T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.

2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.

3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.

4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.

5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.

6 Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.

7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.

8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

 

10 [Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.

11 Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.

13 Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.

15 Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.

17 Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,

19 Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.

21 Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,

23 Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.

25 Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

 

26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:

 

27 [Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.

28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.

29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.

30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.

31 Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.

32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.

 

Chapitre 11

1 The whole earth was of one language and of one speech. 2 It happened, as they traveled east, that they found a plain in the land of Shinar, and they lived there. 3 They said one to another, “Come, let’s make bricks, and burn them thoroughly.” They had brick for stone, and they used tar for mortar. 4 They said, “Come, let’s build ourselves a city, and a tower whose top reaches to the sky, and let’s make ourselves a name, lest we be scattered abroad on the surface of the whole earth.”

5 Yahweh came down to see the city and the tower, which the children of men built. 6 Yahweh said, “Behold, they are one people, and they have all one language, and this is what they begin to do. Now nothing will be withheld from them, which they intend to do. 7 Come, let’s go down, and there confuse their language, that they may not understand one another’s speech.” 8 So Yahweh scattered them abroad from there on the surface of all the earth. They stopped building the city. 9 Therefore its name was called Babel, because there Yahweh confused the language of all the earth. From there, Yahweh scattered them abroad on the surface of all the earth.

10 This is the history of the generations of Shem. Shem was one hundred years old and became the father of Arpachshad two years after the flood. 11 Shem lived five hundred years after he became the father of Arpachshad, and became the father of sons and daughters.

12 Arpachshad lived thirty-five years and became the father of Shelah. 13 Arpachshad lived four hundred three years after he became the father of Shelah, and became the father of sons and daughters.

14 Shelah lived thirty years, and became the father of Eber: 15 and Shelah lived four hundred three years after he became the father of Eber, and became the father of sons and daughters.

16 Eber lived thirty-four years, and became the father of Peleg. 17 Eber lived four hundred thirty years after he became the father of Peleg, and became the father of sons and daughters.

18 Peleg lived thirty years, and became the father of Reu. 19 Peleg lived two hundred nine years after he became the father of Reu, and became the father of sons and daughters.

20 Reu lived thirty-two years, and became the father of Serug. 21 Reu lived two hundred seven years after he became the father of Serug, and became the father of sons and daughters.

22 Serug lived thirty years, and became the father of Nahor. 23 Serug lived two hundred years after he became the father of Nahor, and became the father of sons and daughters.

24 Nahor lived twenty-nine years, and became the father of Terah. 25 Nahor lived one hundred nineteen years after he became the father of Terah, and became the father of sons and daughters.

26 Terah lived seventy years, and became the father of Abram, Nahor, and Haran.

27 Now this is the history of the generations of Terah. Terah became the father of Abram, Nahor, and Haran. Haran became the father of Lot. 28 Haran died before his father Terah in the land of his birth, in Ur of the Chaldees. 29 Abram and Nahor took wives. The name of Abram’s wife was Sarai, and the name of Nahor’s wife, Milcah, the daughter of Haran who was also the father of Iscah. 30 Sarai was barren. She had no child. 31 Terah took Abram his son, Lot the son of Haran, his son’s son, and Sarai his daughter-in-law, his son Abram’s wife. They went from Ur of the Chaldees, to go into the land of Canaan. They came to Haran and lived there. 32 The days of Terah were two hundred five years. Terah died in Haran.


 

Chapitre 11
1 Toute la terre avait une seule langue et les mêmes mots. 2 Comme ils étaient partis de l'orient, ils trouvèrent une plaine au pays de Schinear, et ils y habitèrent. 3 Ils se dirent l'un à l'autre: Allons! faisons des briques, et cuisons-les au feu. Et la brique leur servit de pierre, et le bitume leur servit de ciment. 4 Ils dirent encore: Allons! bâtissons-nous une ville et une tour dont le sommet touche au ciel, et faisons-nous un nom, afin que nous ne soyons pas dispersés sur la face de toute la terre. 5 L'Éternel descendit pour voir la ville et la tour que bâtissaient les fils des hommes. 6 Et l'Éternel dit: Voici, ils forment un seul peuple et ont tous une même langue, et c'est là ce qu'ils ont entrepris; maintenant rien ne les empêcherait de faire tout ce qu'ils auraient projeté. 7 Allons! descendons, et là confondons leur langage, afin qu'ils n'entendent plus la langue, les uns des autres. 8 Et l'Éternel les dispersa loin de là sur la face de toute la terre; et ils cessèrent de bâtir la ville. 9 C'est pourquoi on l'appela du nom de Babel, car c'est là que l'Éternel confondit le langage de toute la terre, et c'est de là que l'Éternel les dispersa sur la face de toute la terre. 10 Voici la postérité de Sem. Sem, âgé de cent ans, engendra Arpacschad, deux ans après le déluge. 11 Sem vécut, après la naissance d'Arpacschad, cinq cents ans; et il engendra des fils et des filles. 12 Arpacschad, âgé de trente-cinq ans, engendra Schélach. 13 Arpacschad vécut, après la naissance de Schélach, quatre cent trois ans; et il engendra des fils et des filles. 14 Schélach, âgé de trente ans, engendra Héber. 15 Schélach vécut, après la naissance d'Héber, quatre cent trois ans; et il engendra des fils et des filles. 16 Héber, âgé de trente-quatre ans, engendra Péleg. 17 Héber vécut, après la naissance de Péleg, quatre cent trente ans; et il engendra des fils et des filles. 18 Péleg, âgé de trente ans, engendra Rehu. 19 Péleg vécut, après la naissance de Rehu, deux cent neuf ans; et il engendra des fils et des filles. 20 Rehu, âgé de trente-deux ans, engendra Serug. 21 Rehu vécut, après la naissance de Serug, deux cent sept ans; et il engendra des fils et des filles. 22 Serug, âgé de trente ans, engendra Nachor. 23 Serug vécut, après la naissance de Nachor, deux cents ans; et il engendra des fils et des filles. 24 Nachor, âgé de vingt-neuf ans, engendra Térach. 25 Nachor vécut, après la naissance de Térach, cent dix-neuf ans; et il engendra des fils et des filles. 26 Térach, âgé de soixante-dix ans, engendra Abram, Nachor et Haran. 27 Voici la postérité de Térach. Térach engendra Abram, Nachor et Haran. -Haran engendra Lot. 28 Et Haran mourut en présence de Térach, son père, au pays de sa naissance, à Ur en Chaldée. - 29 Abram et Nachor prirent des femmes: le nom de la femme d'Abram était Saraï, et le nom de la femme de Nachor était Milca, fille d'Haran, père de Milca et père de Jisca. 30 Saraï était stérile: elle n'avait point d'enfants. 31 Térach prit Abram, son fils, et Lot, fils d'Haran, fils de son fils, et Saraï, sa belle-fille, femme d'Abram, son fils. Ils sortirent ensemble d'Ur en Chaldée, pour aller au pays de Canaan. Ils vinrent jusqu'à Charan, et ils y habitèrent. 32 Les jours de Térach furent de deux cent cinq ans; et Térach mourut à Charan.