T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 34

1 [Ny nakan'i Sekema an'i Dina sy ny namalian'i Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.

2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.

3 Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.

4 Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.

5 Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.

6 Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.

7 Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.

8 Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.

9 Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,

10 Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.

11 Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;

12 na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.

13 Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;

14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.

15 Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,

16 dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.

17 Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.

18 Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.

19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.

20 Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:

21 Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.

22 Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.

23 Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.

24 Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.

 

25 Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.

26 Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.

27 Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.

28 Ny ondry aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;

29 ary ny fananany re­hetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.

30 Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.

31 Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?


 

Chapitre 34

1 Dinah, the daughter of Leah, whom she bore to Jacob, went out to see the daughters of the land. 2 Shechem the son of Hamor the Hivite, the prince of the land, saw her. He took her, lay with her, and humbled her. 3 His soul joined to Dinah, the daughter of Jacob, and he loved the young lady, and spoke kindly to the young lady. 4 Shechem spoke to his father, Hamor, saying, “Get me this young lady as a wife.”

5 Now Jacob heard that he had defiled Dinah, his daughter; and his sons were with his livestock in the field. Jacob held his peace until they came. 6 Hamor the father of Shechem went out to Jacob to talk with him. 7 The sons of Jacob came in from the field when they heard it. The men were grieved, and they were very angry, because he had done folly in Israel in lying with Jacob’s daughter; a which thing ought not to be done. 8 Hamor talked with them, saying, “The soul of my son, Shechem, longs for your daughter. Please give her to him as a wife. 9 Make marriages with us. Give your daughters to us, and take our daughters for yourselves. 10 You shall dwell with us, and the land will be before you. Live and trade in it, and get possessions in it.”

11 Shechem said to her father and to her brothers, “Let me find favor in your eyes, and whatever you will tell me I will give. 12 Ask me a great amount for a dowry, and I will give whatever you ask of me, but give me the young lady as a wife.”

13 The sons of Jacob answered Shechem and Hamor his father with deceit, and spoke, because he had defiled Dinah their sister, 14 and said to them, “We can’t do this thing, to give our sister to one who is uncircumcised; for that is a reproach to us. 15 Only on this condition will we consent to you. If you will be as we are, that every male of you be circumcised; 16 then will we give our daughters to you, and we will take your daughters to us, and we will dwell with you, and we will become one people. 17 But if you will not listen to us, to be circumcised, then we will take our sister, and we will be gone.”

18 Their words pleased Hamor and Shechem, Hamor’s son. 19 The young man didn’t wait to do this thing, because he had delight in Jacob’s daughter, and he was honored above all the house of his father. 20 Hamor and Shechem, his son, came to the gate of their city, and talked with the men of their city, saying, 21 “These men are peaceful with us. Therefore let them live in the land and trade in it. For behold, the land is large enough for them. Let us take their daughters to us for wives, and let us give them our daughters. 22 Only on this condition will the men consent to us to live with us, to become one people, if every male among us is circumcised, as they are circumcised. 23 Won’t their livestock and their possessions and all their animals be ours? Only let us give our consent to them, and they will dwell with us.”

24 All who went out of the gate of his city listened to Hamor, and to Shechem his son; and every male was circumcised, all who went out of the gate of his city. 25 It happened on the third day, when they were sore, that two of Jacob’s sons, Simeon and Levi, Dinah’s brothers, each took his sword, came upon the unsuspecting city, and killed all the males. 26 They killed Hamor and Shechem, his son, with the edge of the sword, and took Dinah out of Shechem’s house, and went away. 27 Jacob’s sons came on the dead, and plundered the city, because they had defiled their sister. 28 They took their flocks, their herds, their donkeys, that which was in the city, that which was in the field, 29 and all their wealth. They took captive all their little ones and their wives, and took as plunder everything that was in the house. 30 Jacob said to Simeon and Levi, “You have troubled me, to make me odious to the inhabitants of the land, among the Canaanites and the Perizzites. I am few in number. They will gather themselves together against me and strike me, and I will be destroyed, I and my house.”

31 They said, “Should he deal with our sister as with a prostitute?”


 

Chapitre 34
1 Dina, la fille que Léa avait enfantée à Jacob, sortit pour voir les filles du pays. 2 Elle fut aperçue de Sichem, fils de Hamor, prince du pays. Il l'enleva, coucha avec elle, et la déshonora. 3 Son coeur s'attacha à Dina, fille de Jacob; il aima la jeune fille, et sut parler à son coeur. 4 Et Sichem dit à Hamor, son père: Donne-moi cette jeune fille pour femme. 5 Jacob apprit qu'il avait déshonoré Dina, sa fille; et, comme ses fils étaient aux champs avec son troupeau, Jacob garda le silence jusqu'à leur retour. 6 Hamor, père de Sichem, se rendit auprès de Jacob pour lui parler. 7 Et les fils de Jacob revenaient des champs, lorsqu'ils apprirent la chose; ces hommes furent irrités et se mirent dans une grande colère, parce que Sichem avait commis une infamie en Israël, en couchant avec la fille de Jacob, ce qui n'aurait pas dû se faire. 8 Hamor leur adressa ainsi la parole: Le coeur de Sichem, mon fils, s'est attaché à votre fille; donnez-la-lui pour femme, je vous prie. 9 Alliez-vous avec nous; vous nous donnerez vos filles, et vous prendrez pour vous les nôtres. 10 Vous habiterez avec nous, et le pays sera à votre disposition; restez, pour y trafiquer et y acquérir des propriétés. 11 Sichem dit au père et aux frères de Dina: Que je trouve grâce à vos yeux, et je donnerai ce que vous me direz. 12 Exigez de moi une forte dot et beaucoup de présents, et je donnerai ce que vous me direz; mais accordez-moi pour femme la jeune fille. 13 Les fils de Jacob répondirent et parlèrent avec ruse à Sichem et à Hamor, son père, parce que Sichem avait déshonoré Dina, leur soeur. 14 Ils leur dirent: C'est une chose que nous ne pouvons pas faire, que de donner notre soeur à un homme incirconcis; car ce serait un opprobre pour nous. 15 Nous ne consentirons à votre désir qu'à la condition que vous deveniez comme nous, et que tout mâle parmi vous soit circoncis. 16 Nous vous donnerons alors nos filles, et nous prendrons pour nous les vôtres; nous habiterons avec vous, et nous formerons un seul peuple. 17 Mais si vous ne voulez pas nous écouter et vous faire circoncire, nous prendrons notre fille, et nous nous en irons. 18 Leurs paroles eurent l'assentiment de Hamor et de Sichem, fils de Hamor. 19 Le jeune homme ne tarda pas à faire la chose, car il aimait la fille de Jacob. Il était considéré de tous dans la maison de son père. 20 Hamor et Sichem, son fils, se rendirent à la porte de leur ville, et ils parlèrent ainsi aux gens de leur ville: 21 Ces hommes sont paisibles à notre égard; qu'ils restent dans le pays, et qu'ils y trafiquent; le pays est assez vaste pour eux. Nous prendrons pour femmes leurs filles, et nous leur donnerons nos filles. 22 Mais ces hommes ne consentiront à habiter avec nous, pour former un seul peuple, qu'à la condition que tout mâle parmi nous soit circoncis, comme ils sont eux-mêmes circoncis. 23 Leurs troupeaux, leurs biens et tout leur bétail, ne seront-ils pas à nous? Acceptons seulement leur condition, pour qu'ils restent avec nous. 24 Tous ceux qui étaient venus à la porte de la ville écoutèrent Hamor et Sichem, son fils; et tous les mâles se firent circoncire, tous ceux qui étaient venus à la porte de la ville. 25 Le troisième jour, pendant qu'ils étaient souffrants, les deux fils de Jacob, Siméon et Lévi, frères de Dina, prirent chacun leur épée, tombèrent sur la ville qui se croyait en sécurité, et tuèrent tous les mâles. 26 Ils passèrent aussi au fil de l'épée Hamor et Sichem, son fils; ils enlevèrent Dina de la maison de Sichem, et sortirent. 27 Les fils de Jacob se jetèrent sur les morts, et pillèrent la ville, parce qu'on avait déshonoré leur soeur. 28 Ils prirent leurs troupeaux, leurs boeufs et leurs ânes, ce qui était dans la ville et ce qui était dans les champs; 29 ils emmenèrent comme butin toutes leurs richesses, leurs enfants et leurs femmes, et tout ce qui se trouvait dans les maisons. 30 Alors Jacob dit à Siméon et à Lévi: Vous me troublez, en me rendant odieux aux habitants du pays, aux Cananéens et aux Phérésiens. Je n'ai qu'un petit nombre d'hommes; et ils se rassembleront contre moi, ils me frapperont, et je serai détruit, moi et ma maison. 31 Ils répondirent: Traitera-t-on notre soeur comme une prostituée?