T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 [Ny nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.

2 Ary hoy Abrahama tamin'ilay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao;

3 fa hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina ianao;

4 fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.

5 Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?

6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.

7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.

8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako

9 Ary nataon'ilay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin'izany zavatra izany izy.

 

10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora.

11 Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny

12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.

13 Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;

14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.

16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.

18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.

19 Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.

20 Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.

21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.

22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;

23 ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao?

24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho.

25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.

26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,

27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.

 

28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny.

29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.

30 Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.

31 Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.

 

32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.

33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!

34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.

35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.

37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;

38 fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.

39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.

40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.

41 Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.

42 Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,

43 indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,

44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko.

45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.

46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.

47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.

48 Dia niondrika aho ka nianko­hoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany

49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.

51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah.

52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy.

53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.

 

54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.

55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.

57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.

58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.

59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.

60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.

61 Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.

62 Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy.

63 Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.

64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy.

65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.

66 Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.

67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.


 

Chapitre 24

1 Abraham was old, and well stricken in age. Yahweh had blessed Abraham in all things. 2 Abraham said to his servant, the elder of his house, who ruled over all that he had, “Please put your hand under my thigh. 3 I will make you swear by Yahweh, the God of heaven and the God of the earth, that you shall not take a wife for my son of the daughters of the Canaanites, among whom I live. 4 But you shall go to my country, and to my relatives, and take a wife for my son Isaac.”

5 The servant said to him, “What if the woman isn’t willing to follow me to this land? Must I bring your son again to the land you came from?”

6 Abraham said to him, “Beware that you don’t bring my son there again. 7 Yahweh, the God of heaven, who took me from my father’s house, and from the land of my birth, who spoke to me, and who swore to me, saying, ‘I will give this land to your seed.’ He will send his angel before you, and you shall take a wife for my son from there. 8 If the woman isn’t willing to follow you, then you shall be clear from this my oath. Only you shall not bring my son there again.”

9 The servant put his hand under the thigh of Abraham his master, and swore to him concerning this matter. 10 The servant took ten camels, of his master’s camels, and departed, having a variety of good things of his master’s with him. He arose, and went to Mesopotamia, to the city of Nahor. 11 He made the camels kneel down outside the city by the well of water at the time of evening, the time that women go out to draw water. 12 He said, “Yahweh, the God of my master Abraham, please give me success this day, and show kindness to my master Abraham. 13 Behold, I am standing by the spring of water. The daughters of the men of the city are coming out to draw water. 14 Let it happen, that the young lady to whom I will say, ‘Please let down your pitcher, that I may drink,’ and she will say, ‘Drink, and I will also give your camels a drink,’—let her be the one you have appointed for your servant Isaac. By this I will know that you have shown kindness to my master.”

15 It happened, before he had finished speaking, that behold, Rebekah came out, who was born to Bethuel the son of Milcah, the wife of Nahor, Abraham’s brother, with her pitcher on her shoulder. 16 The young lady was very beautiful to look at, a virgin, neither had any man known her. She went down to the spring, filled her pitcher, and came up. 17 The servant ran to meet her, and said, “Please give me a drink, a little water from your pitcher.”

18 She said, “Drink, my lord.” She hurried, and let down her pitcher on her hand, and gave him drink. 19 When she had done giving him drink, she said, “I will also draw for your camels, until they have done drinking.” 20 She hurried, and emptied her pitcher into the trough, and ran again to the well to draw, and drew for all his camels.

21 The man looked steadfastly at her, remaining silent, to know whether Yahweh had made his journey prosperous or not. 22 It happened, as the camels had done drinking, that the man took a golden ring of half a shekel weight, and two bracelets for her hands of ten shekels weight of gold, 23 and said, “Whose daughter are you? Please tell me. Is there room in your father’s house for us to lodge in?”

24 She said to him, “I am the daughter of Bethuel the son of Milcah, whom she bore to Nahor.” 25 She said moreover to him, “We have both straw and provender enough, and room to lodge in.”

26 The man bowed his head, and worshiped Yahweh. 27 He said, “Blessed be Yahweh, the God of my master Abraham, who has not forsaken his loving kindness and his truth toward my master. As for me, Yahweh has led me in the way to the house of my master’s relatives.”

28 The young lady ran, and told her mother’s house about these words. 29 Rebekah had a brother, and his name was Laban. Laban ran out to the man, to the spring. 30 It happened, when he saw the ring, and the bracelets on his sister’s hands, and when he heard the words of Rebekah his sister, saying, “This is what the man said to me,” that he came to the man. Behold, he was standing by the camels at the spring. 31 He said, “Come in, you blessed of Yahweh. Why do you stand outside? For I have prepared the house, and room for the camels.”

32 The man came into the house, and he unloaded the camels. He gave straw and provender for the camels, and water to wash his feet and the feet of the men who were with him. 33 Food was set before him to eat, but he said, “I will not eat until I have told my message.”

He said, “Speak on.”

34 He said, “I am Abraham’s servant. 35 Yahweh has blessed my master greatly. He has become great. He has given him flocks and herds, silver and gold, male servants and female servants, and camels and donkeys. 36 Sarah, my master’s wife, bore a son to my master when she was old. He has given all that he has to him. 37 My master made me swear, saying, ‘You shall not take a wife for my son of the daughters of the Canaanites, in whose land I live, 38 but you shall go to my father’s house, and to my relatives, and take a wife for my son.’ 39 I asked my master, ‘What if the woman will not follow me?’ 40 He said to me, ‘Yahweh, before whom I walk, will send his angel with you, and prosper your way. You shall take a wife for my son of my relatives, and of my father’s house. 41 Then will you be clear from my oath, when you come to my relatives. If they don’t give her to you, you shall be clear from my oath.’ 42 I came this day to the spring, and said, ‘Yahweh, the God of my master Abraham, if now you do prosper my way which I go— 43 behold, I am standing by this spring of water. Let it happen, that the maiden who comes out to draw, to whom I will say, “Please give me a little water from your pitcher to drink,” 44 and she will tell me, “Drink, and I will also draw for your camels,”—let her be the woman whom Yahweh has appointed for my master’s son.’ 45 Before I had finished speaking in my heart, behold, Rebekah came out with her pitcher on her shoulder. She went down to the spring, and drew. I said to her, ‘Please let me drink.’ 46 She hurried and let down her pitcher from her shoulder, and said, ‘Drink, and I will also give your camels a drink.’ So I drank, and she also gave the camels a drink. 47 I asked her, and said, ‘Whose daughter are you?’ She said, ‘The daughter of Bethuel, Nahor’s son, whom Milcah bore to him.’ I put the ring on her nose, and the bracelets on her hands. 48 I bowed my head, and worshiped Yahweh, and blessed Yahweh, the God of my master Abraham, who had led me in the right way to take my master’s brother’s daughter for his son. 49 Now if you will deal kindly and truly with my master, tell me. If not, tell me, that I may turn to the right hand, or to the left.”

50 Then Laban and Bethuel answered, “The thing proceeds from Yahweh. We can’t speak to you bad or good. 51 Behold, Rebekah is before you. Take her, and go, and let her be your master’s son’s wife, as Yahweh has spoken.”

52 It happened that when Abraham’s servant heard their words, he bowed himself down to the earth to Yahweh. 53 The servant brought out jewels of silver, and jewels of gold, and clothing, and gave them to Rebekah. He also gave precious things to her brother and her mother. 54 They ate and drank, he and the men who were with him, and stayed all night. They rose up in the morning, and he said, “Send me away to my master.”

55 Her brother and her mother said, “Let the young lady stay with us a few days, at least ten. After that she will go.”

56 He said to them, “Don’t hinder me, since Yahweh has prospered my way. Send me away that I may go to my master.”

57 They said, “We will call the young lady, and ask her.” 58 They called Rebekah, and said to her, “Will you go with this man?”

She said, “I will go.”

59 They sent away Rebekah, their sister, with her nurse, Abraham’s servant, and his men. 60 They blessed Rebekah, and said to her, “Our sister, may you be the mother of thousands of ten thousands, and let your seed possess the gate of those who hate them.”

61 Rebekah arose with her ladies. They rode on the camels, and followed the man. The servant took Rebekah, and went his way. 62 Isaac came from the way of Beer Lahai Roi, for he lived in the land of the South. 63 Isaac went out to meditate in the field at the evening. He lifted up his eyes, and saw, and, behold, there were camels coming. 64 Rebekah lifted up her eyes, and when she saw Isaac, she dismounted from the camel. 65 She said to the servant, “Who is the man who is walking in the field to meet us?”

The servant said, “It is my master.”

She took her veil, and covered herself. 66 The servant told Isaac all the things that he had done. 67 Isaac brought her into his mother Sarah’s tent, and took Rebekah, and she became his wife. He loved her. Isaac was comforted after his mother’s death.


 

Chapitre 24
1 Abraham était vieux, avancé en âge; et l'Éternel avait béni Abraham en toute chose. 2 Abraham dit à son serviteur, le plus ancien de sa maison, l'intendant de tous ses biens: Mets, je te prie, ta main sous ma cuisse; 3 et je te ferai jurer par l'Éternel, le Dieu du ciel et le Dieu de la terre, de ne pas prendre pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens au milieu desquels j'habite, 4 mais d'aller dans mon pays et dans ma patrie prendre une femme pour mon fils Isaac. 5 Le serviteur lui répondit: Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre dans ce pays-ci; devrai-je mener ton fils dans le pays d'où tu es sorti? 6 Abraham lui dit: Garde-toi d'y mener mon fils! 7 L'Éternel, le Dieu du ciel, qui m'a fait sortir de la maison de mon père et de ma patrie, qui m'a parlé et qui m'a juré, en disant: Je donnerai ce pays à ta postérité, lui-même enverra son ange devant toi; et c'est de là que tu prendras une femme pour mon fils. 8 Si la femme ne veut pas te suivre, tu seras dégagé de ce serment que je te fais faire. Seulement, tu n'y mèneras pas mon fils. 9 Le serviteur mit sa main sous la cuisse d'Abraham, son seigneur, et lui jura d'observer ces choses. 10 Le serviteur prit dix chameaux parmi les chameaux de son seigneur, et il partit, ayant à sa disposition tous les biens de son seigneur. Il se leva, et alla en Mésopotamie, à la ville de Nachor. 11 Il fit reposer les chameaux sur leurs genoux hors de la ville, près d'un puits, au temps du soir, au temps où sortent celles qui vont puiser de l'eau. 12 Et il dit: Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, fais-moi, je te prie, rencontrer aujourd'hui ce que je désire, et use de bonté envers mon seigneur Abraham! 13 Voici, je me tiens près de la source d'eau, et les filles des gens de la ville vont sortir pour puiser de l'eau. 14 Que la jeune fille à laquelle je dirai: Penche ta cruche, je te prie, pour que je boive, et qui répondra: Bois, et je donnerai aussi à boire à tes chameaux, soit celle que tu as destinée à ton serviteur Isaac! Et par là je connaîtrai que tu uses de bonté envers mon seigneur. 15 Il n'avait pas encore fini de parler que sortit, sa cruche sur l'épaule, Rebecca, née de Bethuel, fils de Milca, femme de Nachor, frère d'Abraham. 16 C'était une jeune fille très belle de figure; elle était vierge, et aucun homme ne l'avait connue. Elle descendit à la source, remplit sa cruche, et remonta. 17 Le serviteur courut au-devant d'elle, et dit: Laisse-moi boire, je te prie, un peu d'eau de ta cruche. 18 Elle répondit: Bois, mon seigneur. Et elle s'empressa d'abaisser sa cruche sur sa main, et de lui donner à boire. 19 Quand elle eut achevé de lui donner à boire, elle dit: Je puiserai aussi pour tes chameaux, jusqu'à ce qu'ils aient assez bu. 20 Et elle s'empressa de vider sa cruche dans l'abreuvoir, et courut encore au puits pour puiser; et elle puisa pour tous les chameaux. 21 L'homme la regardait avec étonnement et sans rien dire, pour voir si l'Éternel faisait réussir son voyage, ou non. 22 Quand les chameaux eurent fini de boire, l'homme prit un anneau d'or, du poids d'un demi-sicle, et deux bracelets, du poids de dix sicles d'or. 23 Et il dit: De qui es-tu fille? dis-le moi, je te prie. Y a-t-il dans la maison de ton père de la place pour passer la nuit? 24 Elle répondit: Je suis fille de Bethuel, fils de Milca et de Nachor. 25 Elle lui dit encore: Il y a chez nous de la paille et du fourrage en abondance, et aussi de la place pour passer la nuit. 26 Alors l'homme s'inclina et se prosterna devant l'Éternel, 27 en disant: Béni soit l'Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui n'a pas renoncé à sa miséricorde et à sa fidélité envers mon seigneur! Moi-même, l'Éternel m'a conduit à la maison des frères de mon seigneur. 28 La jeune fille courut raconter ces choses à la maison de sa mère. 29 Rebecca avait un frère, nommé Laban. Et Laban courut dehors vers l'homme, près de la source. 30 Il avait vu l'anneau et les bracelets aux mains de sa soeur, et il avait entendu les paroles de Rebecca, sa soeur, disant: Ainsi m'a parlé l'homme. Il vint donc à cet homme qui se tenait auprès des chameaux, vers la source, 31 et il dit: Viens, béni de l'Éternel! Pourquoi resterais-tu dehors? J'ai préparé la maison, et une place pour les chameaux. 32 L'homme arriva à la maison. Laban fit décharger les chameaux, et il donna de la paille et du fourrage aux chameaux, et de l'eau pour laver les pieds de l'homme et les pieds des gens qui étaient avec lui. 33 Puis, il lui servit à manger. Mais il dit: Je ne mangerai point, avant d'avoir dit ce que j'ai à dire. Parle! dit Laban. 34 Alors il dit: Je suis serviteur d'Abraham. 35 L'Éternel a comblé de bénédictions mon seigneur, qui est devenu puissant. Il lui a donné des brebis et des boeufs, de l'argent et de l'or, des serviteurs et des servantes, des chameaux et des ânes. 36 Sara, la femme de mon seigneur, a enfanté dans sa vieillesse un fils à mon seigneur; et il lui a donné tout ce qu'il possède. 37 Mon seigneur m'a fait jurer, en disant: Tu ne prendras pas pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens, dans le pays desquels j'habite; 38 mais tu iras dans la maison de mon père et de ma famille prendre une femme pour mon fils. 39 J'ai dit à mon seigneur: Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre. 40 Et il m'a répondu: L'Éternel, devant qui j'ai marché, enverra son ange avec toi, et fera réussir ton voyage; et tu prendras pour mon fils une femme de la famille et de la maison de mon père. 41 Tu seras dégagé du serment que tu me fais, quand tu auras été vers ma famille; si on ne te l'accorde pas, tu seras dégagé du serment que tu me fais. 42 Je suis arrivé aujourd'hui à la source, et j'ai dit: Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, si tu daignes faire réussir le voyage que j'accomplis, 43 voici, je me tiens près de la source d'eau, et que la jeune fille qui sortira pour puiser, à qui je dirai: Laisse-moi boire, je te prie, un peu d'eau de ta cruche, 44 (24:43) et qui me répondra: (24:44) Bois toi-même, et je puiserai aussi pour tes chameaux, que cette jeune fille soit la femme que l'Éternel a destinée au fils de mon seigneur! 45 Avant que j'eusse fini de parler en mon coeur, voici, Rebecca est sortie, sa cruche sur l'épaule; elle est descendue à la source, et a puisé. Je lui ai dit: Donne-moi à boire, je te prie. 46 Elle s'est empressée d'abaisser sa cruche de dessus son épaule, et elle a dit: Bois, et je donnerai aussi à boire à tes chameaux. J'ai bu, et elle a aussi donné à boire à mes chameaux. 47 Je l'ai interrogée, et j'ai dit: De qui es-tu fille? Elle a répondu: Je suis fille de Bethuel, fils de Nachor et de Milca. J'ai mis l'anneau à son nez, et les bracelets à ses mains. 48 Puis je me suis incliné et prosterné devant l'Éternel, et j'ai béni l'Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui m'a conduit fidèlement, afin que je prisse la fille du frère de mon seigneur pour son fils. 49 Maintenant, si vous voulez user de bienveillance et de fidélité envers mon seigneur, déclarez-le-moi; sinon, déclarez-le-moi, et je me tournerai à droite ou à gauche. 50 Laban et Bethuel répondirent, et dirent: C'est de l'Éternel que la chose vient; nous ne pouvons te parler ni en mal ni en bien. 51 Voici Rebecca devant toi; prends et va, et qu'elle soit la femme du fils de ton seigneur, comme l'Éternel l'a dit. 52 Lorsque le serviteur d'Abraham eut entendu leurs paroles, il se prosterna en terre devant l'Éternel. 53 Et le serviteur sortit des objets d'argent, des objets d'or, et des vêtements, qu'il donna à Rebecca; il fit aussi de riches présents à son frère et à sa mère. 54 Après quoi, ils mangèrent et burent, lui et les gens qui étaient avec lui, et ils passèrent la nuit. Le matin, quand ils furent levés, le serviteur dit: Laissez-moi retourner vers mon seigneur. 55 Le frère et la mère dirent: Que la jeune fille reste avec nous quelque temps encore, une dizaine de jours; ensuite, tu partiras. 56 Il leur répondit: Ne me retardez pas, puisque l'Éternel a fait réussir mon voyage; laissez-moi partir, et que j'aille vers mon seigneur. 57 Alors ils répondirent: Appelons la jeune fille et consultons-la. 58 Ils appelèrent donc Rebecca, et lui dirent: Veux-tu aller avec cet homme? Elle répondit: J'irai. 59 Et ils laissèrent partir Rebecca, leur soeur, et sa nourrice, avec le serviteur d'Abraham et ses gens. 60 Ils bénirent Rebecca, et lui dirent: O notre soeur, puisses-tu devenir des milliers de myriades, et que ta postérité possède la porte de ses ennemis! 61 Rebecca se leva, avec ses servantes; elles montèrent sur les chameaux, et suivirent l'homme. Et le serviteur emmena Rebecca, et partit. 62 Cependant Isaac était revenu du puits de Lachaï-roï, et il habitait dans le pays du midi. 63 Un soir qu'Isaac était sorti pour méditer dans les champs, il leva les yeux, et regarda; et voici, des chameaux arrivaient. 64 Rebecca leva aussi les yeux, vit Isaac, et descendit de son chameau. 65 Elle dit au serviteur: Qui est cet homme, qui vient dans les champs à notre rencontre? Et le serviteur répondit: C'est mon seigneur. Alors elle prit son voile, et se couvrit. 66 Le serviteur raconta à Isaac toutes les choses qu'il avait faites. 67 Isaac conduisit Rebecca dans la tente de Sara, sa mère; il prit Rebecca, qui devint sa femme, et il l'aima. Ainsi fut consolé Isaac, après avoir perdu sa mère.