. Et il leur amena Siméon. 24 Cet homme les fit entrer dans la maison de Joseph; il leur donna de l'eau et ils se lavèrent les pieds; il donna aussi du fourrage à leurs ânes. 25 Ils préparèrent leur présent, en attendant que Joseph vienne à midi; car on les avait informés qu'ils mangeraient chez lui. 26 Quand Joseph fut arrivé à la maison, ils lui offrirent le présent qu'ils avaient apporté, et ils se prosternèrent en terre devant lui. 27 Il leur demanda comment ils se portaient; et il dit: Votre vieux père, dont vous avez parlé, est-il en bonne santé? vit-il encore? 28 Ils répondirent: Ton serviteur, notre père, est en bonne santé; il vit encore. Et ils s'inclinèrent et se prosternèrent. 29 Joseph leva les yeux; et, jetant un regard sur Benjamin, son frère, fils de sa mère, il dit: Est-ce là votre jeune frère, dont vous m'avez parlé? Et il ajouta: Dieu te fasse miséricorde, mon fils! 30 Ses entrailles étaient émues pour son frère, et il avait besoin de pleurer; il entra précipitamment dans une chambre, et il y pleura. 31 Après s'être lavé le visage, il en sortit; et, faisant des efforts pour se contenir, il dit: Servez à manger. 32 On servit Joseph à part, et ses frères à part; les Égyptiens qui mangeaient avec lui furent aussi servis à part, car les Égyptiens ne pouvaient pas manger avec les Hébreux, parce que c'est à leurs yeux une abomination. 33 Les frères de Joseph s'assirent en sa présence, le premier-né selon son droit d'aînesse, et le plus jeune selon son âge; et ils se regardaient les uns les autres avec étonnement. 34 Joseph leur fit porter des mets qui étaient devant lui, et Benjamin en eut cinq fois plus que les autres. Ils burent, et s'égayèrent avec lui.
| |