| Chapitre 30 1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho. 2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? 3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza aminy. 4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy. 5 Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba. 6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. 7 Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba. 8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany. 9 Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa. 10 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba. 11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany. 12 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba. 13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany. 14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao. 15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao. 16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny. 17 Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba. 18 Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany. 19 Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba. 20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany. 21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany. 22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy. 23 Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra. 24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa. 25 [Ny fanekena hafa koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko. 26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao. 27 Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy. 28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao. 29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko. 30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko? 31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao: 32 Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako. 33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany. 34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary. 35 Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny. 36 Ary nasiany lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa. 37 Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo. 38 Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy. 39 Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada. 40 Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana. 41 Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo. 42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba. 43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
| | Chapitre 30 1 When Rachel saw that she bore Jacob no children, Rachel envied her sister. She said to Jacob, “Give me children, or else I will die.” 2 Jacob’s anger was kindled against Rachel, and he said, “Am I in God’s place, who has withheld from you the fruit of the womb?” 3 She said, “Behold, my maid Bilhah. Go in to her, that she may bear on my knees, and I also may obtain children by her.” 4 She gave him Bilhah her handmaid as wife, and Jacob went in to her. 5 Bilhah conceived, and bore Jacob a son. 6 Rachel said, “God has judged me, and has also heard my voice, and has given me a son.” Therefore called she his name Dan. 7 Bilhah, Rachel’s handmaid, conceived again, and bore Jacob a second son. 8 Rachel said, “With mighty wrestlings have I wrestled with my sister, and have prevailed.” She named him Naphtali. 9 When Leah saw that she had finished bearing, she took Zilpah, her handmaid, and gave her to Jacob as a wife. 10 Zilpah, Leah’s handmaid, bore Jacob a son. 11 Leah said, “How fortunate!” She named him Gad. 12 Zilpah, Leah’s handmaid, bore Jacob a second son. 13 Leah said, “Happy am I, for the daughters will call me happy.” She named him Asher. 14 Reuben went in the days of wheat harvest, and found mandrakes in the field, and brought them to his mother, Leah. Then Rachel said to Leah, “Please give me some of your son’s mandrakes.” 15 She said to her, “Is it a small matter that you have taken away my husband? Would you take away my son’s mandrakes, also?” Rachel said, “Therefore he will lie with you tonight for your son’s mandrakes.” 16 Jacob came from the field in the evening, and Leah went out to meet him, and said, “You must come in to me; for I have surely hired you with my son’s mandrakes.” He lay with her that night. 17 God listened to Leah, and she conceived, and bore Jacob a fifth son. 18 Leah said, “God has given me my hire, because I gave my handmaid to my husband.” She named him Issachar. 19 Leah conceived again, and bore a sixth son to Jacob. 20 Leah said, “God has endowed me with a good dowry. Now my husband will live with me, because I have borne him six sons.” She named him Zebulun. 21 Afterwards, she bore a daughter, and named her Dinah. 22 God remembered Rachel, and God listened to her, and opened her womb. 23 She conceived, bore a son, and said, “God has taken away my reproach.” 24 She named him Joseph, saying, “May Yahweh add another son to me.” 25 It happened, when Rachel had borne Joseph, that Jacob said to Laban, “Send me away, that I may go to my own place, and to my country. 26 Give me my wives and my children for whom I have served you, and let me go; for you know my service with which I have served you.” 27 Laban said to him, “If now I have found favor in your eyes, stay here, for I have divined that Yahweh has blessed me for your sake.” 28 He said, “Appoint me your wages, and I will give it.” 29 He said to him, “You know how I have served you, and how your livestock have fared with me. 30 For it was little which you had before I came, and it has increased to a multitude. Yahweh has blessed you wherever I turned. Now when will I provide for my own house also?” 31 He said, “What shall I give you?” Jacob said, “You shall not give me anything. If you will do this thing for me, I will again feed your flock and keep it. 32 I will pass through all your flock today, removing from there every speckled and spotted one, and every black one among the sheep, and the spotted and speckled among the goats. This will be my hire. 33 So my righteousness will answer for me hereafter, when you come concerning my hire that is before you. Every one that is not speckled and spotted among the goats, and black among the sheep, that might be with me, will be counted stolen.” 34 Laban said, “Behold, let it be according to your word.” 35 That day, he removed the male goats that were streaked and spotted, and all the female goats that were speckled and spotted, every one that had white in it, and all the black ones among the sheep, and gave them into the hand of his sons. 36 He set three days’ journey between himself and Jacob, and Jacob fed the rest of Laban’s flocks. 37 Jacob took to himself rods of fresh poplar, almond, plane tree, peeled white streaks in them, and made the white appear which was in the rods. 38 He set the rods which he had peeled opposite the flocks in the gutters in the watering-troughs where the flocks came to drink. They conceived when they came to drink. 39 The flocks conceived before the rods, and the flocks produced streaked, speckled, and spotted. 40 Jacob separated the lambs, and set the faces of the flocks toward the streaked and all the black in the flock of Laban: and he put his own droves apart, and didn’t put them into Laban’s flock. 41 It happened, whenever the stronger of the flock conceived, that Jacob laid the rods before the eyes of the flock in the gutters, that they might conceive among the rods; 42 but when the flock were feeble, he didn’t put them in. So the feebler were Laban’s, and the stronger Jacob’s. 43 The man increased exceedingly, and had large flocks, female servants and male servants, and camels and donkeys.
| | Chapitre 30 1 Lorsque Rachel vit qu'elle ne donnait point d'enfants à Jacob, elle porta envie à sa soeur, et elle dit à Jacob: Donne-moi des enfants, ou je meurs! 2 La colère de Jacob s'enflamma contre Rachel, et il dit: Suis-je à la place de Dieu, qui t'empêche d'être féconde? 3 Elle dit: Voici ma servante Bilha; va vers elle; qu'elle enfante sur mes genoux, et que par elle j'aie aussi des fils. 4 Et elle lui donna pour femme Bilha, sa servante; et Jacob alla vers elle. 5 Bilha devint enceinte, et enfanta un fils à Jacob. 6 Rachel dit: Dieu m'a rendu justice, il a entendu ma voix, et il m'a donné un fils. C'est pourquoi elle l'appela du nom de Dan. 7 Bilha, servante de Rachel, devint encore enceinte, et enfanta un second fils à Jacob. 8 Rachel dit: J'ai lutté divinement contre ma soeur, et j'ai vaincu. Et elle l'appela du nom de Nephthali. 9 Léa voyant qu'elle avait cessé d'enfanter, prit Zilpa, sa servante, et la donna pour femme à Jacob. 10 Zilpa, servante de Léa, enfanta un fils à Jacob. 11 Léa dit: Quel bonheur! Et elle l'appela du nom de Gad. 12 Zilpa, servante de Léa, enfanta un second fils à Jacob. 13 Léa dit: Que je suis heureuse! car les filles me diront heureuse. Et elle l'appela du nom d'Aser. 14 Ruben sortit au temps de la moisson des blés, et trouva des mandragores dans les champs. Il les apporta à Léa, sa mère. Alors Rachel dit à Léa: Donne moi, je te prie, des mandragores de ton fils. 15 Elle lui répondit: Est-ce peu que tu aies pris mon mari, pour que tu prennes aussi les mandragores de mon fils? Et Rachel dit: Eh bien! il couchera avec toi cette nuit pour les mandragores de ton fils. 16 Le soir, comme Jacob revenait des champs, Léa sortit à sa rencontre, et dit: C'est vers moi que tu viendras, car je t'ai acheté pour les mandragores de mon fils. Et il coucha avec elle cette nuit. 17 Dieu exauça Léa, qui devint enceinte, et enfanta un cinquième fils à Jacob. 18 Léa dit: Dieu m'a donné mon salaire parce que j'ai donné ma servante à mon mari. Et elle l'appela du nom d'Issacar. 19 Léa devint encore enceinte, et enfanta un sixième fils à Jacob. 20 Léa dit: Dieu m'a fait un beau don; cette fois, mon mari habitera avec moi, car je lui ai enfanté six fils. Et elle l'appela du nom de Zabulon. 21 Ensuite, elle enfanta une fille, qu'elle appela du nom de Dina. 22 Dieu se souvint de Rachel, il l'exauça, et il la rendit féconde. 23 Elle devint enceinte, et enfanta un fils, et elle dit: Dieu a enlevé mon opprobre. 24 Et elle lui donna le nom de Joseph, en disant: Que l'Éternel m'ajoute un autre fils! 25 Lorsque Rachel eut enfanté Joseph, Jacob dit à Laban: Laisse-moi partir, pour que je m'en aille chez moi, dans mon pays. 26 Donne-moi mes femmes et mes enfants, pour lesquels je t'ai servi, et je m'en irai; car tu sais quel service j'ai fait pour toi. 27 Laban lui dit: Puissé-je trouver grâce à tes yeux! Je vois bien que l'Éternel m'a béni à cause de toi; 28 fixe-moi ton salaire, et je te le donnerai. 29 Jacob lui dit: Tu sais comment je t'ai servi, et ce qu'est devenu ton troupeau avec moi; 30 car le peu que tu avais avant moi s'est beaucoup accru, et l'Éternel t'a béni sur mes pas. Maintenant, quand travaillerai-je aussi pour ma maison? 31 Laban dit: Que te donnerai-je? Et Jacob répondit: Tu ne me donneras rien. Si tu consens à ce que je vais te dire, je ferai paître encore ton troupeau, et je le garderai. 32 Je parcourrai aujourd'hui tout ton troupeau; mets à part parmi les brebis tout agneau tacheté et marqueté et tout agneau noir, et parmi les chèvres tout ce qui est marqueté et tacheté. Ce sera mon salaire. 33 Ma droiture répondra pour moi demain, quand tu viendras voir mon salaire; tout ce qui ne sera pas tacheté et marqueté parmi les chèvres, et noir parmi les agneaux, ce sera de ma part un vol. 34 Laban dit: Eh bien! qu'il en soit selon ta parole. 35 Ce même jour, il mit à part les boucs rayés et marquetés, toutes les chèvres tachetées et marquetées, toutes celles où il y avait du blanc, et tout ce qui était noir parmi les brebis. Il les remit entre les mains de ses fils. 36 Puis il mit l'espace de trois journées de chemin entre lui et Jacob; et Jacob fit paître le reste du troupeau de Laban. 37 Jacob prit des branches vertes de peuplier, d'amandier et de platane; il y pela des bandes blanches, mettant à nu le blanc qui était sur les branches. 38 Puis il plaça les branches, qu'il avait pelées, dans les auges, dans les abreuvoirs, sous les yeux des brebis qui venaient boire, pour qu'elles entrassent en chaleur en venant boire. 39 Les brebis entraient en chaleur près des branches, et elles faisaient des petits rayés, tachetés et marquetés. 40 Jacob séparait les agneaux, et il mettait ensemble ce qui était rayé et tout ce qui était noir dans le troupeau de Laban. Il se fit ainsi des troupeaux à part, qu'il ne réunit point au troupeau de Laban. 41 Toutes les fois que les brebis vigoureuses entraient en chaleur, Jacob plaçait les branches dans les auges, sous les yeux des brebis, pour qu'elles entrassent en chaleur près des branches. 42 Quand les brebis étaient chétives, il ne les plaçait point; de sorte que les chétives étaient pour Laban, et les vigoureuses pour Jacob. 43 Cet homme devint de plus en plus riche; il eut du menu bétail en abondance, des servantes et des serviteurs, des chameaux et des ânes.
| |