| Chapitre 23 1 [Ny nahafatesan'i Saraha sy ny nandevenana azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha. 2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy. 3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe: 4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako. 5 Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe: 6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao. 7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany, 8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara, 9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. 10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe: 11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao. 12 Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama, 13 dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko. 14 Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: 15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao. 16 Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra. 17 Ary ny sahan'i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty 18 tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin'ny tanànany. 19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana; 20 ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
| | Chapitre 23 1 Sarah lived one hundred twenty-seven years. This was the length of Sarah’s life. 2 Sarah died in Kiriath Arba (the same is Hebron), in the land of Canaan. Abraham came to mourn for Sarah, and to weep for her. 3 Abraham rose up from before his dead, and spoke to the children of Heth, saying, 4 “I am a stranger and a foreigner living with you. Give me a possession of a burying-place with you, that I may bury my dead out of my sight.” 5 The children of Heth answered Abraham, saying to him, 6 “Hear us, my lord. You are a prince of God among us. Bury your dead in the best of our tombs. None of us will withhold from you his tomb. Bury your dead.” 7 Abraham rose up, and bowed himself to the people of the land, even to the children of Heth. 8 He talked with them, saying, “If it be your mind that I should bury my dead out of my sight, hear me, and entreat for me to Ephron the son of Zohar, 9 that he may give me the cave of Machpelah, which he has, which is in the end of his field. For the full price let him give it to me among you for a possession of a burying-place.” 10 Now Ephron was sitting in the middle of the children of Heth. Ephron the Hittite answered Abraham in the hearing of the children of Heth, even of all who went in at the gate of his city, saying, 11 “No, my lord, hear me. I give you the field, and I give you the cave that is in it. In the presence of the children of my people I give it to you. Bury your dead.” 12 Abraham bowed himself down before the people of the land. 13 He spoke to Ephron in the audience of the people of the land, saying, “But if you will, please hear me. I will give the price of the field. Take it from me, and I will bury my dead there.” 14 Ephron answered Abraham, saying to him, 15 “My lord, listen to me. What is a piece of land worth four hundred shekels of silver between me and you? Therefore bury your dead.” 16 Abraham listened to Ephron. Abraham weighed to Ephron the silver which he had named in the audience of the children of Heth, four hundred shekels of silver, according to the current merchants’ standard. 17 So the field of Ephron, which was in Machpelah, which was before Mamre, the field, the cave which was in it, and all the trees that were in the field, that were in all of its borders, were deeded 18 to Abraham for a possession in the presence of the children of Heth, before all who went in at the gate of his city. 19 After this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre (that is, Hebron), in the land of Canaan. 20 The field, and the cave that is in it, were deeded to Abraham for a possession of a burying place by the children of Heth.
| | Chapitre 23 1 La vie de Sara fut de cent vingt-sept ans: telles sont les années de la vie de Sara. 2 Sara mourut à Kirjath-Arba, qui est Hébron, dans le pays de Canaan; et Abraham vint pour mener deuil sur Sara et pour la pleurer. 3 Abraham se leva de devant son mort, et parla ainsi aux fils de Heth: 4 Je suis étranger et habitant parmi vous; donnez-moi la possession d'un sépulcre chez vous, pour enterrer mon mort et l'ôter de devant moi. 5 Les fils de Heth répondirent à Abraham, en lui disant: 6 Écoute-nous, mon seigneur! Tu es un prince de Dieu au milieu de nous; enterre ton mort dans celui de nos sépulcres que tu choisiras; aucun de nous ne te refusera son sépulcre pour enterrer ton mort. 7 Abraham se leva, et se prosterna devant le peuple du pays, devant les fils de Heth. 8 Et il leur parla ainsi: Si vous permettez que j'enterre mon mort et que je l'ôte de devant mes yeux, écoutez-moi, et priez pour moi Éphron, fils de Tsochar, 9 de me céder la caverne de Macpéla, qui lui appartient, à l'extrémité de son champ, de me la céder contre sa valeur en argent, afin qu'elle me serve de possession sépulcrale au milieu de vous. 10 Éphron était assis parmi les fils de Heth. Et Éphron, le Héthien, répondit à Abraham, en présence des fils de Heth et de tous ceux qui entraient par la porte de sa ville: 11 Non, mon seigneur, écoute-moi! Je te donne le champ, et je te donne la caverne qui y est. Je te les donne, aux yeux des fils de mon peuple: enterre ton mort. 12 Abraham se prosterna devant le peuple du pays. 13 Et il parla ainsi à Éphron, en présence du peuple du pays: Écoute-moi, je te prie! Je donne le prix du champ: accepte-le de moi; et j'y enterrerai mon mort. 14 Et Éphron répondit à Abraham, en lui disant: 15 Mon seigneur, écoute-moi! Une terre de quatre cents sicles d'argent, qu'est-ce que cela entre moi et toi? Enterre ton mort. 16 Abraham comprit Éphron; et Abraham pesa à Éphron l'argent qu'il avait dit, en présence des fils de Heth, quatre cents sicles d'argent ayant cours chez le marchand. 17 Le champ d'Éphron à Macpéla, vis-à-vis de Mamré, le champ et la caverne qui y est, et tous les arbres qui sont dans le champ et dans toutes ses limites alentour, 18 devinrent ainsi la propriété d'Abraham, aux yeux des fils de Heth et de tous ceux qui entraient par la porte de sa ville. 19 Après cela, Abraham enterra Sara, sa femme, dans la caverne du champ de Macpéla, vis-à-vis de Mamré, qui est Hébron, dans le pays de Canaan. 20 Le champ et la caverne qui y est demeurèrent à Abraham comme possession sépulcrale, acquise des fils de Heth.
| |