| Chapitre 25 1 [Ny nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. 2 Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy. 3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. 4 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora. 5 Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany. 6 Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana. 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. 8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy. 9 Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre, 10 dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny. 11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy. 12 [Ny taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama : 13 Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama 14 sy Misma sy Doma sy Masa 15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema. 16 Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny. 17 Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany . 18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany. 19 [Ny amin'i Esao sy Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama: 20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana. 21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny. 22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy. 23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. 24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. 25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. 26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy. 27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. 28 Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba. 29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. 30 Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). 31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? 33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34 Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
| | Chapitre 25 1 Abraham took another wife, and her name was Keturah. 2 She bore him Zimran, Jokshan, Medan, Midian, Ishbak, and Shuah. 3 Jokshan became the father of Sheba, and Dedan. The sons of Dedan were Asshurim, Letushim, and Leummim. 4 The sons of Midian: Ephah, Epher, Hanoch, Abida, and Eldaah. All these were the children of Keturah. 5 Abraham gave all that he had to Isaac, 6 but to the sons of Abraham’s concubines, Abraham gave gifts. He sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, to the east country. 7 These are the days of the years of Abraham’s life which he lived: one hundred seventy-five years. 8 Abraham gave up the spirit, and died in a good old age, an old man, and full of years, and was gathered to his people. 9 Isaac and Ishmael, his sons, buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron, the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre, 10 the field which Abraham purchased of the children of Heth. Abraham was buried there with Sarah, his wife. 11 It happened after the death of Abraham that God blessed Isaac, his son. Isaac lived by Beer Lahai Roi. 12 Now this is the history of the generations of Ishmael, Abraham’s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah’s handmaid, bore to Abraham. 13 These are the names of the sons of Ishmael, by their names, according to the order of their birth: the firstborn of Ishmael, Nebaioth, then Kedar, Adbeel, Mibsam, 14 Mishma, Dumah, Massa, 15 Hadad, Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah. 16 These are the sons of Ishmael, and these are their names, by their villages, and by their encampments: twelve princes, according to their nations. 17 These are the years of the life of Ishmael: one hundred thirty-seven years. He gave up the spirit and died, and was gathered to his people. 18 They lived from Havilah to Shur that is before Egypt, as you go toward Assyria. He lived opposite all his relatives. 19 This is the history of the generations of Isaac, Abraham’s son. Abraham became the father of Isaac. 20 Isaac was forty years old when he took Rebekah, the daughter of Bethuel the Syrian of Paddan Aram, the sister of Laban the Syrian, to be his wife. 21 Isaac entreated Yahweh for his wife, because she was barren. Yahweh was entreated by him, and Rebekah his wife conceived. 22 The children struggled together within her. She said, “If it be so, why do I live?” She went to inquire of Yahweh. 23 Yahweh said to her, “Two nations are in your womb. Two peoples will be separated from your body. The one people will be stronger than the other people. The elder will serve the younger.” 24 When her days to be delivered were fulfilled, behold, there were twins in her womb. 25 The first came out red all over, like a hairy garment. They named him Esau. 26 After that, his brother came out, and his hand had hold on Esau’s heel. He was named Jacob. Isaac was sixty years old when she bore them. 27 The boys grew. Esau was a skillful hunter, a man of the field. Jacob was a quiet man, living in tents. 28 Now Isaac loved Esau, because he ate his venison. Rebekah loved Jacob. 29 Jacob boiled stew. Esau came in from the field, and he was famished. 30 Esau said to Jacob, “Please feed me with that same red stew, for I am famished.” Therefore his name was called Edom. 31 Jacob said, “First, sell me your birthright.” 32 Esau said, “Behold, I am about to die. What good is the birthright to me?” 33 Jacob said, “Swear to me first.” He swore to him. He sold his birthright to Jacob. 34 Jacob gave Esau bread and stew of lentils. He ate and drank, rose up, and went his way. So Esau despised his birthright.
| | Chapitre 25 1 Abraham prit encore une femme, nommée Ketura. 2 Elle lui enfanta Zimran, Jokschan, Medan, Madian, Jischbak et Schuach. 3 Jokschan engendra Séba et Dedan. Les fils de Dedan furent les Aschurim, les Letuschim et les Leummim. 4 Les fils de Madian furent Épha, Épher, Hénoc, Abida et Eldaa. -Ce sont là tous les fils de Ketura. 5 Abraham donna tous ses biens à Isaac. 6 Il fit des dons aux fils de ses concubines; et, tandis qu'il vivait encore, il les envoya loin de son fils Isaac du côté de l'orient, dans le pays d'Orient. 7 Voici les jours des années de la vie d'Abraham: il vécut cent soixante quinze ans. 8 Abraham expira et mourut, après une heureuse vieillesse, âgé et rassasié de jours, et il fut recueilli auprès de son peuple. 9 Isaac et Ismaël, ses fils, l'enterrèrent dans la caverne de Macpéla, dans le champ d'Éphron, fils de Tsochar, le Héthien, vis-à-vis de Mamré. 10 C'est le champ qu'Abraham avait acquis des fils de Heth. Là furent enterrés Abraham et Sara, sa femme. 11 Après la mort d'Abraham, Dieu bénit Isaac, son fils. Il habitait près du puits de Lachaï-roï. 12 Voici la postérité d'Ismaël, fils d'Abraham, qu'Agar, l'Égyptienne, servante de Sara, avait enfanté à Abraham. 13 Voici les noms des fils d'Ismaël, par leurs noms, selon leurs générations: Nebajoth, premier-né d'Ismaël, Kédar, Adbeel, Mibsam, 14 Mischma, Duma, Massa, 15 Hadad, Théma, Jethur, Naphisch et Kedma. 16 Ce sont là les fils d'Ismaël; ce sont là leurs noms, selon leurs parcs et leurs enclos. Ils furent les douze chefs de leurs peuples. 17 Et voici les années de la vie d'Ismaël: cent trente-sept ans. Il expira et mourut, et il fut recueilli auprès de son peuple. 18 Ses fils habitèrent depuis Havila jusqu'à Schur, qui est en face de l'Égypte, en allant vers l'Assyrie. Il s'établit en présence de tous ses frères. 19 Voici la postérité d'Isaac, fils d'Abraham. (25:20) Abraham engendra Isaac. 20 Isaac était âgé de quarante ans, quand il prit pour femme Rebecca, fille de Bethuel, l'Araméen, de Paddan-Aram, et soeur de Laban, l'Araméen. 21 Isaac implora l'Éternel pour sa femme, car elle était stérile, et l'Éternel l'exauça: Rebecca, sa femme, devint enceinte. 22 Les enfants se heurtaient dans son sein; et elle dit: S'il en est ainsi, pourquoi suis-je enceinte? Elle alla consulter l'Éternel. 23 Et l'Éternel lui dit: Deux nations sont dans ton ventre, et deux peuples se sépareront au sortir de tes entrailles; un de ces peuples sera plus fort que l'autre, et le plus grand sera assujetti au plus petit. 24 Les jours où elle devait accoucher s'accomplirent; et voici, il y avait deux jumeaux dans son ventre. 25 Le premier sortit entièrement roux, comme un manteau de poil; et on lui donna le nom d'Ésaü. 26 Ensuite sortit son frère, dont la main tenait le talon d'Ésaü; et on lui donna le nom de Jacob. Isaac était âgé de soixante ans, lorsqu'ils naquirent. 27 Ces enfants grandirent. Ésaü devint un habile chasseur, un homme des champs; mais Jacob fut un homme tranquille, qui restait sous les tentes. 28 Isaac aimait Ésaü, parce qu'il mangeait du gibier; et Rebecca aimait Jacob. 29 Comme Jacob faisait cuire un potage, Ésaü revint des champs, accablé de fatigue. 30 Et Ésaü dit à Jacob: Laisse-moi, je te prie, manger de ce roux, de ce roux-là, car je suis fatigué. C'est pour cela qu'on a donné à Ésaü le nom d'Édom. 31 Jacob dit: Vends-moi aujourd'hui ton droit d'aînesse. 32 Ésaü répondit: Voici, je m'en vais mourir; à quoi me sert ce droit d'aînesse? 33 Et Jacob dit: Jure-le moi d'abord. Il le lui jura, et il vendit son droit d'aînesse à Jacob. 34 Alors Jacob donna à Ésaü du pain et du potage de lentilles. Il mangea et but, puis se leva et s'en alla. C'est ainsi qu'Ésaü méprisa le droit d'aînesse.
| |