| Chapitre 4 1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2 fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; 4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, 5 hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. 7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. 8 Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; 9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? 10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. 11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. 12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo; 13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; 14 ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. 15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. 16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? 17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. 18 Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. 19 Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, 20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. 21 Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? 22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. 23 Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. 24 Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. 25 Ary* ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na: (Fa)] 26 Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. 27 Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1). 28 Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. 29 Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. 30 Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10). 31 Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
| | Chapitre 4 4:1 But I say that so long as the heir is a child, he is no different from a bondservant, though he is lord of all; 4:2 but is under guardians and stewards until the day appointed by the father. 4:3 So we also, when we were children, were held in bondage under the elemental principles of the world. 4:4 But when the fullness of the time came, God sent out his Son, born to a woman, born under the law, 4:5 that he might redeem those who were under the law, that we might receive the adoption of children. 4:6 And because you are children, God sent out the Spirit of his Son into your hearts, crying, “Abba, Father!” 4:7 So you are no longer a bondservant, but a son; and if a son, then an heir of God through Christ. 4:8 However at that time, not knowing God, you were in bondage to those who by nature are not gods. 4:9 But now that you have come to know God, or rather to be known by God, why do you turn back again to the weak and miserable elemental principles, to which you desire to be in bondage all over again? 4:10 You observe days, months, seasons, and years. 4:11 I am afraid for you, that I might have wasted my labor for you. 4:12 I beg you, brothers, become as I am, for I also have become as you are. You did me no wrong, 4:13 but you know that because of weakness of the flesh I preached the Good News to you the first time. 4:14 That which was a temptation to you in my flesh, you didn’t despise nor reject; but you received me as an angel of God, even as Christ Jesus. 4:15 What was the blessing you enjoyed? For I testify to you that, if possible, you would have plucked out your eyes and given them to me. 4:16 So then, have I become your enemy by telling you the truth? 4:17 They zealously seek you in no good way. No, they desire to alienate you, that you may seek them. 4:18 But it is always good to be zealous in a good cause, and not only when I am present with you. 4:19 My little children, of whom I am again in travail until Christ is formed in you— 4:20 but I could wish to be present with you now, and to change my tone, for I am perplexed about you. 4:21 Tell me, you that desire to be under the law, don’t you listen to the law? 4:22 For it is written that Abraham had two sons, one by the handmaid, and one by the free woman. 4:23 However, the son by the handmaid was born according to the flesh, but the son by the free woman was born through promise. 4:24 These things contain an allegory, for these are two covenants. One is from Mount Sinai, bearing children to bondage, which is Hagar. 4:25 For this Hagar is Mount Sinai in Arabia, and answers to the Jerusalem that exists now, for she is in bondage with her children. 4:26 But the Jerusalem that is above is free, which is the mother of us all. 4:27 For it is written, “Rejoice, you barren who don’t bear. Break forth and shout, you that don’t travail. For more are the children of the desolate than of her who has a husband.”* 4:28 Now we, brothers, as Isaac was, are children of promise. 4:29 But as then, he who was born according to the flesh persecuted him who was born according to the Spirit, so also it is now. 4:30 However what does the Scripture say? “Throw out the handmaid and her son, for the son of the handmaid will not inherit with the son of the free woman.”* 4:31 So then, brothers, we are not children of a handmaid, but of the free woman.
| | Chapitre 4 1 Or, aussi longtemps que l'héritier est enfant, je dis qu'il ne diffère en rien d'un esclave, quoiqu'il soit le maître de tout; 2 mais il est sous des tuteurs et des administrateurs jusqu'au temps marqué par le père. 3 Nous aussi, de la même manière, lorsque nous étions enfants, nous étions sous l'esclavage des rudiments du monde; 4 mais, lorsque les temps ont été accomplis, Dieu a envoyé son Fils, né d'une femme, né sous la loi, 5 afin qu'il rachetât ceux qui étaient sous la loi, afin que nous reçussions l'adoption. 6 Et parce que vous êtes fils, Dieu a envoyé dans nos coeurs l'Esprit de son Fils, lequel crie: Abba! Père! 7 Ainsi tu n'es plus esclave, mais fils; et si tu es fils, tu es aussi héritier par la grâce de Dieu. 8 Autrefois, ne connaissant pas Dieu, vous serviez des dieux qui ne le sont pas de leur nature; 9 mais à présent que vous avez connu Dieu, ou plutôt que vous avez été connus de Dieu, comment retournez-vous à ces faibles et pauvres rudiments, auxquels de nouveau vous voulez vous asservir encore? 10 Vous observez les jours, les mois, les temps et les années! 11 Je crains d'avoir inutilement travaillé pour vous. 12 Soyez comme moi, car moi aussi je suis comme vous. Frères, je vous en supplie. (4:13) Vous ne m'avez fait aucun tort. 13 Vous savez que ce fut à cause d'une infirmité de la chair que je vous ai pour la première fois annoncé l'Évangile. 14 Et mis à l'épreuve par ma chair, vous n'avez témoigné ni mépris ni dégoût; vous m'avez, au contraire, reçu comme un ange de Dieu, comme Jésus-Christ. 15 Où donc est l'expression de votre bonheur? Car je vous atteste que, si cela eût été possible, vous vous seriez arraché les yeux pour me les donner. 16 Suis-je devenu votre ennemi en vous disant la vérité? 17 Le zèle qu'ils ont pour vous n'est pas pur, mais ils veulent vous détacher de nous, afin que vous soyez zélés pour eux. 18 Il est beau d'avoir du zèle pour ce qui est bien et en tout temps, et non pas seulement quand je suis présent parmi vous. 19 Mes enfants, pour qui j'éprouve de nouveau les douleurs de l'enfantement, jusqu'à ce que Christ soit formé en vous, 20 je voudrais être maintenant auprès de vous, et changer de langage, car je suis dans l'inquiétude à votre sujet. 21 Dites-moi, vous qui voulez être sous la loi, n'entendez-vous point la loi? 22 Car il est écrit qu'Abraham eut deux fils, un de la femme esclave, et un de la femme libre. 23 Mais celui de l'esclave naquit selon la chair, et celui de la femme libre naquit en vertu de la promesse. 24 Ces choses sont allégoriques; car ces femmes sont deux alliances. L'une du mont Sinaï, enfantant pour la servitude, c'est Agar, - 25 car Agar, c'est le mont Sinaï en Arabie, -et elle correspond à la Jérusalem actuelle, qui est dans la servitude avec ses enfants. 26 Mais la Jérusalem d'en haut est libre, c'est notre mère; 27 car il est écrit: Réjouis-toi, stérile, toi qui n'enfantes point! Éclate et pousse des cris, toi qui n'as pas éprouvé les douleurs de l'enfantement! Car les enfants de la délaissée seront plus nombreux Que les enfants de celle qui était mariée. 28 Pour vous, frères, comme Isaac, vous êtes enfants de la promesse; 29 et de même qu'alors celui qui était né selon la chair persécutait celui qui était né selon l'Esprit, ainsi en est-il encore maintenant. 30 Mais que dit l'Écriture? Chasse l'esclave et son fils, car le fils de l'esclave n'héritera pas avec le fils de la femme libre. 31 C'est pourquoi, frères, nous ne sommes pas enfants de l'esclave, mais de la femme libre. | |