| Chapitre 19 1 [Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany. 2 Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. 3 Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. 4 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; 5 dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy. 6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony; 7 ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. 8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy. 9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. 10 Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. 11 Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo. 12 Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity; 13 fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. 14 Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy. 15 Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. 16 Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. 17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. 18 Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô! 19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; 20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko. 21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. 22 Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara. 23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. 24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra, 25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany. 26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. 27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah; 28 ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. 29 Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota. 30 [Ny niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy. 31 Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra; 32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika. 33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany. 34 Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika. 35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany. 36 Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy. 37 Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany. 38 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
| | Chapitre 19 1 The two angels came to Sodom at evening. Lot sat in the gate of Sodom. Lot saw them, and rose up to meet them. He bowed himself with his face to the earth, 2 and he said, “See now, my lords, please turn aside into your servant’s house, stay all night, wash your feet, and you can rise up early, and go on your way.” They said, “No, but we will stay in the street all night.” 3 He urged them greatly, and they came in with him, and entered into his house. He made them a feast, and baked unleavened bread, and they ate. 4 But before they lay down, the men of the city, the men of Sodom, surrounded the house, both young and old, all the people from every quarter. 5 They called to Lot, and said to him, “Where are the men who came in to you this night? Bring them out to us, that we may have sex with them.” 6 Lot went out to them to the door, and shut the door after him. 7 He said, “Please, my brothers, don’t act so wickedly. 8 See now, I have two virgin daughters. Please let me bring them out to you, and you may do to them what seems good to you. Only don’t do anything to these men, because they have come under the shadow of my roof.” 9 They said, “Stand back!” Then they said, “This one fellow came in to live as a foreigner, and he appoints himself a judge. Now will we deal worse with you, than with them!” They pressed hard on the man Lot, and drew near to break the door. 10 But the men reached out their hand, and brought Lot into the house to them, and shut the door. 11 They struck the men who were at the door of the house with blindness, both small and great, so that they wearied themselves to find the door. 12 The men said to Lot, “Do you have anybody else here? Sons-in-law, your sons, your daughters, and whoever you have in the city, bring them out of the place: 13 for we will destroy this place, because the outcry against them has grown great before Yahweh that Yahweh has sent us to destroy it.” 14 Lot went out, and spoke to his sons-in-law, who were pledged to marry his daughters, and said, “Get up! Get out of this place, for Yahweh will destroy the city.” But he seemed to his sons-in-law to be joking. 15 When the morning came, then the angels hurried Lot, saying, “Get up! Take your wife, and your two daughters who are here, lest you be consumed in the iniquity of the city.” 16 But he lingered; and the men grabbed his hand, his wife’s hand, and his two daughters’ hands, Yahweh being merciful to him; and they took him out, and set him outside of the city. 17 It came to pass, when they had taken them out, that he said, “Escape for your life! Don’t look behind you, and don’t stay anywhere in the plain. Escape to the mountains, lest you be consumed!” 18 Lot said to them, “Oh, not so, my lord. 19 See now, your servant has found favor in your sight, and you have magnified your loving kindness, which you have shown to me in saving my life. I can’t escape to the mountain, lest evil overtake me, and I die. 20 See now, this city is near to flee to, and it is a little one. Oh let me escape there (isn’t it a little one?), and my soul will live.” 21 He said to him, “Behold, I have granted your request concerning this thing also, that I will not overthrow the city of which you have spoken. 22 Hurry, escape there, for I can’t do anything until you get there.” Therefore the name of the city was called Zoar. 23 The sun had risen on the earth when Lot came to Zoar. 24 Then Yahweh rained on Sodom and on Gomorrah sulfur and fire from Yahweh out of the sky. 25 He overthrew those cities, all the plain, all the inhabitants of the cities, and that which grew on the ground. 26 But his wife looked back from behind him, and she became a pillar of salt. 27 Abraham got up early in the morning to the place where he had stood before Yahweh. 28 He looked toward Sodom and Gomorrah, and toward all the land of the plain, and looked, and saw that the smoke of the land went up as the smoke of a furnace. 29 It happened, when God destroyed the cities of the plain, that God remembered Abraham, and sent Lot out of the middle of the overthrow, when he overthrew the cities in which Lot lived. 30 Lot went up out of Zoar, and lived in the mountain, and his two daughters with him; for he was afraid to live in Zoar. He lived in a cave with his two daughters. 31 The firstborn said to the younger, “Our father is old, and there is not a man in the earth to come in to us in the way of all the earth. 32 Come, let’s make our father drink wine, and we will lie with him, that we may preserve our father’s seed.” 33 They made their father drink wine that night: and the firstborn went in, and lay with her father. He didn’t know when she lay down, nor when she arose. 34 It came to pass on the next day, that the firstborn said to the younger, “Behold, I lay last night with my father. Let us make him drink wine again, tonight. You go in, and lie with him, that we may preserve our father’s seed.” 35 They made their father drink wine that night also. The younger went and lay with him. He didn’t know when she lay down, nor when she got up. 36 Thus both of Lot’s daughters were with child by their father. 37 The firstborn bore a son, and named him Moab. He is the father of the Moabites to this day. 38 The younger also bore a son, and called his name Ben Ammi. He is the father of the children of Ammon to this day.
| | Chapitre 19 1 Les deux anges arrivèrent à Sodome sur le soir; et Lot était assis à la porte de Sodome. Quand Lot les vit, il se leva pour aller au-devant d'eux, et se prosterna la face contre terre. 2 Puis il dit: Voici, mes seigneurs, entrez, je vous prie, dans la maison de votre serviteur, et passez-y la nuit; lavez-vous les pieds; vous vous lèverez de bon matin, et vous poursuivrez votre route. Non, répondirent-ils, nous passerons la nuit dans la rue. 3 Mais Lot les pressa tellement qu'ils vinrent chez lui et entrèrent dans sa maison. Il leur donna un festin, et fit cuire des pains sans levain. Et ils mangèrent. 4 Ils n'étaient pas encore couchés que les gens de la ville, les gens de Sodome, entourèrent la maison, depuis les enfants jusqu'aux vieillards; toute la population était accourue. 5 Ils appelèrent Lot, et lui dirent: Où sont les hommes qui sont entrés chez toi cette nuit? Fais-les sortir vers nous, pour que nous les connaissions. 6 Lot sortit vers eux à l'entrée de la maison, et ferma la porte derrière lui. 7 Et il dit: Mes frères, je vous prie, ne faites pas le mal! 8 Voici, j'ai deux filles qui n'ont point connu d'homme; je vous les amènerai dehors, et vous leur ferez ce qu'il vous plaira. Seulement, ne faites rien à ces hommes puisqu'ils sont venus à l'ombre de mon toit. 9 Ils dirent: Retire-toi! Ils dirent encore: Celui-ci est venu comme étranger, et il veut faire le juge! Eh bien, nous te ferons pis qu'à eux. Et, pressant Lot avec violence, ils s'avancèrent pour briser la porte. 10 Les hommes étendirent la main, firent rentrer Lot vers eux dans la maison, et fermèrent la porte. 11 Et ils frappèrent d'aveuglement les gens qui étaient à l'entrée de la maison, depuis le plus petit jusqu'au plus grand, de sorte qu'ils se donnèrent une peine inutile pour trouver la porte. 12 Les hommes dirent à Lot: Qui as-tu encore ici? Gendres, fils et filles, et tout ce qui t'appartient dans la ville, fais-les sortir de ce lieu. 13 Car nous allons détruire ce lieu, parce que le cri contre ses habitants est grand devant l'Éternel. L'Éternel nous a envoyés pour le détruire. 14 Lot sortit, et parla à ses gendres qui avaient pris ses filles: Levez-vous, dit-il, sortez de ce lieu; car l'Éternel va détruire la ville. Mais, aux yeux de ses gendres, il parut plaisanter. 15 Dès l'aube du jour, les anges insistèrent auprès de Lot, en disant: Lève-toi, prends ta femme et tes deux filles qui se trouvent ici, de peur que tu ne périsses dans la ruine de la ville. 16 Et comme il tardait, les hommes le saisirent par la main, lui, sa femme et ses deux filles, car l'Éternel voulait l'épargner; ils l'emmenèrent, et le laissèrent hors de la ville. 17 Après les avoir fait sortir, l'un d'eux dit: Sauve-toi, pour ta vie; ne regarde pas derrière toi, et ne t'arrête pas dans toute la plaine; sauve-toi vers la montagne, de peur que tu ne périsses. 18 Lot leur dit: Oh! non, Seigneur! 19 Voici, j'ai trouvé grâce à tes yeux, et tu as montré la grandeur de ta miséricorde à mon égard, en me conservant la vie; mais je ne puis me sauver à la montagne, avant que le désastre m'atteigne, et je périrai. 20 Voici, cette ville est assez proche pour que je m'y réfugie, et elle est petite. Oh! que je puisse m'y sauver,... n'est-elle pas petite?... et que mon âme vive! 21 Et il lui dit: Voici, je t'accorde encore cette grâce, et je ne détruirai pas la ville dont tu parles. 22 Hâte-toi de t'y réfugier, car je ne puis rien faire jusqu'à ce que tu y sois arrivé. C'est pour cela que l'on a donné à cette ville le nom de Tsoar. 23 Le soleil se levait sur la terre, lorsque Lot entra dans Tsoar. 24 Alors l'Éternel fit pleuvoir du ciel sur Sodome et sur Gomorrhe du soufre et du feu, de par l'Éternel. 25 Il détruisit ces villes, toute la plaine et tous les habitants des villes, et les plantes de la terre. 26 La femme de Lot regarda en arrière, et elle devint une statue de sel. 27 Abraham se leva de bon matin, pour aller au lieu où il s'était tenu en présence de l'Éternel. 28 Il porta ses regards du côté de Sodome et de Gomorrhe, et sur tout le territoire de la plaine; et voici, il vit s'élever de la terre une fumée, comme la fumée d'une fournaise. 29 Lorsque Dieu détruisit les villes de la plaine, il se souvint d'Abraham; et il fit échapper Lot du milieu du désastre, par lequel il bouleversa les villes où Lot avait établi sa demeure. 30 Lot quitta Tsoar pour la hauteur, et se fixa sur la montagne, avec ses deux filles, car il craignait de rester à Tsoar. Il habita dans une caverne, lui et ses deux filles. 31 L'aînée dit à la plus jeune: Notre père est vieux; et il n'y a point d'homme dans la contrée, pour venir vers nous, selon l'usage de tous les pays. 32 Viens, faisons boire du vin à notre père, et couchons avec lui, afin que nous conservions la race de notre père. 33 Elles firent donc boire du vin à leur père cette nuit-là; et l'aînée alla coucher avec son père: il ne s'aperçut ni quand elle se coucha, ni quand elle se leva. 34 Le lendemain, l'aînée dit à la plus jeune: Voici, j'ai couché la nuit dernière avec mon père; faisons-lui boire du vin encore cette nuit, et va coucher avec lui, afin que nous conservions la race de notre père. 35 Elles firent boire du vin à leur père encore cette nuit-là; et la cadette alla coucher avec lui: il ne s'aperçut ni quand elle se coucha, ni quand elle se leva. 36 Les deux filles de Lot devinrent enceintes de leur père. 37 L'aînée enfanta un fils, qu'elle appela du nom de Moab: c'est le père des Moabites, jusqu'à ce jour. 38 La plus jeune enfanta aussi un fils, qu'elle appela du nom de Ben-Ammi: c'est le père des Ammonites, jusqu'à ce jour.
| |