| Chapitre 15 1 [Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. 2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. 3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. 4 Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. 5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. 6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. 7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. 8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? 9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. 10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. 12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. 14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. 15 Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. 16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. 17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo. 18 Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, 19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita 21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
| | Chapitre 15 1 After these things the word of Yahweh came to Abram in a vision, saying, “Don’t be afraid, Abram. I am your shield, your exceedingly great reward.” 2 Abram said, “Lord Yahweh, what will you give me, since I go childless, and he who will inherit my estate is Eliezer of Damascus?” 3 Abram said, “Behold, to me you have given no seed: and, behold, one born in my house is my heir.” 4 Behold, the word of Yahweh came to him, saying, “This man will not be your heir, but he who will come out of your own body will be your heir.” 5 Yahweh brought him outside, and said, “Look now toward the sky, and count the stars, if you are able to count them.” He said to Abram, “So shall your seed be.” 6 He believed in Yahweh; and he reckoned it to him for righteousness. 7 He said to him, “I am Yahweh who brought you out of Ur of the Chaldees, to give you this land to inherit it.” 8 He said, “Lord Yahweh, how will I know that I will inherit it?” 9 He said to him, “Bring me a heifer three years old, a female goat three years old, a ram three years old, a turtledove, and a young pigeon.” 10 He brought him all of these, and divided them in the middle, and laid each half opposite the other; but he didn’t divide the birds. 11 The birds of prey came down on the carcasses, and Abram drove them away. 12 When the sun was going down, a deep sleep fell on Abram. Now terror and great darkness fell on him. 13 He said to Abram, “Know for sure that your seed will live as foreigners in a land that is not theirs, and will serve them. They will afflict them four hundred years. 14 I will also judge that nation, whom they will serve. Afterward they will come out with great wealth, 15 but you will go to your fathers in peace. You will be buried in a good old age. 16 In the fourth generation they will come here again, for the iniquity of the Amorite is not yet full.” 17 It came to pass that, when the sun went down, and it was dark, behold, a smoking furnace, and a flaming torch passed between these pieces. 18 In that day Yahweh made a covenant with Abram, saying, “To your seed I have given this land, from the river of Egypt to the great river, the river Euphrates: 19 the Kenites, the Kenizzites, the Kadmonites, 20 the Hittites, the Perizzites, the Rephaim, 21 the Amorites, the Canaanites, the Girgashites, and the Jebusites.”
| | Chapitre 15 1 Après ces événements, la parole de l'Éternel fut adressée à Abram dans une vision, et il dit: Abram, ne crains point; je suis ton bouclier, et ta récompense sera très grande. 2 Abram répondit: Seigneur Éternel, que me donneras-tu? Je m'en vais sans enfants; et l'héritier de ma maison, c'est Éliézer de Damas. 3 Et Abram dit: Voici, tu ne m'as pas donné de postérité, et celui qui est né dans ma maison sera mon héritier. 4 Alors la parole de l'Éternel lui fut adressée ainsi: Ce n'est pas lui qui sera ton héritier, mais c'est celui qui sortira de tes entrailles qui sera ton héritier. 5 Et après l'avoir conduit dehors, il dit: Regarde vers le ciel, et compte les étoiles, si tu peux les compter. Et il lui dit: Telle sera ta postérité. 6 Abram eut confiance en l'Éternel, qui le lui imputa à justice. 7 L'Éternel lui dit encore: Je suis l'Éternel, qui t'ai fait sortir d'Ur en Chaldée, pour te donner en possession ce pays. 8 Abram répondit: Seigneur Éternel, à quoi connaîtrai-je que je le posséderai? 9 Et l'Éternel lui dit: Prends une génisse de trois ans, une chèvre de trois ans, un bélier de trois ans, une tourterelle et une jeune colombe. 10 Abram prit tous ces animaux, les coupa par le milieu, et mit chaque morceau l'un vis-à-vis de l'autre; mais il ne partagea point les oiseaux. 11 Les oiseaux de proie s'abattirent sur les cadavres; et Abram les chassa. 12 Au coucher du soleil, un profond sommeil tomba sur Abram; et voici, une frayeur et une grande obscurité vinrent l'assaillir. 13 Et l'Éternel dit à Abram: Sache que tes descendants seront étrangers dans un pays qui ne sera point à eux; ils y seront asservis, et on les opprimera pendant quatre cents ans. 14 Mais je jugerai la nation à laquelle ils seront asservis, et ils sortiront ensuite avec de grandes richesses. 15 Toi, tu iras en paix vers tes pères, tu seras enterré après une heureuse vieillesse. 16 A la quatrième génération, ils reviendront ici; car l'iniquité des Amoréens n'est pas encore à son comble. 17 Quand le soleil fut couché, il y eut une obscurité profonde; et voici, ce fut une fournaise fumante, et des flammes passèrent entre les animaux partagés. 18 En ce jour-là, l'Éternel fit alliance avec Abram, et dit: Je donne ce pays à ta postérité, depuis le fleuve d'Égypte jusqu'au grand fleuve, au fleuve d'Euphrate, 19 le pays des Kéniens, des Keniziens, des Kadmoniens, 20 des Héthiens, des Phéréziens, des Rephaïm, 21 des Amoréens, des Cananéens, des Guirgasiens et des Jébusiens.
| |