| Chapitre 17 1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. 9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy. 15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. 16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy. 17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? 18 Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! 19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy. 20 Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. 21 Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. 22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama. 23 Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy. 24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy. 25 Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy. 26 Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany; 27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
| | Chapitre 17 1 When Abram was ninety-nine years old, Yahweh appeared to Abram, and said to him, “I am God Almighty. Walk before me, and be blameless. 2 I will make my covenant between me and you, and will multiply you exceedingly.” 3 Abram fell on his face. God talked with him, saying, 4 “As for me, behold, my covenant is with you. You will be the father of a multitude of nations. 5 Neither will your name any more be called Abram, but your name will be Abraham; for I have made you the father of a multitude of nations. 6 I will make you exceedingly fruitful, and I will make nations of you. Kings will come out of you. 7 I will establish my covenant between me and you and your seed after you throughout their generations for an everlasting covenant, to be a God to you and to your seed after you. 8 I will give to you, and to your seed after you, the land where you are traveling, all the land of Canaan, for an everlasting possession. I will be their God.” 9 God said to Abraham, “As for you, you will keep my covenant, you and your seed after you throughout their generations. 10 This is my covenant, which you shall keep, between me and you and your seed after you. Every male among you shall be circumcised. 11 You shall be circumcised in the flesh of your foreskin. It will be a token of the covenant between me and you. 12 He who is eight days old will be circumcised among you, every male throughout your generations, he who is born in the house, or bought with money from any foreigner who is not of your seed. 13 He who is born in your house, and he who is bought with your money, must be circumcised. My covenant will be in your flesh for an everlasting covenant. 14 The uncircumcised male who is not circumcised in the flesh of his foreskin, that soul shall be cut off from his people. He has broken my covenant.” 15 God said to Abraham, “As for Sarai your wife, you shall not call her name Sarai, but her name will be Sarah. 16 I will bless her, and moreover I will give you a son by her. Yes, I will bless her, and she will be a mother of nations. Kings of peoples will come from her.” 17 Then Abraham fell on his face, and laughed, and said in his heart, “Will a child be born to him who is one hundred years old? Will Sarah, who is ninety years old, give birth?” 18 Abraham said to God, “Oh that Ishmael might live before you!” 19 God said, “No, but Sarah, your wife, will bear you a son. You shall call his name Isaac. I will establish my covenant with him for an everlasting covenant for his seed after him. 20 As for Ishmael, I have heard you. Behold, I have blessed him, and will make him fruitful, and will multiply him exceedingly. He will become the father of twelve princes, and I will make him a great nation. 21 But my covenant I establish with Isaac, whom Sarah will bear to you at this set time next year.” 22 When he finished talking with him, God went up from Abraham. 23 Abraham took Ishmael his son, all who were born in his house, and all who were bought with his money; every male among the men of Abraham’s house, and circumcised the flesh of their foreskin in the same day, as God had said to him. 24 Abraham was ninety-nine years old, when he was circumcised in the flesh of his foreskin. 25 Ishmael, his son, was thirteen years old when he was circumcised in the flesh of his foreskin. 26 In the same day both Abraham and Ishmael, his son, were circumcised. 27 All the men of his house, those born in the house, and those bought with money of a foreigner, were circumcised with him.
| | Chapitre 17 1 Lorsque Abram fut âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, l'Éternel apparut à Abram, et lui dit: Je suis le Dieu tout-puissant. Marche devant ma face, et sois intègre. 2 J'établirai mon alliance entre moi et toi, et je te multiplierai à l'infini. 3 Abram tomba sur sa face; et Dieu lui parla, en disant: 4 Voici mon alliance, que je fais avec toi. Tu deviendras père d'une multitude de nations. 5 On ne t'appellera plus Abram; mais ton nom sera Abraham, car je te rends père d'une multitude de nations. 6 Je te rendrai fécond à l'infini, je ferai de toi des nations; et des rois sortiront de toi. 7 J'établirai mon alliance entre moi et toi, et tes descendants après toi, selon leurs générations: ce sera une alliance perpétuelle, en vertu de laquelle je serai ton Dieu et celui de ta postérité après toi. 8 Je te donnerai, et à tes descendants après toi, le pays que tu habites comme étranger, tout le pays de Canaan, en possession perpétuelle, et je serai leur Dieu. 9 Dieu dit à Abraham: Toi, tu garderas mon alliance, toi et tes descendants après toi, selon leurs générations. 10 C'est ici mon alliance, que vous garderez entre moi et vous, et ta postérité après toi: tout mâle parmi vous sera circoncis. 11 Vous vous circoncirez; et ce sera un signe d'alliance entre moi et vous. 12 A l'âge de huit jours, tout mâle parmi vous sera circoncis, selon vos générations, qu'il soit né dans la maison, ou qu'il soit acquis à prix d'argent de tout fils d'étranger, sans appartenir à ta race. 13 On devra circoncire celui qui est né dans la maison et celui qui est acquis à prix d'argent; et mon alliance sera dans votre chair une alliance perpétuelle. 14 Un mâle incirconcis, qui n'aura pas été circoncis dans sa chair, sera exterminé du milieu de son peuple: il aura violé mon alliance. 15 Dieu dit à Abraham: Tu ne donneras plus à Saraï, ta femme, le nom de Saraï; mais son nom sera Sara. 16 Je la bénirai, et je te donnerai d'elle un fils; je la bénirai, et elle deviendra des nations; des rois de peuples sortiront d'elle. 17 Abraham tomba sur sa face; il rit, et dit en son coeur: Naîtrait-il un fils à un homme de cent ans? et Sara, âgée de quatre-vingt-dix ans, enfanterait-elle? 18 Et Abraham dit à Dieu: Oh! qu'Ismaël vive devant ta face! 19 Dieu dit: Certainement Sara, ta femme, t'enfantera un fils; et tu l'appelleras du nom d'Isaac. J'établirai mon alliance avec lui comme une alliance perpétuelle pour sa postérité après lui. 20 A l'égard d'Ismaël, je t'ai exaucé. Voici, je le bénirai, je le rendrai fécond, et je le multiplierai à l'infini; il engendrera douze princes, et je ferai de lui une grande nation. 21 J'établirai mon alliance avec Isaac, que Sara t'enfantera à cette époque-ci de l'année prochaine. 22 Lorsqu'il eut achevé de lui parler, Dieu s'éleva au-dessus d'Abraham. 23 Abraham prit Ismaël, son fils, tous ceux qui étaient nés dans sa maison et tous ceux qu'il avait acquis à prix d'argent, tous les mâles parmi les gens de la maison d'Abraham; et il les circoncit ce même jour, selon l'ordre que Dieu lui avait donné. 24 Abraham était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, lorsqu'il fut circoncis. 25 Ismaël, son fils, était âgé de treize ans lorsqu'il fut circoncis. 26 Ce même jour, Abraham fut circoncis, ainsi qu'Ismaël, son fils. 27 Et tous les gens de sa maison, nés dans sa maison, ou acquis à prix d'argent des étrangers, furent circoncis avec lui.
| |