Chapitre 1
1
[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny
alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray,
Izay nanangana Azy tamin'ny maty
2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana* atỳ Galatia: [* Gr. eklesia]
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika
amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny
sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]
5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6
[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny
mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao
ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy
ho amin'ny filazantsara hafa,
7 izay tsy filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa]
8
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara
hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona**
izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema]
9
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy
olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo,
aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema]
10
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila
sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy
mpanompon'i Kristy.
11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
13
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa
nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava
azy; [* Gr. eklesia]
14
ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay
indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny
fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
16
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny
jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà
aho,
17
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako
aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i
Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa Jakoba kosa]
20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [* Gr. eklesia]
23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .
24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.