| Chapitre 32 1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany. 2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy. 3 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima. 4 [Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma. 5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; 6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao. 7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy. 8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva; 9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. 10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho; 11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. 12 O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy. 13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. 14 Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny, 15 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo 16 ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo. 17 Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko. 18 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza ianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao? 19 dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao. 20 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy. 21 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho. 22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny. 23 Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy. 24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy. 25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro. 26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy. 27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. 28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. 29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery. 30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. 31 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko. 32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny. 33 Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
| | Chapitre 32 1 Jacob went on his way, and the angels of God met him. 2 When he saw them, Jacob said, “This is God’s army.” He called the name of that place Mahanaim. 3 Jacob sent messengers in front of him to Esau, his brother, to the land of Seir, the field of Edom. 4 He commanded them, saying, “This is what you shall tell my lord, Esau: ‘This is what your servant, Jacob, says. I have lived as a foreigner with Laban, and stayed until now. 5 I have cattle, donkeys, flocks, male servants, and female servants. I have sent to tell my lord, that I may find favor in your sight.’” 6 The messengers returned to Jacob, saying, “We came to your brother Esau. Not only that, but he comes to meet you, and four hundred men with him.” 7 Then Jacob was greatly afraid and was distressed. He divided the people who were with him, and the flocks, and the herds, and the camels, into two companies; 8 and he said, “If Esau comes to the one company, and strikes it, then the company which is left will escape.” 9 Jacob said, “God of my father Abraham, and God of my father Isaac, Yahweh, who said to me, ‘Return to your country, and to your relatives, and I will do you good,’ 10 I am not worthy of the least of all the loving kindnesses, and of all the truth, which you have shown to your servant; for with just my staff I passed over this Jordan; and now I have become two companies. 11 Please deliver me from the hand of my brother, from the hand of Esau: for I fear him, lest he come and strike me, and the mothers with the children. 12 You said, ‘I will surely do you good, and make your seed as the sand of the sea, which can’t be numbered because there are so many.’” 13 He lodged there that night, and took from that which he had with him, a present for Esau, his brother: 14 two hundred female goats and twenty male goats, two hundred ewes and twenty rams, 15 thirty milk camels and their colts, forty cows, ten bulls, twenty female donkeys and ten foals. 16 He delivered them into the hands of his servants, every herd by itself, and said to his servants, “Pass over before me, and put a space between herd and herd.” 17 He commanded the foremost, saying, “When Esau, my brother, meets you, and asks you, saying, ‘Whose are you? Where are you going? Whose are these before you?’ 18 Then you shall say, ‘They are your servant, Jacob’s. It is a present sent to my lord, Esau. Behold, he also is behind us.’” 19 He commanded also the second, and the third, and all that followed the herds, saying, “This is how you shall speak to Esau, when you find him. 20 You shall say, ‘Not only that, but behold, your servant, Jacob, is behind us.’” For, he said, “I will appease him with the present that goes before me, and afterward I will see his face. Perhaps he will accept me.” 21 So the present passed over before him, and he himself lodged that night in the camp. 22 He rose up that night, and took his two wives, and his two handmaids, and his eleven sons, and passed over the ford of the Jabbok. 23 He took them, and sent them over the stream, and sent over that which he had. 24 Jacob was left alone, and wrestled with a man there until the breaking of the day. 25 When he saw that he didn’t prevail against him, he touched the hollow of his thigh, and the hollow of Jacob’s thigh was strained, as he wrestled. 26 The man said, “Let me go, for the day breaks.” Jacob said, “I won’t let you go, unless you bless me.” 27 He said to him, “What is your name?” He said, “Jacob.” 28 He said, “Your name will no longer be called Jacob, but Israel; for you have fought with God and with men, and have prevailed.” 29 Jacob asked him, “Please tell me your name.” He said, “Why is it that you ask what my name is?” He blessed him there. 30 Jacob called the name of the place Peniel: for, he said, “I have seen God face to face, and my life is preserved.” 31 The sun rose on him as he passed over Peniel, and he limped because of his thigh. 32 Therefore the children of Israel don’t eat the sinew of the hip, which is on the hollow of the thigh, to this day, because he touched the hollow of Jacob’s thigh in the sinew of the hip.
| | Chapitre 32 1 Jacob poursuivit son chemin; et des anges de Dieu le rencontrèrent. 2 En les voyant, Jacob dit: C'est le camp de Dieu! Et il donna à ce lieu le nom de Mahanaïm. 3 Jacob envoya devant lui des messagers à Ésaü, son frère, au pays de Séir, dans le territoire d'Édom. 4 Il leur donna cet ordre: Voici ce que vous direz à mon seigneur Ésaü: Ainsi parle ton serviteur Jacob: J'ai séjourné chez Laban, et j'y suis resté jusqu'à présent; 5 j'ai des boeufs, des ânes, des brebis, des serviteurs et des servantes, et j'envoie l'annoncer à mon seigneur, pour trouver grâce à tes yeux. 6 Les messagers revinrent auprès de Jacob, en disant: Nous sommes allés vers ton frère Ésaü; et il marche à ta rencontre, avec quatre cents hommes. 7 Jacob fut très effrayé, et saisi d'angoisse. Il partagea en deux camps les gens qui étaient avec lui, les brebis, les boeufs et les chameaux; 8 et il dit: Si Ésaü vient contre l'un des camps et le bat, le camp qui restera pourra se sauver. 9 Jacob dit: Dieu de mon père Abraham, Dieu de mon père Isaac, Éternel, qui m'as dit: Retourne dans ton pays et dans ton lieu de naissance, et je te ferai du bien! 10 Je suis trop petit pour toutes les grâces et pour toute la fidélité dont tu as usé envers ton serviteur; car j'ai passé ce Jourdain avec mon bâton, et maintenant je forme deux camps. 11 Délivre-moi, je te prie, de la main de mon frère, de la main d'Ésaü! car je crains qu'il ne vienne, et qu'il ne me frappe, avec la mère et les enfants. 12 Et toi, tu as dit: Je te ferai du bien, et je rendrai ta postérité comme le sable de la mer, si abondant qu'on ne saurait le compter. 13 C'est dans ce lieu-là que Jacob passa la nuit. Il prit de ce qu'il avait sous la main, pour faire un présent à Ésaü, son frère: 14 deux cents chèvres et vingt boucs, deux cents brebis et vingt béliers, 15 trente femelles de chameaux avec leurs petits qu'elles allaitaient, quarante vaches et dix taureaux, vingt ânesses et dix ânes. 16 Il les remit à ses serviteurs, troupeau par troupeau séparément, et il dit à ses serviteurs: Passez devant moi, et mettez un intervalle entre chaque troupeau. 17 Il donna cet ordre au premier: Quand Ésaü, mon frère, te rencontrera, et te demandera: A qui es-tu? où vas-tu? et à qui appartient ce troupeau devant toi? 18 tu répondras: A ton serviteur Jacob; c'est un présent envoyé à mon seigneur Ésaü; et voici, il vient lui-même derrière nous. 19 Il donna le même ordre au second, au troisième, et à tous ceux qui suivaient les troupeaux: C'est ainsi que vous parlerez à mon seigneur Ésaü, quand vous le rencontrerez. 20 Vous direz: Voici, ton serviteur Jacob vient aussi derrière nous. Car il se disait: Je l'apaiserai par ce présent qui va devant moi; ensuite je le verrai en face, et peut-être m'accueillera-t-il favorablement. 21 Le présent passa devant lui; et il resta cette nuit-là dans le camp. 22 Il se leva la même nuit, prit ses deux femmes, ses deux servantes, et ses onze enfants, et passa le gué de Jabbok. 23 Il les prit, leur fit passer le torrent, et le fit passer à tout ce qui lui appartenait. 24 Jacob demeura seul. Alors un homme lutta avec lui jusqu'au lever de l'aurore. 25 Voyant qu'il ne pouvait le vaincre, cet homme le frappa à l'emboîture de la hanche; et l'emboîture de la hanche de Jacob se démit pendant qu'il luttait avec lui. 26 Il dit: Laisse-moi aller, car l'aurore se lève. Et Jacob répondit: Je ne te laisserai point aller, que tu ne m'aies béni. 27 Il lui dit: Quel est ton nom? Et il répondit: Jacob. 28 Il dit encore: ton nom ne sera plus Jacob, mais tu seras appelé Israël; car tu as lutté avec Dieu et avec des hommes, et tu as été vainqueur. 29 Jacob l'interrogea, en disant: Fais-moi je te prie, connaître ton nom. Il répondit: Pourquoi demandes-tu mon nom? Et il le bénit là. 30 Jacob appela ce lieu du nom de Peniel: car, dit-il, j'ai vu Dieu face à face, et mon âme a été sauvée. 31 Le soleil se levait, lorsqu'il passa Peniel. Jacob boitait de la hanche. 32 C'est pourquoi jusqu'à ce jour, les enfants d'Israël ne mangent point le tendon qui est à l'emboîture de la hanche; car Dieu frappa Jacob à l'emboîture de la hanche, au tendon.
| |