Genesisy Eksodosy Levitikosy Nomery Deoteronomia Josoa Mpitsara Rota 1Samoela 2Samoela 1Mpanjaka 2Mpanjaka 1Tantara 2Tantara Ezra Nehemia Estera Joba Salamo Ohabolana Mpitoriteny Tononkira Isaia Jeremia Fitomaniana Ezekiela Daniela Hosea Joela Amosa Obadia Jona Mika Nahoma Habakoka Zefania Hagay Zakaria Malakia Matio Marka Lioka Jaona Asa Romana 1Korintiana 2Korintiana Galatiana Efesiana Filipiana Kolosiana 1Tesaloniana 2Tesaloniana 1Timoty 2Timoty Titosy Filemona Hebreo Jakoba 1Petera 2Petera 1Jaona 2Jaona 3Jaona Joda Apokalypsy Tolo-kevitra TORITENY.NET
FLM AMBATOVINAKY | IFILAZANA nosoratana - lundi, 06 décembre 2010 19:59 |
TORITENY.NET Hifandray hampita vaovam-piangonana | Antso avy @ Flm Ambatovinaky ho an'ny zanaka ampielezana. Dimby Natolojanahary Ratsimbazafy Miarahaba antsika rehetra.
Efa mijoro izao ny Komity hitarika ny fankalazana ny Jobily faha-140 taon'ny Fiangonantsika.
Ny Teny faneva noraisina dia izay voasoratra ao amin'ny II Timoty 1 : 8a manao hoe : "Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompotsika."
Efa nampahafantarina antsika ny fifaninanana tononkalo izay efa misokatra amin'izao fotoana izao ka hifarana amin'ny 11 Aogositra 2010. Anentanana antsika rehetra ny fandraisana anjara amin'izany.
Ankoatr'izay anefa dia antsoina ihany koa isika rehetra hirotsaka hifanome tànana amin'ny fikarakarana rehetra. Tsy mikatona ny Komitin'ny Jobily fa vonona hatrany handray izay manolo-tena handray andraikitra ao.
Holazaina amin'ny fotoana manaraka ny fotoam-pivoriana ka hiantsoana antsika rehetra izany, indrindra amin'ny asam-baomiera (commission) izay mila traikefa manokana toy ny momba ny vola, ny fifandraisana, ny fampitaovana, sns.
Eo am-piandrasana izany anefa dia vonona izahay handray ny hevitra izay efa mety harosonareo sahady.
Nosokafana ity lohahevitra ity mba ho toy ny "boîte à idée" hametrahantsika izay soso-kevitra mikasika ny "JOBILY faha-140 taonan'ny FLM AMBATOVINAKY".
Misaotra antsika rehetra.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
|
|