| Chapitre 29 1 [Ny nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana. 2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana. 3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany. 4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay. 5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany. 6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy. 7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso. 8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay. 9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy. 10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy. 11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany. 12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy. 13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany. 14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba, 15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao. 16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny. 17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy. 18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. 19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko. 20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko. 22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana. 23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. 24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy. 25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho? 26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. 27 Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. 28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny. 29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy. 30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy. 31 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely. 32 Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho. 33 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany. 34 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy. 35 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
| | Chapitre 29 1 Then Jacob went on his journey, and came to the land of the children of the east. 2 He looked, and behold, a well in the field, and, behold, three flocks of sheep lying there by it. For out of that well they watered the flocks. The stone on the well’s mouth was large. 3 There all the flocks were gathered. They rolled the stone from the well’s mouth, and watered the sheep, and put the stone again on the well’s mouth in its place. 4 Jacob said to them, “My relatives, where are you from?” They said, “We are from Haran.” 5 He said to them, “Do you know Laban, the son of Nahor?” They said, “We know him.” 6 He said to them, “Is it well with him?” They said, “It is well. See, Rachel, his daughter, is coming with the sheep.” 7 He said, “Behold, it is still the middle of the day, not time to gather the livestock together. Water the sheep, and go and feed them.” 8 They said, “We can’t, until all the flocks are gathered together, and they roll the stone from the well’s mouth. Then we water the sheep.” 9 While he was yet speaking with them, Rachel came with her father’s sheep, for she kept them. 10 It happened, when Jacob saw Rachel the daughter of Laban, his mother’s brother, and the sheep of Laban, his mother’s brother, that Jacob went near, and rolled the stone from the well’s mouth, and watered the flock of Laban his mother’s brother. 11 Jacob kissed Rachel, and lifted up his voice, and wept. 12 Jacob told Rachel that he was her father’s brother, and that he was Rebekah’s son. She ran and told her father. 13 It happened, when Laban heard the news of Jacob, his sister’s son, that he ran to meet Jacob, and embraced him, and kissed him, and brought him to his house. Jacob told Laban all these things. 14 Laban said to him, “Surely you are my bone and my flesh.” He lived with him for a month. 15 Laban said to Jacob, “Because you are my brother, should you therefore serve me for nothing? Tell me, what will your wages be?” 16 Laban had two daughters. The name of the elder was Leah, and the name of the younger was Rachel. 17 Leah’s eyes were weak, but Rachel was beautiful in form and attractive. 18 Jacob loved Rachel. He said, “I will serve you seven years for Rachel, your younger daughter.” 19 Laban said, “It is better that I give her to you, than that I should give her to another man. Stay with me.” 20 Jacob served seven years for Rachel. They seemed to him but a few days, for the love he had for her. 21 Jacob said to Laban, “Give me my wife, for my days are fulfilled, that I may go in to her.” 22 Laban gathered together all the men of the place, and made a feast. 23 It happened in the evening, that he took Leah his daughter, and brought her to him. He went in to her. 24 Laban gave Zilpah his handmaid to his daughter Leah for a handmaid. 25 It happened in the morning that, behold, it was Leah. He said to Laban, “What is this you have done to me? Didn’t I serve with you for Rachel? Why then have you deceived me?” 26 Laban said, “It is not done so in our place, to give the younger before the firstborn. 27 Fulfill the week of this one, and we will give you the other also for the service which you will serve with me yet seven other years.” 28 Jacob did so, and fulfilled her week. He gave him Rachel his daughter as wife. 29 Laban gave to Rachel his daughter Bilhah, his handmaid, to be her handmaid. 30 He went in also to Rachel, and he loved also Rachel more than Leah, and served with him yet seven other years. 31 Yahweh saw that Leah was hated, and he opened her womb, but Rachel was barren. 32 Leah conceived, and bore a son, and she named him Reuben. For she said, “Because Yahweh has looked at my affliction. For now my husband will love me.” 33 She conceived again, and bore a son, and said, “Because Yahweh has heard that I am hated, he has therefore given me this son also.” She named him Simeon. 34 She conceived again, and bore a son. Said, “Now this time will my husband be joined to me, because I have borne him three sons.” Therefore his name was called Levi. 35 She conceived again, and bore a son. She said, “This time will I praise Yahweh.” Therefore she named him Judah. Then she stopped bearing.
| | Chapitre 29 1 Jacob se mit en marche, et s'en alla au pays des fils de l'Orient. 2 Il regarda. Et voici, il y avait un puits dans les champs; et voici, il y avait à côté trois troupeaux de brebis qui se reposaient, car c'était à ce puits qu'on abreuvait les troupeaux. Et la pierre sur l'ouverture du puits était grande. 3 Tous les troupeaux se rassemblaient là; on roulait la pierre de dessus l'ouverture du puits, on abreuvait les troupeaux, et l'on remettait la pierre à sa place sur l'ouverture du puits. 4 Jacob dit aux bergers: Mes frères, d'où êtes-vous? Ils répondirent: Nous sommes de Charan. 5 Il leur dit: Connaissez-vous Laban, fils de Nachor? Ils répondirent: Nous le connaissons. 6 Il leur dit: Est-il en bonne santé? Ils répondirent: Il est en bonne santé; et voici Rachel, sa fille, qui vient avec le troupeau. 7 Il dit: Voici, il est encore grand jour, et il n'est pas temps de rassembler les troupeaux; abreuvez les brebis, puis allez, et faites-les paître. 8 Ils répondirent: Nous ne le pouvons pas, jusqu'à ce que tous les troupeaux soient rassemblés; c'est alors qu'on roule la pierre de dessus l'ouverture du puits, et qu'on abreuve les brebis. 9 Comme il leur parlait encore, survint Rachel avec le troupeau de son père; car elle était bergère. 10 Lorsque Jacob vit Rachel, fille de Laban, frère de sa mère, et le troupeau de Laban, frère de sa mère, il s'approcha, roula la pierre de dessus l'ouverture du puits, et abreuva le troupeau de Laban, frère de sa mère. 11 Et Jacob baisa Rachel, il éleva la voix et pleura. 12 Jacob apprit à Rachel qu'il était parent de son père, qu'il était fils de Rebecca. Et elle courut l'annoncer à son père. 13 Dès que Laban eut entendu parler de Jacob, fils de sa soeur, il courut au-devant de lui, il l'embrassa et le baisa, et il le fit venir dans sa maison. Jacob raconta à Laban toutes ces choses. 14 Et Laban lui dit: Certainement, tu es mon os et ma chair. Jacob demeura un mois chez Laban. 15 Puis Laban dit à Jacob: Parce que tu es mon parent, me serviras-tu pour rien? Dis-moi quel sera ton salaire. 16 Or, Laban avait deux filles: l'aînée s'appelait Léa, et la cadette Rachel. 17 Léa avait les yeux délicats; mais Rachel était belle de taille et belle de figure. 18 Jacob aimait Rachel, et il dit: Je te servirai sept ans pour Rachel, ta fille cadette. 19 Et Laban dit: J'aime mieux te la donner que de la donner à un autre homme. Reste chez moi! 20 Ainsi Jacob servit sept années pour Rachel: et elles furent à ses yeux comme quelques jours, parce qu'il l'aimait. 21 Ensuite Jacob dit à Laban: Donne-moi ma femme, car mon temps est accompli: et j'irai vers elle. 22 Laban réunit tous les gens du lieu, et fit un festin. 23 Le soir, il prit Léa, sa fille, et l'amena vers Jacob, qui s'approcha d'elle. 24 Et Laban donna pour servante à Léa, sa fille, Zilpa, sa servante. 25 Le lendemain matin, voilà que c'était Léa. Alors Jacob dit à Laban: Qu'est-ce que tu m'as fait? N'est-ce pas pour Rachel que j'ai servi chez toi? Pourquoi m'as-tu trompé? 26 Laban dit: Ce n'est point la coutume dans ce lieu de donner la cadette avant l'aînée. 27 Achève la semaine avec celle-ci, et nous te donnerons aussi l'autre pour le service que tu feras encore chez moi pendant sept nouvelles années. 28 Jacob fit ainsi, et il acheva la semaine avec Léa; puis Laban lui donna pour femme Rachel, sa fille. 29 Et Laban donna pour servante à Rachel, sa fille, Bilha, sa servante. 30 Jacob alla aussi vers Rachel, qu'il aimait plus que Léa; et il servit encore chez Laban pendant sept nouvelles années. 31 L'Éternel vit que Léa n'était pas aimée; et il la rendit féconde, tandis que Rachel était stérile. 32 Léa devint enceinte, et enfanta un fils, à qui elle donna le nom de Ruben; car elle dit: L'Éternel a vu mon humiliation, et maintenant mon mari m'aimera. 33 Elle devint encore enceinte, et enfanta un fils, et elle dit: L'Éternel a entendu que je n'étais pas aimée, et il m'a aussi accordé celui-ci. Et elle lui donna le nom de Siméon. 34 Elle devint encore enceinte, et enfanta un fils, et elle dit: Pour cette fois, mon mari s'attachera à moi; car je lui ai enfanté trois fils. C'est pourquoi on lui donna le nom de Lévi. 35 Elle devint encore enceinte, et enfanta un fils, et elle dit: Cette fois, je louerai l'Éternel. C'est pourquoi elle lui donna le nom de Juda. Et elle cessa d'enfanter.
| |