T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4 

mamorona atmosphère

1 [Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.

2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.

3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;

4 fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;

5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.

6 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?

7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.

8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.

9 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?

10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.

11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.

12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.

13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.

14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.

17 [Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.

18 Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.

19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.

20 Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.

21 Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.

22 Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.

23 Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.

24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.

25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.

26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.


 

Chapitre 4

1 The man knew Eve his wife. She conceived, and gave birth to Cain, and said, “I have gotten a man with Yahweh’s help.”

2 Again she gave birth, to Cain’s brother Abel. Abel was a keeper of sheep, but Cain was a tiller of the ground.

:3 As time passed, it happened that Cain brought an offering to Yahweh from the fruit of the ground.

4 Abel also brought some of the firstborn of his flock and of its fat. Yahweh respected Abel and his offering,

5 but he didn’t respect Cain and his offering. Cain was very angry, and the expression on his face fell.

6 Yahweh said to Cain, “Why are you angry? Why has the expression of your face fallen? 7 If you do well, will it not be lifted up? If you don’t do well, sin crouches at the door. Its desire is for you, but you are to rule over it.”

8 Cain said to Abel, his brother, “Let’s go into the field.” It happened when they were in the field, that Cain rose up against Abel, his brother, and killed him.

9 Yahweh said to Cain, “Where is Abel, your brother?”

He said, “I don’t know. Am I my brother’s keeper?”

10 Yahweh said, “What have you done? The voice of your brother’s blood cries to me from the ground.

11 Now you are cursed because of the ground, which has opened its mouth to receive your brother’s blood from your hand.

12 From now on, when you till the ground, it won’t yield its strength to you. You shall be a fugitive and a wanderer in the earth.”

13 Cain said to Yahweh, “My punishment is greater than I can bear.

14 Behold, you have driven me out this day from the surface of the ground. I will be hidden from your face, and I will be a fugitive and a wanderer in the earth. It will happen that whoever finds me will kill me.”

15 Yahweh said to him, “Therefore whoever slays Cain, vengeance will be taken on him sevenfold.” Yahweh appointed a sign for Cain, lest any finding him should strike him.

16 Cain went out from Yahweh’s presence, and lived in the land of Nod, east of Eden.

17 Cain knew his wife. She conceived, and gave birth to Enoch. He built a city, and called the name of the city, after the name of his son, Enoch.

18 To Enoch was born Irad. Irad became the father of Mehujael. Mehujael became the father of Methushael. Methushael became the father of Lamech. 19 Lamech took two wives: the name of the one was Adah, and the name of the other Zillah.

20 Adah gave birth to Jabal, who was the father of those who dwell in tents and have livestock.

21 His brother’s name was Jubal, who was the father of all who handle the harp and pipe. 22 Zillah also gave birth to Tubal Cain, the forger of every cutting instrument of brass and iron. Tubal Cain’s sister was Naamah.

23 Lamech said to his wives,

“Adah and Zillah, hear my voice.
You wives of Lamech, listen to my speech,
for I have slain a man for wounding me,
a young man for bruising me.
24 If Cain will be avenged seven times,
truly Lamech seventy-seven times.”
25 Adam knew his wife again. She gave birth to a son, and named him Seth, “for God has appointed me another child instead of Abel, for Cain killed him.”

26 There was also born a son to Seth, and he named him Enosh. Then men began to call on Yahweh’s name.


 

Chapitre 4
1 Adam connut Eve, sa femme; elle conçut, et enfanta Caïn et elle dit: J'ai formé un homme avec l'aide de l'Éternel.

2 Elle enfanta encore son frère Abel. Abel fut berger, et Caïn fut laboureur.

3 Au bout de quelque temps, Caïn fit à l'Éternel une offrande des fruits de la terre;

4 et Abel, de son côté, en fit une des premiers-nés de son troupeau et de leur graisse. L'Éternel porta un regard favorable sur Abel et sur son offrande;

5 mais il ne porta pas un regard favorable sur Caïn et sur son offrande. Caïn fut très irrité, et son visage fut abattu.

6 Et l'Éternel dit à Caïn: Pourquoi es-tu irrité, et pourquoi ton visage est-il abattu?

7 Certainement, si tu agis bien, tu relèveras ton visage, et si tu agis mal, le péché se couche à la porte, et ses désirs se portent vers toi: mais toi, domine sur lui.

8 Cependant, Caïn adressa la parole à son frère Abel; mais, comme ils étaient dans les champs, Caïn se jeta sur son frère Abel, et le tua.

9 L'Éternel dit à Caïn: Où est ton frère Abel? Il répondit: Je ne sais pas; suis-je le gardien de mon frère?

10 Et Dieu dit: Qu'as-tu fait? La voix du sang de ton frère crie de la terre jusqu'à moi.

11 Maintenant, tu seras maudit de la terre qui a ouvert sa bouche pour recevoir de ta main le sang de ton frère.

12 Quand tu cultiveras le sol, il ne te donnera plus sa richesse. Tu seras errant et vagabond sur la terre.

13 Caïn dit à l'Éternel: Mon châtiment est trop grand pour être supporté.

14 Voici, tu me chasses aujourd'hui de cette terre; je serai caché loin de ta face, je serai errant et vagabond sur la terre, et quiconque me trouvera me tuera.

15 L'Éternel lui dit: Si quelqu'un tuait Caïn, Caïn serait vengé sept fois. Et l'Éternel mit un signe sur Caïn pour que quiconque le trouverait ne le tuât point.

16 Puis, Caïn s'éloigna de la face de l'Éternel, et habita dans la terre de Nod, à l'orient d'Éden.

17 Caïn connut sa femme; elle conçut, et enfanta Hénoc. Il bâtit ensuite une ville, et il donna à cette ville le nom de son fils Hénoc.

18 Hénoc engendra Irad, Irad engendra Mehujaël, Mehujaël engendra Metuschaël, et Metuschaël engendra Lémec. 19 Lémec prit deux femmes: le nom de l'une était Ada, et le nom de l'autre Tsilla.

20 Ada enfanta Jabal: il fut le père de ceux qui habitent sous des tentes et près des troupeaux.

21 Le nom de son frère était Jubal: il fut le père de tous ceux qui jouent de la harpe et du chalumeau.

22 Tsilla, de son côté, enfanta Tubal-Caïn, qui forgeait tous les instruments d'airain et de fer. La soeur de Tubal-Caïn était Naama.

23 Lémec dit à ses femmes: Ada et Tsilla, écoutez ma voix! Femmes de Lémec, écoutez ma parole! J'ai tué un homme pour ma blessure, Et un jeune homme pour ma meurtrissure. 24 Caïn sera vengé sept fois, Et Lémec soixante-dix-sept fois.

25 Adam connut encore sa femme; elle enfanta un fils, et l'appela du nom de Seth, car, dit-elle, Dieu m'a donné un autre fils à la place d'Abel, que Caïn a tué.

26 Seth eut aussi un fils, et il l'appela du nom d'Énosch. C'est alors que l'on commença à invoquer le nom de l'Éternel.