T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 [Ny namaboana an'i Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama] Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,

2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).

3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).

4 Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.

5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima

6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany El­parana, izay eo anilan'ny efitra.

7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.

8 Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,

9 dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.

10 Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.

11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.

12 Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.

13 Ary tonga ny anankiray izay efa nando­sitra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.

14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.

15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.

16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.

17 Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.

18 Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.

19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;

20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

21 Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.

22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,

23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),

24 afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.


 

 

Chapitre 14

1 It happened in the days of Amraphel, king of Shinar, Arioch, king of Ellasar, Chedorlaomer, king of Elam, and Tidal, king of Goiim, 2 that they made war with Bera, king of Sodom, and with Birsha, king of Gomorrah, Shinab, king of Admah, and Shemeber, king of Zeboiim, and the king of Bela (the same is Zoar). 3 All these joined together in the valley of Siddim (the same is the Salt Sea). 4 Twelve years they served Chedorlaomer, and in the thirteenth year, they rebelled. 5 In the fourteenth year Chedorlaomer came, and the kings who were with him, and struck the Rephaim in Ashteroth Karnaim, and the Zuzim in Ham, and the Emim in Shaveh Kiriathaim, 6 and the Horites in their Mount Seir, to Elparan, which is by the wilderness. 7 They returned, and came to En Mishpat (the same is Kadesh), and struck all the country of the Amalekites, and also the Amorites, that lived in Hazazon Tamar. 8 The king of Sodom, and the king of Gomorrah, and the king of Admah, and the king of Zeboiim, and the king of Bela (the same is Zoar) went out; and they set the battle in array against them in the valley of Siddim; 9 against Chedorlaomer king of Elam, and Tidal king of Goiim, and Amraphel king of Shinar, and Arioch king of Ellasar; four kings against the five. 10 Now the valley of Siddim was full of tar pits; and the kings of Sodom and Gomorrah fled, and they fell there, and those who remained fled to the hills. 11 They took all the goods of Sodom and Gomorrah, and all their food, and went their way. 12 They took Lot, Abram’s brother’s son, who lived in Sodom, and his goods, and departed.

13 One who had escaped came and told Abram, the Hebrew. Now he lived by the oaks of Mamre, the Amorite, brother of Eshcol, and brother of Aner; and these were allies of Abram. 14 When Abram heard that his relative was taken captive, he led out his trained men, born in his house, three hundred and eighteen, and pursued as far as Dan. 15 He divided himself against them by night, he and his servants, and struck them, and pursued them to Hobah, which is on the left hand of Damascus. 16 He brought back all the goods, and also brought back his relative, Lot, and his goods, and the women also, and the people.

17 The king of Sodom went out to meet him, after his return from the slaughter of Chedorlaomer and the kings who were with him, at the valley of Shaveh (that is, the King’s Valley). 18 Melchizedek king of Salem brought out bread and wine: and he was priest of God Most High. 19 He blessed him, and said, “Blessed be Abram of God Most High, possessor of heaven and earth: 20 and blessed be God Most High, who has delivered your enemies into your hand.”

Abram gave him a tenth of all.

21 The king of Sodom said to Abram, “Give me the people, and take the goods to yourself.”

22 Abram said to the king of Sodom, “I have lifted up my hand to Yahweh, God Most High, possessor of heaven and earth, 23 that I will not take a thread nor a sandal strap nor anything that is yours, lest you should say, ‘I have made Abram rich.’ 24 I will accept nothing from you except that which the young men have eaten, and the portion of the men who went with me: Aner, Eshcol, and Mamre. Let them take their portion.”


 

Chapitre 14
1 Dans le temps d'Amraphel, roi de Schinear, d'Arjoc, roi d'Ellasar, de Kedorlaomer, roi d'Élam, et de Tideal, roi de Gojim, 2 il arriva qu'ils firent la guerre à Béra, roi de Sodome, à Birscha, roi de Gomorrhe, à Schineab, roi d'Adma, à Schémeéber, roi de Tseboïm, et au roi de Béla, qui est Tsoar. 3 Ces derniers s'assemblèrent tous dans la vallée de Siddim, qui est la mer Salée. 4 Pendant douze ans, ils avaient été soumis à Kedorlaomer; et la treizième année, ils s'étaient révoltés. 5 Mais, la quatorzième année, Kedorlaomer et les rois qui étaient avec lui se mirent en marche, et ils battirent les Rephaïm à Aschteroth-Karnaïm, les Zuzim à Ham, les Émim à Schavé-Kirjathaïm, 6 et les Horiens dans leur montagne de Séir, jusqu'au chêne de Paran, qui est près du désert. 7 Puis ils s'en retournèrent, vinrent à En-Mischpath, qui est Kadès, et battirent les Amalécites sur tout leur territoire, ainsi que les Amoréens établis à Hatsatson-Thamar. 8 Alors s'avancèrent le roi de Sodome, le roi de Gomorrhe, le roi d'Adma, le roi de Tseboïm, et le roi de Béla, qui est Tsoar; et ils se rangèrent en bataille contre eux, dans la vallée de Siddim, 9 contre Kedorlaomer, roi d'Élam, Tideal, roi de Gojim, Amraphel, roi de Schinear, et Arjoc, roi d'Ellasar: quatre rois contre cinq. 10 La vallée de Siddim était couverte de puits de bitume; le roi de Sodome et celui de Gomorrhe prirent la fuite, et y tombèrent; le reste s'enfuit vers la montagne. 11 Les vainqueurs enlevèrent toutes les richesses de Sodome et de Gomorrhe, et toutes leurs provisions; et ils s'en allèrent. 12 Ils enlevèrent aussi, avec ses biens, Lot, fils du frère d'Abram, qui demeurait à Sodome; et ils s'en allèrent. 13 Un fuyard vint l'annoncer à Abram, l'Hébreu; celui-ci habitait parmi les chênes de Mamré, l'Amoréen, frère d'Eschcol et frère d'Aner, qui avaient fait alliance avec Abram. 14 Dès qu'Abram eut appris que son frère avait été fait prisonnier, il arma trois cent dix-huit de ses plus braves serviteurs, nés dans sa maison, et il poursuivit les rois jusqu'à Dan. 15 Il divisa sa troupe, pour les attaquer de nuit, lui et ses serviteurs; il les battit, et les poursuivit jusqu'à Choba, qui est à la gauche de Damas. 16 Il ramena toutes les richesses; il ramena aussi Lot, son frère, avec ses biens, ainsi que les femmes et le peuple. 17 Après qu'Abram fut revenu vainqueur de Kedorlaomer et des rois qui étaient avec lui, le roi de Sodome sortit à sa rencontre dans la vallée de Schavé, qui est la vallée du roi. 18 Melchisédek, roi de Salem, fit apporter du pain et du vin: il était sacrificateur du Dieu Très-Haut. 19 Il bénit Abram, et dit: Béni soit Abram par le Dieu Très-Haut, maître du ciel et de la terre! 20 Béni soit le Dieu Très-Haut, qui a livré tes ennemis entre tes mains! Et Abram lui donna la dîme de tout. 21 Le roi de Sodome dit à Abram: Donne-moi les personnes, et prends pour toi les richesses. 22 Abram répondit au roi de Sodome: Je lève la main vers l'Éternel, le Dieu Très-Haut, maître du ciel et de la terre: 23 je ne prendrai rien de tout ce qui est à toi, pas même un fil, ni un cordon de soulier, afin que tu ne dises pas: J'ai enrichi Abram. Rien pour moi! 24 Seulement, ce qu'ont mangé les jeunes gens, et la part des hommes qui ont marché avec moi, Aner, Eschcol et Mamré: eux, ils prendront leur part.