| Chapitre 13 1 [Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo. 2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena. 3 Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay, 4 dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama. 5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. 6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. 7 Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. 8 Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. 9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho. 10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. 11 Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. 12 Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. 13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah. 14 Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; 15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. 16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. 17 Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy. 18 Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
| | Chapitre 13 1 Abram went up out of Egypt: he, his wife, all that he had, and Lot with him, into the South. 2 Abram was very rich in livestock, in silver, and in gold. 3 He went on his journeys from the South even to Bethel, to the place where his tent had been at the beginning, between Bethel and Ai, 4 to the place of the altar, which he had made there at the first. There Abram called on the name of Yahweh. 5 Lot also, who went with Abram, had flocks, and herds, and tents. 6 The land was not able to bear them, that they might live together: for their substance was great, so that they could not live together. 7 There was a strife between the herdsmen of Abram’s livestock and the herdsmen of Lot’s livestock: and the Canaanite and the Perizzite lived in the land at that time. 8 Abram said to Lot, “Please, let there be no strife between me and you, and between my herdsmen and your herdsmen; for we are relatives. 9 Isn’t the whole land before you? Please separate yourself from me. If you go to the left hand, then I will go to the right. Or if you go to the right hand, then I will go to the left.” 10 Lot lifted up his eyes, and saw all the plain of the Jordan, that it was well-watered everywhere, before Yahweh destroyed Sodom and Gomorrah, like the garden of Yahweh, like the land of Egypt, as you go to Zoar. 11 So Lot chose the Plain of the Jordan for himself. Lot traveled east, and they separated themselves the one from the other. 12 Abram lived in the land of Canaan, and Lot lived in the cities of the plain, and moved his tent as far as Sodom. 13 Now the men of Sodom were exceedingly wicked and sinners against Yahweh. 14 Yahweh said to Abram, after Lot was separated from him, “Now, lift up your eyes, and look from the place where you are, northward and southward and eastward and westward, 15 for all the land which you see, I will give to you, and to your offspring forever. 16 I will make your offspring as the dust of the earth, so that if a man can number the dust of the earth, then your seed may also be numbered. 17 Arise, walk through the land in its length and in its breadth; for I will give it to you.” 18 Abram moved his tent, and came and lived by the oaks of Mamre, which are in Hebron, and built an altar there to Yahweh.
| | Chapitre 13 1 Abram remonta d'Égypte vers le midi, lui, sa femme, et tout ce qui lui appartenait, et Lot avec lui. 2 Abram était très riche en troupeaux, en argent et en or. 3 Il dirigea ses marches du midi jusqu'à Béthel, jusqu'au lieu où était sa tente au commencement, entre Béthel et Aï, 4 au lieu où était l'autel qu'il avait fait précédemment. Et là, Abram invoqua le nom de l'Éternel. 5 Lot, qui voyageait avec Abram, avait aussi des brebis, des boeufs et des tentes. 6 Et la contrée était insuffisante pour qu'ils demeurassent ensemble, car leurs biens étaient si considérables qu'ils ne pouvaient demeurer ensemble. 7 Il y eut querelle entre les bergers des troupeaux d'Abram et les bergers des troupeaux de Lot. Les Cananéens et les Phérésiens habitaient alors dans le pays. 8 Abram dit à Lot: Qu'il n'y ait point, je te prie, de dispute entre moi et toi, ni entre mes bergers et tes bergers; car nous sommes frères. 9 Tout le pays n'est-il pas devant toi? Sépare-toi donc de moi: si tu vas à gauche, j'irai à droite; si tu vas à droite, j'irai à gauche. 10 Lot leva les yeux, et vit toute la plaine du Jourdain, qui était entièrement arrosée. Avant que l'Éternel eût détruit Sodome et Gomorrhe, c'était, jusqu'à Tsoar, comme un jardin de l'Éternel, comme le pays d'Égypte. 11 Lot choisit pour lui toute la plaine du Jourdain, et il s'avança vers l'orient. C'est ainsi qu'ils se séparèrent l'un de l'autre. 12 Abram habita dans le pays de Canaan; et Lot habita dans les villes de la plaine, et dressa ses tentes jusqu'à Sodome. 13 Les gens de Sodome étaient méchants, et de grands pécheurs contre l'Éternel. 14 L'Éternel dit à Abram, après que Lot se fut séparé de lui: Lève les yeux, et, du lieu où tu es, regarde vers le nord et le midi, vers l'orient et l'occident; 15 car tout le pays que tu vois, je le donnerai à toi et à ta postérité pour toujours. 16 Je rendrai ta postérité comme la poussière de la terre, en sorte que, si quelqu'un peut compter la poussière de la terre, ta postérité aussi sera comptée. 17 Lève-toi, parcours le pays dans sa longueur et dans sa largeur; car je te le donnerai. 18 Abram leva ses tentes, et vint habiter parmi les chênes de Mamré, qui sont près d'Hébron. Et il bâtit là un autel à l'Éternel.
| |