| Chapitre 27 1 [Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho. 2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako; 3 koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho; 4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho. 5 Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny. 6 Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe: 7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho. 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao. 9 Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany; 10 ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy. 11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa; 12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano. 13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho. 14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy. 15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy. 16 Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony; 17 dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny. 18 Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka? 19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 20 Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy. 21 Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia. 22 Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao. 23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy. 24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy. 25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. 26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka. 27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah. 28 Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka. 29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. 30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza. 31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa. 33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy. 34 Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. 35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao. 36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao? 37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka? 38 Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany. 39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony; 40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao. 41 [Ny nialan'i Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho. 42 Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao. 43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko. 44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao, 45 eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro? 46 Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
| | Chapitre 27 1 It happened, that when Isaac was old, and his eyes were dim, so that he could not see, he called Esau his elder son, and said to him, “My son?” He said to him, “Here I am.” 2 He said, “See now, I am old. I don’t know the day of my death. 3 Now therefore, please take your weapons, your quiver and your bow, and go out to the field, and take me venison. 4 Make me savory food, such as I love, and bring it to me, that I may eat, and that my soul may bless you before I die.” 5 Rebekah heard when Isaac spoke to Esau his son. Esau went to the field to hunt for venison, and to bring it. 6 Rebekah spoke to Jacob her son, saying, “Behold, I heard your father speak to Esau your brother, saying, 7 ‘Bring me venison, and make me savory food, that I may eat, and bless you before Yahweh before my death.’ 8 Now therefore, my son, obey my voice according to that which I command you. 9 Go now to the flock, and get me from there two good young goats. I will make them savory food for your father, such as he loves. 10 You shall bring it to your father, that he may eat, so that he may bless you before his death.” 11 Jacob said to Rebekah his mother, “Behold, Esau my brother is a hairy man, and I am a smooth man. 12 What if my father touches me? I will seem to him as a deceiver, and I would bring a curse on myself, and not a blessing.” 13 His mother said to him, “Let your curse be on me, my son. Only obey my voice, and go get them for me.” 14 He went, and got them, and brought them to his mother. His mother made savory food, such as his father loved. 15 Rebekah took the good clothes of Esau, her elder son, which were with her in the house, and put them on Jacob, her younger son. 16 She put the skins of the young goats on his hands, and on the smooth of his neck. 17 She gave the savory food and the bread, which she had prepared, into the hand of her son Jacob. 18 He came to his father, and said, “My father?” He said, “Here I am. Who are you, my son?” 19 Jacob said to his father, “I am Esau your firstborn. I have done what you asked me to do. Please arise, sit and eat of my venison, that your soul may bless me.” 20 Isaac said to his son, “How is it that you have found it so quickly, my son?” He said, “Because Yahweh your God gave me success.” 21 Isaac said to Jacob, “Please come near, that I may feel you, my son, whether you are really my son Esau or not.” 22 Jacob went near to Isaac his father. He felt him, and said, “The voice is Jacob’s voice, but the hands are the hands of Esau.” 23 He didn’t recognize him, because his hands were hairy, like his brother, Esau’s hands. So he blessed him. 24 He said, “Are you really my son Esau?” He said, “I am.” 25 He said, “Bring it near to me, and I will eat of my son’s venison, that my soul may bless you.” He brought it near to him, and he ate. He brought him wine, and he drank. 26 His father Isaac said to him, “Come near now, and kiss me, my son.” 27 He came near, and kissed him. He smelled the smell of his clothing, and blessed him, and said, “Behold, the smell of my son is as the smell of a field which Yahweh has blessed. 28 God give you of the dew of the sky, of the fatness of the earth, and plenty of grain and new wine. 29 Let peoples serve you, and nations bow down to you. Be lord over your brothers. Let your mother’s sons bow down to you. Cursed be everyone who curses you. Blessed be everyone who blesses you.” 30 It happened, as soon as Isaac had made an end of blessing Jacob, and Jacob had just gone out from the presence of Isaac his father, that Esau his brother came in from his hunting. 31 He also made savory food, and brought it to his father. He said to his father, “Let my father arise, and eat of his son’s venison, that your soul may bless me.” 32 Isaac his father said to him, “Who are you?” He said, “I am your son, your firstborn, Esau.” 33 Isaac trembled violently, and said, “Who, then, is he who has taken venison, and brought it me, and I have eaten of all before you came, and have blessed him? Yes, he will be blessed.” 34 When Esau heard the words of his father, he cried with an exceeding great and bitter cry, and said to his father, “Bless me, even me also, my father.” 35 He said, “Your brother came with deceit, and has taken away your blessing.” 36 He said, “Isn’t he rightly named Jacob? For he has supplanted me these two times. He took away my birthright. See, now he has taken away my blessing.” He said, “Haven’t you reserved a blessing for me?” 37 Isaac answered Esau, “Behold, I have made him your lord, and all his brothers have I given to him for servants. With grain and new wine have I sustained him. What then will I do for you, my son?” 38 Esau said to his father, “Have you but one blessing, my father? Bless me, even me also, my father.” Esau lifted up his voice, and wept. 39 Isaac his father answered him, “Behold, of the fatness of the earth will be your dwelling, and of the dew of the sky from above. 40 By your sword will you live, and you will serve your brother. It will happen, when you will break loose, that you shall shake his yoke from off your neck.” 41 Esau hated Jacob because of the blessing with which his father blessed him. Esau said in his heart, “The days of mourning for my father are at hand. Then I will kill my brother Jacob.” 42 The words of Esau, her elder son, were told to Rebekah. She sent and called Jacob, her younger son, and said to him, “Behold, your brother Esau comforts himself about you by planning to kill you. 43 Now therefore, my son, obey my voice. Arise, flee to Laban, my brother, in Haran. 44 Stay with him a few days, until your brother’s fury turns away; 45 until your brother’s anger turn away from you, and he forgets what you have done to him. Then I will send, and get you from there. Why should I be bereaved of you both in one day?” 46 Rebekah said to Isaac, “I am weary of my life because of the daughters of Heth. If Jacob takes a wife of the daughters of Heth, such as these, of the daughters of the land, what good will my life do me?”
| | Chapitre 27 1 Isaac devenait vieux, et ses yeux s'étaient affaiblis au point qu'il ne voyait plus. Alors il appela Ésaü, son fils aîné, et lui dit: Mon fils! Et il lui répondit: Me voici! 2 Isaac dit: Voici donc, je suis vieux, je ne connais pas le jour de ma mort. 3 Maintenant donc, je te prie, prends tes armes, ton carquois et ton arc, va dans les champs, et chasse-moi du gibier. 4 Fais-moi un mets comme j'aime, et apporte-le-moi à manger, afin que mon âme te bénisse avant que je meure. 5 Rebecca écouta ce qu'Isaac disait à Ésaü, son fils. Et Ésaü s'en alla dans les champs, pour chasser du gibier et pour le rapporter. 6 Puis Rebecca dit à Jacob, son fils: Voici, j'ai entendu ton père qui parlait ainsi à Ésaü, ton frère: 7 Apporte-moi du gibier et fais-moi un mets que je mangerai; et je te bénirai devant l'Éternel avant ma mort. 8 Maintenant, mon fils, écoute ma voix à l'égard de ce que je te commande. 9 Va me prendre au troupeau deux bons chevreaux; j'en ferai pour ton père un mets comme il aime; 10 et tu le porteras à manger à ton père, afin qu'il te bénisse avant sa mort. 11 Jacob répondit à sa mère: Voici, Ésaü, mon frère, est velu, et je n'ai point de poil. 12 Peut-être mon père me touchera-t-il, et je passerai à ses yeux pour un menteur, et je ferai venir sur moi la malédiction, et non la bénédiction. 13 Sa mère lui dit: Que cette malédiction, mon fils, retombe sur moi! Écoute seulement ma voix, et va me les prendre. 14 Jacob alla les prendre, et les apporta à sa mère, qui fit un mets comme son père aimait. 15 Ensuite, Rebecca prit les vêtements d'Ésaü, son fils aîné, les plus beaux qui se trouvaient à la maison, et elle les fit mettre à Jacob, son fils cadet. 16 Elle couvrit ses mains de la peau des chevreaux, et son cou qui était sans poil. 17 Et elle plaça dans la main de Jacob, son fils, le mets et le pain qu'elle avait préparés. 18 Il vint vers son père, et dit: Mon père! Et Isaac dit: Me voici! qui es-tu, mon fils? 19 Jacob répondit à son père: Je suis Ésaü, ton fils aîné; j'ai fait ce que tu m'as dit. Lève-toi, je te prie, assieds-toi, et mange de mon gibier, afin que ton âme me bénisse. 20 Isaac dit à son fils: Eh quoi! tu en as déjà trouvé, mon fils! Et Jacob répondit: C'est que l'Éternel, ton Dieu, l'a fait venir devant moi. 21 Isaac dit à Jacob: Approche donc, et que je te touche, mon fils, pour savoir si tu es mon fils Ésaü, ou non. 22 Jacob s'approcha d'Isaac, son père, qui le toucha, et dit: La voix est la voix de Jacob, mais les mains sont les mains d'Ésaü. 23 Il ne le reconnut pas, parce que ses mains étaient velues, comme les mains d'Ésaü, son frère; et il le bénit. 24 Il dit: C'est toi qui es mon fils Ésaü? Et Jacob répondit: C'est moi. 25 Isaac dit: Sers-moi, et que je mange du gibier de mon fils, afin que mon âme te bénisse. Jacob le servit, et il mangea; il lui apporta aussi du vin, et il but. 26 Alors Isaac, son père, lui dit: Approche donc, et baise-moi, mon fils. 27 Jacob s'approcha, et le baisa. Isaac sentit l'odeur de ses vêtements; puis il le bénit, et dit: Voici, l'odeur de mon fils est comme l'odeur d'un champ que l'Éternel a béni. 28 Que Dieu te donne de la rosée du ciel Et de la graisse de la terre, Du blé et du vin en abondance! 29 Que des peuples te soient soumis, Et que des nations se prosternent devant toi! Sois le maître de tes frères, Et que les fils de ta mère se prosternent devant toi! Maudit soit quiconque te maudira, Et béni soit quiconque te bénira. 30 Isaac avait fini de bénir Jacob, et Jacob avait à peine quitté son père Isaac, qu'Ésaü, son frère, revint de la chasse. 31 Il fit aussi un mets, qu'il porta à son père; et il dit à son père: Que mon père se lève et mange du gibier de son fils, afin que ton âme me bénisse! 32 Isaac, son père, lui dit: Qui es-tu? Et il répondit: Je suis ton fils aîné, Ésaü. 33 Isaac fut saisi d'une grande, d'une violente émotion, et il dit: Qui est donc celui qui a chassé du gibier, et me l'a apporté? J'ai mangé de tout avant que tu vinsses, et je l'ai béni. Aussi sera-t-il béni. 34 Lorsque Ésaü entendit les paroles de son père, il poussa de forts cris, pleins d'amertume, et il dit à son père: Bénis-moi aussi, mon père! 35 Isaac dit: Ton frère est venu avec ruse, et il a enlevé ta bénédiction. 36 Ésaü dit: Est-ce parce qu'on l'a appelé du nom de Jacob qu'il m'a supplanté deux fois? Il a enlevé mon droit d'aînesse, et voici maintenant qu'il vient d'enlever ma bénédiction. Et il dit: N'as-tu point réservé de bénédiction pour moi? 37 Isaac répondit, et dit à Ésaü: Voici, je l'ai établi ton maître, et je lui ai donné tous ses frères pour serviteurs, je l'ai pourvu de blé et de vin: que puis-je donc faire pour toi, mon fils? 38 Ésaü dit à son père: N'as-tu que cette seule bénédiction, mon père? Bénis-moi aussi, mon père! Et Ésaü éleva la voix, et pleura. 39 Isaac, son père, répondit, et lui dit: Voici! Ta demeure sera privée de la graisse de la terre Et de la rosée du ciel, d'en haut. 40 Tu vivras de ton épée, Et tu seras asservi à ton frère; Mais en errant librement çà et là, Tu briseras son joug de dessus ton cou. 41 Ésaü conçut de la haine contre Jacob, à cause de la bénédiction dont son père l'avait béni; et Ésaü disait en son coeur: Les jours du deuil de mon père vont approcher, et je tuerai Jacob, mon frère. 42 On rapporta à Rebecca les paroles d'Ésaü, son fils aîné. Elle fit alors appeler Jacob, son fils cadet, et elle lui dit: Voici, Ésaü, ton frère, veut tirer vengeance de toi, en te tuant. 43 Maintenant, mon fils, écoute ma voix! Lève-toi, fuis chez Laban, mon frère, à Charan; 44 et reste auprès de lui quelque temps, jusqu'à ce que la fureur de ton frère s'apaise, 45 jusqu'à ce que la colère de ton frère se détourne de toi, et qu'il oublie ce que tu lui as fait. Alors je te ferai revenir. Pourquoi serais-je privée de vous deux en un même jour? 46 Rebecca dit à Isaac: Je suis dégoûtée de la vie, à cause des filles de Heth. Si Jacob prend une femme, comme celles-ci, parmi les filles de Heth, parmi les filles du pays, à quoi me sert la vie?
| |