T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

2 [Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.

3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.

4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan']

6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?

8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.

9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.

10 Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.

11 Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.

12 Enga anie ka hiesotra* aza izay mampitabataba anareo. [* Na: hanakilema tena]

13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.

14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.

16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.

18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.

25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.

 

Chapitre 5

5:1 Stand firm therefore in the liberty by which Christ has made us free, and don’t be entangled again with a yoke of bondage.

5:2 Behold, I, Paul, tell you that if you receive circumcision, Christ will profit you nothing.

5:3 Yes, I testify again to every man who receives circumcision, that he is a debtor to do the whole law.

5:4 You are alienated from Christ, you who desire to be justified by the law. You have fallen away from grace.

5:5 For we, through the Spirit, by faith wait for the hope of righteousness.

5:6 For in Christ Jesus neither circumcision amounts to anything, nor uncircumcision, but faith working through love.

5:7 You were running well! Who interfered with you that you should not obey the truth?

5:8 This persuasion is not from him who calls you.

5:9 A little yeast grows through the whole lump. 5:10 I have confidence toward you in the Lord that you will think no other way. But he who troubles you will bear his judgment, whoever he is.

5:11 But I, brothers, if I still preach circumcision, why am I still persecuted? Then the stumbling block of the cross has been removed.

5:12 I wish that those who disturb you would cut themselves off.

5:13 For you, brothers, were called for freedom. Only don’t use your freedom for gain to the flesh, but through love be servants to one another.

5:14 For the whole law is fulfilled in one word, in this: “You shall love your neighbor as yourself.”*

5:15 But if you bite and devour one another, be careful that you don’t consume one another. 5:16 But I say, walk by the Spirit, and you won’t fulfill the lust of the flesh. 5:17 For the flesh lusts against the Spirit, and the Spirit against the flesh; and these are contrary to one another, that you may not do the things that you desire. 5:18 But if you are led by the Spirit, you are not under the law. 5:19 Now the works of the flesh are obvious, which are: adultery, sexual immorality, uncleanness, lustfulness, 5:20 idolatry, sorcery, hatred, strife, jealousies, outbursts of anger, rivalries, divisions, heresies, 5:21 envyings, murders, drunkenness, orgies, and things like these; of which I forewarn you, even as I also forewarned you, that those who practice such things will not inherit the Kingdom of God.

5:22 But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, patience, kindness, goodness, faith, 5:23 gentleness, and self-control. Against such things there is no law. 5:24 Those who belong to Christ have crucified the flesh with its passions and lusts. 5:25 If we live by the Spirit, let’s also walk by the Spirit. 5:26 Let’s not become conceited, provoking one another, and envying one another.

 

Chapitre 5

1 C'est pour la liberté que Christ nous a affranchis. Demeurez donc fermes, et ne vous laissez pas mettre de nouveau sous le joug de la servitude.

2 Voici, moi Paul, je vous dis que, si vous vous faites circoncire, Christ ne vous servira de rien.

3 Et je proteste encore une fois à tout homme qui se fait circoncire, qu'il est tenu de pratiquer la loi tout entière.

4 Vous êtes séparés de Christ, vous tous qui cherchez la justification dans la loi; vous êtes déchus de la grâce.

5 Pour nous, c'est de la foi que nous attendons, par l'Esprit, l'espérance de la justice.

6 Car, en Jésus-Christ, ni la circoncision ni l'incirconcision n'a de valeur, mais la foi qui est agissante par la charité.

7 Vous couriez bien: qui vous a arrêtés, pour vous empêcher d'obéir à la vérité? 8 Cette influence ne vient pas de celui qui vous appelle.

9 Un peu de levain fait lever toute la pâte.

10 J'ai cette confiance en vous, dans le Seigneur, que vous ne penserez pas autrement. Mais celui qui vous trouble, quel qu'il soit, en portera la peine.

11 Pour moi, frères, si je prêche encore la circoncision, pourquoi suis-je encore persécuté? Le scandale de la croix a donc disparu!

12 Puissent-ils être retranchés, ceux qui mettent le trouble parmi vous!

13 Frères, vous avez été appelés à la liberté, seulement ne faites pas de cette liberté un prétexte de vivre selon la chair; mais rendez-vous, par la charité, serviteurs les uns des autres.

14 Car toute la loi est accomplie dans une seule parole, dans celle-ci: Tu aimeras ton prochain comme toi-même.

15 Mais si vous vous mordez et vous dévorez les uns les autres, prenez garde que vous ne soyez détruits les uns par les autres.

16 Je dis donc: Marchez selon l'Esprit, et vous n'accomplirez pas les désirs de la chair. 17 Car la chair a des désirs contraires à ceux de l'Esprit, et l'Esprit en a de contraires à ceux de la chair; ils sont opposés entre eux, afin que vous ne fassiez point ce que vous voudriez. 18 Si vous êtes conduits par l'Esprit, vous n'êtes point sous la loi. 19 Or, les oeuvres de la chair sont manifestes, ce sont l'impudicité, l'impureté, la dissolution, 20 l'idolâtrie, la magie, les inimitiés, les querelles, les jalousies, les animosités, les disputes, les divisions, les sectes, 21 l'envie, l'ivrognerie, les excès de table, et les choses semblables. Je vous dis d'avance, comme je l'ai déjà dit, que ceux qui commettent de telles choses n'hériteront point le royaume de Dieu. 22 Mais le fruit de l'Esprit, c'est l'amour, la joie, la paix, la patience, la bonté, la bénignité, la fidélité, 23 (5:22) la douceur, la tempérance; (5:23) la loi n'est pas contre ces choses. 24 Ceux qui sont à Jésus-Christ ont crucifié la chair avec ses passions et ses désirs. 25 Si nous vivons par l'Esprit, marchons aussi selon l'Esprit. 26 Ne cherchons pas une vaine gloire, en nous provoquant les uns les autres, en nous portant envie les uns aux autres.