T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 Ary nony afaka efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.

2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.

3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,

4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;

5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo.

6 Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.

7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora

8 (fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa),

9 ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.

10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.

11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.

12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.

13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa.

14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?

15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,

16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.

17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!

18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.

19 Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho.

20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

21 Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.

 

Chapitre 2

2:1 Then after a period of fourteen years I went up again to Jerusalem with Barnabas, taking Titus also with me. 2:2 I went up by revelation, and I laid before them the Good News which I preach among the Gentiles, but privately before those who were respected, for fear that I might be running, or had run, in vain. 2:3 But not even Titus, who was with me, being a Greek, was compelled to be circumcised. 2:4 This was because of the false brothers secretly brought in, who stole in to spy out our liberty which we have in Christ Jesus, that they might bring us into bondage; 2:5 to whom we gave no place in the way of subjection, not for an hour, that the truth of the Good News might continue with you. 2:6 But from those who were reputed to be important (whatever they were, it makes no difference to me; God doesn’t show partiality to man)—they, I say, who were respected imparted nothing to me, 2:7 but to the contrary, when they saw that I had been entrusted with the Good News for the uncircumcision, even as Peter with the Good News for the circumcision 2:8 (for he who appointed Peter to the apostleship of the circumcision appointed me also to the Gentiles); 2:9 and when they perceived the grace that was given to me, James and Cephas and John, they who were reputed to be pillars, gave to me and Barnabas the right hand of fellowship, that we should go to the Gentiles, and they to the circumcision. 2:10 They only asked us to remember the poor—which very thing I was also zealous to do.

2:11 But when Peter came to Antioch, I resisted him to his face, because he stood condemned. 2:12 For before some people came from James, he ate with the Gentiles. But when they came, he drew back and separated himself, fearing those who were of the circumcision. 2:13 And the rest of the Jews joined him in his hypocrisy; so that even Barnabas was carried away with their hypocrisy. 2:14 But when I saw that they didn’t walk uprightly according to the truth of the Good News, I said to Peter before them all, “If you, being a Jew, live as the Gentiles do, and not as the Jews do, why do you compel the Gentiles to live as the Jews do?

2:15 “We, being Jews by nature, and not Gentile sinners, 2:16 yet knowing that a man is not justified by the works of the law but through faith in Jesus Christ, even we believed in Christ Jesus, that we might be justified by faith in Christ, and not by the works of the law, because no flesh will be justified by the works of the law. 2:17 But if, while we sought to be justified in Christ, we ourselves also were found sinners, is Christ a servant of sin? Certainly not! 2:18 For if I build up again those things which I destroyed, I prove myself a law-breaker. 2:19 For I, through the law, died to the law, that I might live to God. 2:20 I have been crucified with Christ, and it is no longer I that live, but Christ living in me. That life which I now live in the flesh, I live by faith in the Son of God, who loved me, and gave himself up for me. 2:21 I don’t make void the grace of God. For if righteousness is through the law, then Christ died for nothing!”

 

Chapitre 2
1 Quatorze ans après, je montai de nouveau à Jérusalem avec Barnabas, ayant aussi pris Tite avec moi; 2 et ce fut d'après une révélation que j'y montai. Je leur exposai l'Évangile que je prêche parmi les païens, je l'exposai en particulier à ceux qui sont les plus considérés, afin de ne pas courir ou avoir couru en vain. 3 Mais Tite, qui était avec moi, et qui était Grec, ne fut pas même contraint de se faire circoncire. 4 Et cela, à cause des faux frères qui s'étaient furtivement introduits et glissés parmi nous, pour épier la liberté que nous avons en Jésus-Christ, avec l'intention de nous asservir. 5 Nous ne leur cédâmes pas un instant et nous résistâmes à leurs exigences, afin que la vérité de l'Évangile fût maintenue parmi vous. 6 Ceux qui sont les plus considérés-quels qu'ils aient été jadis, cela ne m'importe pas: Dieu ne fait point acception de personnes, -ceux qui sont les plus considérés ne m'imposèrent rien. 7 Au contraire, voyant que l'Évangile m'avait été confié pour les incirconcis, comme à Pierre pour les circoncis, - 8 car celui qui a fait de Pierre l'apôtre des circoncis a aussi fait de moi l'apôtre des païens, - 9 et ayant reconnu la grâce qui m'avait été accordée, Jacques, Céphas et Jean, qui sont regardés comme des colonnes, me donnèrent, à moi et à Barnabas, la main d'association, afin que nous allassions, nous vers les païens, et eux vers les circoncis. 10 Ils nous recommandèrent seulement de nous souvenir des pauvres, ce que j'ai bien eu soin de faire. 11 Mais lorsque Céphas vint à Antioche, je lui résistai en face, parce qu'il était répréhensible. 12 En effet, avant l'arrivée de quelques personnes envoyées par Jacques, il mangeait avec les païens; et, quand elles furent venues, il s'esquiva et se tint à l'écart, par crainte des circoncis. 13 Avec lui les autres Juifs usèrent aussi de dissimulation, en sorte que Barnabas même fut entraîné par leur hypocrisie. 14 Voyant qu'ils ne marchaient pas droit selon la vérité de l'Évangile, je dis à Céphas, en présence de tous: Si toi qui es Juif, tu vis à la manière des païens et non à la manière des Juifs, pourquoi forces-tu les païens à judaïser? 15 Nous, nous sommes Juifs de naissance, et non pécheurs d'entre les païens. 16 Néanmoins, sachant que ce n'est pas par les oeuvres de la loi que l'homme est justifié, mais par la foi en Jésus-Christ, nous aussi nous avons cru en Jésus-Christ, afin d'être justifiés par la foi en Christ et non par les oeuvres de la loi, parce que nulle chair ne sera justifiée par les oeuvres de la loi. 17 Mais, tandis que nous cherchons à être justifiés par Christ, si nous étions aussi nous-mêmes trouvés pécheurs, Christ serait-il un ministre du péché? Loin de là! 18 Car, si je rebâtis les choses que j'ai détruites, je me constitue moi-même un transgresseur, 19 car c'est par la loi que je suis mort à la loi, afin de vivre pour Dieu. 20 J'ai été crucifié avec Christ; et si je vis, ce n'est plus moi qui vis, c'est Christ qui vit en moi; si je vis maintenant dans la chair, je vis dans la foi au Fils de Dieu, qui m'a aimé et qui s'est livré lui-même pour moi. 21 Je ne rejette pas la grâce de Dieu; car si la justice s'obtient par la loi, Christ est donc mort en vain.