| Chapitre 12 1 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. 5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy. 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. 7 Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy. 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah. 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo. 10 Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany. 11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, 12 ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. 13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy. 14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. 15 Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy. 16 Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. 17 Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama. 18 Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? 19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana. 20 Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
| | Chapitre 12 1 Now Yahweh said to Abram, “Get out of your country, and from your relatives, and from your father’s house, to the land that I will show you. 2 I will make of you a great nation. I will bless you and make your name great. You will be a blessing. 3 I will bless those who bless you, and I will curse him who curses you. All of the families of the earth will be blessed in you.” 4 So Abram went, as Yahweh had spoken to him. Lot went with him. Abram was seventy-five years old when he departed out of Haran. 5 Abram took Sarai his wife, Lot his brother’s son, all their substance that they had gathered, and the souls whom they had gotten in Haran, and they went to go into the land of Canaan. Into the land of Canaan they came. 6 Abram passed through the land to the place of Shechem, to the oak of Moreh. The Canaanite was then in the land. 7 Yahweh appeared to Abram and said, “I will give this land to your seed.” He built an altar there to Yahweh, who appeared to him. 8 He left from there to the mountain on the east of Bethel, and pitched his tent, having Bethel on the west, and Ai on the east. There he built an altar to Yahweh and called on the name of Yahweh. 9 Abram traveled, going on still toward the South. 10 There was a famine in the land. Abram went down into Egypt to live as a foreigner there, for the famine was severe in the land. 11 It happened, when he had come near to enter Egypt, that he said to Sarai his wife, “See now, I know that you are a beautiful woman to look at. 12 It will happen, when the Egyptians will see you, that they will say, ‘This is his wife.’ They will kill me, but they will save you alive. 13 Please say that you are my sister, that it may be well with me for your sake, and that my soul may live because of you.” 14 It happened that when Abram had come into Egypt, the Egyptians saw that the woman was very beautiful. 15 The princes of Pharaoh saw her, and praised her to Pharaoh; and the woman was taken into Pharaoh’s house. 16 He dealt well with Abram for her sake. He had sheep, cattle, male donkeys, male servants, female servants, female donkeys, and camels. 17 Yahweh plagued Pharaoh and his house with great plagues because of Sarai, Abram’s wife. 18 Pharaoh called Abram and said, “What is this that you have done to me? Why didn’t you tell me that she was your wife? 19 Why did you say, ‘She is my sister,’ so that I took her to be my wife? Now therefore, see your wife, take her, and go your way.” 20 Pharaoh commanded men concerning him, and they brought him on the way with his wife and all that he had.
| | Chapitre 12 1 L'Éternel dit à Abram: Va-t-en de ton pays, de ta patrie, et de la maison de ton père, dans le pays que je te montrerai. 2 Je ferai de toi une grande nation, et je te bénirai; je rendrai ton nom grand, et tu seras une source de bénédiction. 3 Je bénirai ceux qui te béniront, et je maudirai ceux qui te maudiront; et toutes les familles de la terre seront bénies en toi. 4 Abram partit, comme l'Éternel le lui avait dit, et Lot partit avec lui. Abram était âgé de soixante-quinze ans, lorsqu'il sortit de Charan. 5 Abram prit Saraï, sa femme, et Lot, fils de son frère, avec tous les biens qu'ils possédaient et les serviteurs qu'ils avaient acquis à Charan. Ils partirent pour aller dans le pays de Canaan, et ils arrivèrent au pays de Canaan. 6 Abram parcourut le pays jusqu'au lieu nommé Sichem, jusqu'aux chênes de Moré. Les Cananéens étaient alors dans le pays. 7 L'Éternel apparut à Abram, et dit: Je donnerai ce pays à ta postérité. Et Abram bâtit là un autel à l'Éternel, qui lui était apparu. 8 Il se transporta de là vers la montagne, à l'orient de Béthel, et il dressa ses tentes, ayant Béthel à l'occident et Aï à l'orient. Il bâtit encore là un autel à l'Éternel, et il invoqua le nom de l'Éternel. 9 Abram continua ses marches, en s'avançant vers le midi. 10 Il y eut une famine dans le pays; et Abram descendit en Égypte pour y séjourner, car la famine était grande dans le pays. 11 Comme il était près d'entrer en Égypte, il dit à Saraï, sa femme: Voici, je sais que tu es une femme belle de figure. 12 Quand les Égyptiens te verront, ils diront: C'est sa femme! Et ils me tueront, et te laisseront la vie. 13 Dis, je te prie, que tu es ma soeur, afin que je sois bien traité à cause de toi, et que mon âme vive grâce à toi. 14 Lorsque Abram fut arrivé en Égypte, les Égyptiens virent que la femme était fort belle. 15 Les grands de Pharaon la virent aussi et la vantèrent à Pharaon; et la femme fut emmenée dans la maison de Pharaon. 16 Il traita bien Abram à cause d'elle; et Abram reçut des brebis, des boeufs, des ânes, des serviteurs et des servantes, des ânesses, et des chameaux. 17 Mais l'Éternel frappa de grandes plaies Pharaon et sa maison, au sujet de Saraï, femme d'Abram. 18 Alors Pharaon appela Abram, et dit: Qu'est-ce que tu m'as fait? Pourquoi ne m'as-tu pas déclaré que c'est ta femme? 19 Pourquoi as-tu dit: C'est ma soeur? Aussi l'ai-je prise pour ma femme. Maintenant, voici ta femme, prends-la, et va-t-en! 20 Et Pharaon donna ordre à ses gens de le renvoyer, lui et sa femme, avec tout ce qui lui appartenait.
| |