T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.

2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.

3 Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.

4 [BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.

5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.

6 Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.

7 [GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.

8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.

9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.

10 [DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;

11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.

12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.

13 [HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany* tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]

14 Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.

15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.

16 [VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.

17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.

18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.

19 [ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.

20 Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.

21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.

22 [HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.

23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.

24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.

25 [TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.

26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.

27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.

28 [JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.

29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.

30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.

31 [KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;

32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.

33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.

34 [LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,

35 Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,

36 Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky* ny Tompo.[Heb. jeren']

37 [MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?

38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?

39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]

40 [NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.

41 Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.

42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.

43 [SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.

44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.

45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.

46 [PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.

47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.

48 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.

49 [AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,

50 Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.

51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.

52 [TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.

53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.

54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty* aho ity![Heb. Voajinja]

55 [KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.

56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.

57 Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.

58 [RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.

59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.

60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy

61 [SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,

62 Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.

63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.

64 [TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.

65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.

66 Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.

 

Chapitre 3
3:1 I am the man that has seen affliction by the rod of his wrath.
3:2 He has led me and caused me to walk in darkness, and not in light.
3:3 Surely against me he turns his hand again and again all the day.
3:4 My flesh and my skin has he made old; he has broken my bones.
3:5 He has built against me, and surrounded me with gall and travail.
3:6 He has made me to dwell in dark places, as those that have been long dead.
3:7 He has walled me about, that I can’t go forth; he has made my chain heavy.
3:8 Yes, when I cry, and call for help, he shuts out my prayer.
3:9 He has walled up my ways with cut stone; he has made my paths crooked.
3:10 He is to me as a bear lying in wait, as a lion in secret places.
3:11 He has turned aside my ways, and pulled me in pieces; he has made me desolate.
3:12 He has bent his bow, and set me as a mark for the arrow.
3:13 He has caused the shafts of his quiver to enter into my kidneys.
3:14 I am become a derision to all my people, and their song all the day.
3:15 He has filled me with bitterness, he has sated me with wormwood.
3:16 He has also broken my teeth with gravel stones; he has covered me with ashes.
3:17 You have removed my soul far off from peace; I forgot prosperity.
3:18 I said, My strength is perished, and my expectation from Yahweh.
3:19 Remember my affliction and my misery, the wormwood and the gall.
3:20 My soul still remembers them, and is bowed down within me.
3:21 This I recall to my mind; therefore have I hope.
3:22 It is because of Yahweh’s loving kindnesses that we are not consumed, because his compassion doesn’t fail.
3:23 They are new every morning; great is your faithfulness.
3:24 Yahweh is my portion, says my soul; therefore will I hope in him.
3:25 Yahweh is good to those who wait for him, to the soul that seeks him.
3:26 It is good that a man should hope and quietly wait for the salvation of Yahweh.
3:27 It is good for a man that he bear the yoke in his youth.
3:28 Let him sit alone and keep silence, because he has laid it on him.
3:29 Let him put his mouth in the dust, if so be there may be hope.
3:30 Let him give his cheek to him who strikes him; let him be filled full with reproach.
3:31 For the Lord will not cast off forever.
3:32 For though he cause grief, yet he will have compassion according to the multitude of his loving kindnesses.
3:33 For he does not afflict willingly, nor grieve the children of men.
3:34 To crush under foot all the prisoners of the earth,
3:35 To turn aside the right of a man before the face of the Most High,
3:36 To subvert a man in his cause, the Lord doesn’t approve.
3:37 Who is he who says, and it comes to pass, when the Lord doesn’t command it?
3:38 Doesn’t evil and good come out of the mouth of the Most High?
3:39 Why does a living man complain, a man for the punishment of his sins?
3:40 Let us search and try our ways, and turn again to Yahweh.
3:41 Let us lift up our heart with our hands to God in the heavens.
3:42 We have transgressed and have rebelled; you have not pardoned.
3:43 You have covered with anger and pursued us; you have killed, you have not pitied.
3:44 You have covered yourself with a cloud, so that no prayer can pass through.
3:45 You have made us an off-scouring and refuse in the midst of the peoples.
3:46 All our enemies have opened their mouth wide against us.
3:47 Fear and the pit have come on us, devastation and destruction.
3:48 My eye runs down with streams of water, for the destruction of the daughter of my people.
3:49 My eye pours down, and doesn’t cease, without any intermission,
3:50 Until Yahweh look down, and see from heaven.
3:51 My eye affects my soul, because of all the daughters of my city.
3:52 They have chased me relentlessly like a bird, those who are my enemies without cause.
3:53 They have cut off my life in the dungeon, and have cast a stone on me.
3:54 Waters flowed over my head; I said, I am cut off.
3:55 I called on your name, Yahweh, out of the lowest dungeon.
3:56 You heard my voice; don’t hide your ear at my breathing, at my cry.
3:57 You drew near in the day that I called on you; you said, Don’t be afraid.
3:58 Lord, you have pleaded the causes of my soul; you have redeemed my life.
3:59 Yahweh, you have seen my wrong. Judge my cause.
3:60 You have seen all their vengeance and all their devices against me.
3:61 You have heard their reproach, Yahweh, and all their devices against me,
3:62 The lips of those that rose up against me, and their device against me all the day.
3:63 You see their sitting down, and their rising up; I am their song.
3:64 You will render to them a recompense, Yahweh, according to the work of their hands.
3:65 You will give them hardness of heart, your curse to them.
3:66 You will pursue them in anger, and destroy them from under the heavens of Yahweh.

 

Chapitre 3
1 Je suis l'homme qui a vu la misère Sous la verge de sa fureur. 2 Il m'a conduit, mené dans les ténèbres, Et non dans la lumière. 3 Contre moi il tourne et retourne sa main Tout le jour. 4 Il a fait dépérir ma chair et ma peau, Il a brisé mes os. 5 Il a bâti autour de moi, Il m'a environné de poison et de douleur. 6 Il me fait habiter dans les ténèbres, Comme ceux qui sont morts dès longtemps. 7 Il m'a entouré d'un mur, pour que je ne sorte pas; Il m'a donné de pesantes chaînes. 8 J'ai beau crier et implorer du secours, Il ne laisse pas accès à ma prière. 9 Il a fermé mon chemin avec des pierres de taille, Il a détruit mes sentiers. 10 Il a été pour moi un ours en embuscade, Un lion dans un lieu caché. 11 Il a détourné mes voies, il m'a déchiré, Il m'a jeté dans la désolation. 12 Il a tendu son arc, et il m'a placé Comme un but pour sa flèche. 13 Il a fait entrer dans mes reins Les traits de son carquois. 14 Je suis pour tout mon peuple un objet de raillerie, Chaque jour l'objet de leurs chansons. 15 Il m'a rassasié d'amertume, Il m'a enivré d'absinthe. 16 Il a brisé mes dents avec des cailloux, Il m'a couvert de cendre. 17 Tu m'as enlevé la paix; Je ne connais plus le bonheur. 18 Et j'ai dit: Ma force est perdue, Je n'ai plus d'espérance en l'Éternel! 19 Quand je pense à ma détresse et à ma misère, A l'absinthe et au poison; 20 Quand mon âme s'en souvient, Elle est abattue au dedans de moi. 21 Voici ce que je veux repasser en mon coeur, Ce qui me donnera de l'espérance. 22 Les bontés de l'Éternel ne sont pas épuisées, Ses compassions ne sont pas à leur terme; 23 Elles se renouvellent chaque matin. Oh! que ta fidélité est grande! 24 L'Éternel est mon partage, dit mon âme; C'est pourquoi je veux espérer en lui. 25 L'Éternel a de la bonté pour qui espère en lui, Pour l'âme qui le cherche. 26 Il est bon d'attendre en silence Le secours de l'Éternel. 27 Il est bon pour l'homme De porter le joug dans sa jeunesse. 28 Il se tiendra solitaire et silencieux, Parce que l'Éternel le lui impose; 29 Il mettra sa bouche dans la poussière, Sans perdre toute espérance; 30 Il présentera la joue à celui qui le frappe, Il se rassasiera d'opprobres. 31 Car le Seigneur Ne rejette pas à toujours. 32 Mais, lorsqu'il afflige, Il a compassion selon sa grande miséricorde; 33 Car ce n'est pas volontiers qu'il humilie Et qu'il afflige les enfants des hommes. 34 Quand on foule aux pieds Tous les captifs du pays, 35 Quand on viole la justice humaine A la face du Très-Haut, 36 Quand on fait tort à autrui dans sa cause, Le Seigneur ne le voit-il pas? 37 Qui dira qu'une chose arrive, Sans que le Seigneur l'ait ordonnée? 38 N'est-ce pas de la volonté du Très-Haut que viennent Les maux et les biens? 39 Pourquoi l'homme vivant se plaindrait-il? Que chacun se plaigne de ses propres péchés. 40 Recherchons nos voies et sondons, Et retournons à l'Éternel; 41 Élevons nos coeurs et nos mains Vers Dieu qui est au ciel: 42 Nous avons péché, nous avons été rebelles! Tu n'as point pardonné! 43 Tu t'es caché dans ta colère, et tu nous as poursuivis; Tu as tué sans miséricorde; 44 Tu t'es enveloppé d'un nuage, Pour fermer accès à la prière. 45 Tu nous as rendus un objet de mépris et de dédain Au milieu des peuples. 46 Ils ouvrent la bouche contre nous, Tous ceux qui sont nos ennemis. 47 Notre partage a été la terreur et la fosse, Le ravage et la ruine. 48 Des torrents d'eau coulent de mes yeux, A cause de la ruine de la fille de mon peuple. 49 Mon oeil fond en larmes, sans repos, Sans relâche, 50 Jusqu'à ce que l'Éternel regarde et voie Du haut des cieux; 51 Mon oeil me fait souffrir, A cause de toutes les filles de ma ville. 52 Ils m'ont donné la chasse comme à un oiseau, Ceux qui sont à tort mes ennemis. 53 Ils ont voulu anéantir ma vie dans une fosse, Et ils ont jeté des pierres sur moi. 54 Les eaux ont inondé ma tête; Je disais: Je suis perdu! 55 J'ai invoqué ton nom, ô Éternel, Du fond de la fosse. 56 Tu as entendu ma voix: Ne ferme pas l'oreille à mes soupirs, à mes cris! 57 Au jour où je t'ai invoqué, tu t'es approché, Tu as dit: Ne crains pas! 58 Seigneur, tu as défendu la cause de mon âme, Tu as racheté ma vie. 59 Éternel, tu as vu ce qu'on m'a fait souffrir: Rends-moi justice! 60 Tu as vu toutes leurs vengeances, Tous leurs complots contre moi. 61 Éternel, tu as entendu leurs outrages, Tous leurs complots contre moi, 62 Les discours de mes adversaires, et les projets Qu'ils formaient chaque jour contre moi. 63 Regarde quand ils sont assis et quand ils se lèvent: Je suis l'objet de leurs chansons. 64 Tu leur donneras un salaire, ô Éternel, Selon l'oeuvre de leurs mains; 65 Tu les livreras à l'endurcissement de leur coeur, A ta malédiction contre eux; 66 Tu les poursuivras dans ta colère, et tu les extermineras De dessous les cieux, ô Éternel!