T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 [Fietren-tena noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!

3 Na dia ny amboadia* aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]

4 Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.

5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika*.[Heb. Naziritany]

6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,

7 Ny lehibeny* dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy** ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[*Heb. Naziritany][**Na: perila]

8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.

9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.

10 Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

11 Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.

12 Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.

13 Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.

14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.

15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.

16 Ny fahatezeran*'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]

17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.

18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.

19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.

20 Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.

21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.

22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.

 

Chapitre 4

4:1 How the gold has become dim! The most pure gold has changed!
The stones of the sanctuary are poured out at the head of every street.
4:2 The precious sons of Zion, comparable to fine gold,
How are they esteemed as earthen pitchers, the work of the hands of the potter!
4:3 Even the jackals draw out the breast, they nurse their young ones:
The daughter of my people has become cruel, like the ostriches in the wilderness.
4:4 The tongue of the nursing child clings to the roof of his mouth for thirst:
The young children ask bread, and no man breaks it to them.
4:5 Those who fed delicately are desolate in the streets:
Those who were brought up in scarlet embrace dunghills.
4:6 For the iniquity of the daughter of my people is greater than the sin of Sodom,
That was overthrown as in a moment, and no hands were laid on her.
4:7 Her nobles were purer than snow, they were whiter than milk;
They were more ruddy in body than rubies, their polishing was as of sapphire.
4:8 Their appearance is blacker than a coal; they are not known in the streets:
Their skin clings to their bones; it is withered, it has become like a stick.
4:9 Those who are killed with the sword are better than those who are killed with hunger;
For these pine away, stricken through, for want of the fruits of the field.
4:10 The hands of the pitiful women have boiled their own children;
They were their food in the destruction of the daughter of my people.
4:11 Yahweh has accomplished his wrath, he has poured out his fierce anger;
He has kindled a fire in Zion, which has devoured its foundations.
4:12 The kings of the earth didn’t believe, neither all the inhabitants of the world,
That the adversary and the enemy would enter into the gates of Jerusalem.
4:13 It is because of the sins of her prophets, and the iniquities of her priests,
That have shed the blood of the just in the midst of her.
4:14 They wander as blind men in the streets, they are polluted with blood,
So that men can’t touch their garments.
4:15 Depart! they cried to them, Unclean! depart, depart, don’t touch!
When they fled away and wandered, men said among the nations, They shall not live here any more.
4:16 The anger of Yahweh has scattered them; he will no more regard them:
They didn’t respect the persons of the priests, they didn’t favor the elders.
4:17 Our eyes still fail, looking in vain for our help:
In our watching we have watched for a nation that could not save.
4:18 They hunt our steps, so that we can’t go in our streets:
Our end is near, our days are fulfilled; for our end has come.
4:19 Our pursuers were swifter than the eagles of the sky:
They chased us on the mountains, they laid wait for us in the wilderness.
4:20 The breath of our nostrils, the anointed of Yahweh, was taken in their pits;
Of whom we said, Under his shadow we shall live among the nations.
4:21 Rejoice and be glad, daughter of Edom, that dwell in the land of Uz:
The cup shall pass through to you also; you shall be drunken, and shall make yourself naked.
4:22 The punishment of your iniquity is accomplished, daughter of Zion; he will no more carry you away into captivity:
He will visit your iniquity, daughter of Edom; he will uncover your sins.

 

Chapitre 4
1 Eh quoi! l'or a perdu son éclat! L'or pur est altéré! Les pierres du sanctuaire sont dispersées Aux coins de toutes les rues! 2 Les nobles fils de Sion, Estimés à l'égal de l'or pur, Sont regardés, hélas! comme des vases de terre, Ouvrage des mains du potier! 3 Les chacals mêmes présentent la mamelle, Et allaitent leurs petits; Mais la fille de mon peuple est devenue cruelle Comme les autruches du désert. 4 La langue du nourrisson s'attache à son palais, Desséchée par la soif; Les enfants demandent du pain, Et personne ne leur en donne. 5 Ceux qui se nourrissaient de mets délicats Périssent dans les rues; Ceux qui étaient élevés dans la pourpre Embrassent les fumiers. 6 Le châtiment de la fille de mon peuple est plus grand Que celui de Sodome, Détruite en un instant, Sans que personne ait porté la main sur elle. 7 Ses princes étaient plus éclatants que la neige, Plus blancs que le lait; Ils avaient le teint plus vermeil que le corail; Leur figure était comme le saphir. 8 Leur aspect est plus sombre que le noir; On ne les reconnaît pas dans les rues; Ils ont la peau collée sur les os, Sèche comme du bois. 9 Ceux qui périssent par l'épée sont plus heureux Que ceux qui périssent par la faim, Qui tombent exténués, Privés du fruit des champs. 10 Les femmes, malgré leur tendresse, Font cuire leurs enfants; Ils leur servent de nourriture, Au milieu du désastre de la fille de mon peuple. 11 L'Éternel a épuisé sa fureur, Il a répandu son ardente colère; Il a allumé dans Sion un feu Qui en dévore les fondements. 12 Les rois de la terre n'auraient pas cru, Aucun des habitants du monde n'aurait cru Que l'adversaire, que l'ennemi entrerait Dans les portes de Jérusalem. 13 Voilà le fruit des péchés de ses prophètes, Des iniquités de ses sacrificateurs, Qui ont répandu dans son sein Le sang des justes! 14 Ils erraient en aveugles dans les rues, Souillés de sang; On ne pouvait Toucher leurs vêtements. 15 Éloignez-vous, impurs! leur criait-on, Éloignez-vous, éloignez-vous, ne nous touchez pas! Ils sont en fuite, ils errent çà et là; On dit parmi les nations: Ils n'auront plus leur demeure! 16 L'Éternel les a dispersés dans sa colère, Il ne tourne plus les regards vers eux; On n'a eu ni respect pour les sacrificateurs, Ni pitié pour les vieillards. 17 Nos yeux se consumaient encore, Et nous attendions vainement du secours; Nos regards se portaient avec espérance Vers une nation qui ne nous a pas délivrés. 18 On épiait nos pas, Pour nous empêcher d'aller sur nos places; Notre fin s'approchait, nos jours étaient accomplis... Notre fin est arrivée! 19 Nos persécuteurs étaient plus légers Que les aigles du ciel; Ils nous ont poursuivis sur les montagnes, Ils nous ont dressé des embûches dans le désert. 20 Celui qui nous faisait respirer, l'oint de l'Éternel, A été pris dans leurs fosses, Lui de qui nous disions: Nous vivrons sous son ombre parmi les nations. 21 Réjouis-toi, tressaille d'allégresse, fille d'Édom, Habitante du pays d'Uts! Vers toi aussi passera la coupe; Tu t'enivreras, et tu seras mise à nu. 22 Fille de Sion, ton iniquité est expiée; Il ne t'enverra plus en captivité. Fille d'Édom, il châtiera ton iniquité, Il mettra tes péchés à découvert.