T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!

2 Nolevonin*'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']

3 Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.

4 Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.

5 Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona* ny Isiraely. Eny, nolevoniny** ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[*Heb. nitelina][**Heb. nateliny]

6 Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.

7 Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.

8 Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava*; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]

9 Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.

10 Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.

11 Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.

12 Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?

13 Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?

14 Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana* ho anao izy.[Na: fandroahana]

15 Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?

16 Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay*! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]

17 Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.

18 Ny fonao* mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.[Heb. fony]

19 Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.

20 Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?

21 Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.

22 Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.

 

Chapitre 2
2:1 How has the Lord covered the daughter of Zion with a cloud in his anger!
He has cast down from heaven to the earth the beauty of Israel,
And hasn’t remembered his footstool in the day of his anger.
2:2 The Lord has swallowed up all the habitations of Jacob, and has not pitied:
He has thrown down in his wrath the strongholds of the daughter of Judah;
He has brought them down to the ground; he has profaned the kingdom and its princes.
2:3 He has cut off in fierce anger all the horn of Israel;
He has drawn back his right hand from before the enemy:
He has burned up Jacob like a flaming fire, which devours all around.
2:4 He has bent his bow like an enemy, he has stood with his right hand as an adversary,
Has killed all that were pleasant to the eye:
In the tent of the daughter of Zion he has poured out his wrath like fire.
2:5 The Lord has become as an enemy, he has swallowed up Israel;
He has swallowed up all her palaces, he has destroyed his strongholds;
He has multiplied in the daughter of Judah mourning and lamentation.
2:6 He has violently taken away his tabernacle, as if it were of a garden; he has destroyed his place of assembly:
Yahweh has caused solemn assembly and Sabbath to be forgotten in Zion,
Has despised in the indignation of his anger the king and the priest.
2:7 The Lord has cast off his altar, he has abhorred his sanctuary;
He has given up into the hand of the enemy the walls of her palaces:
They have made a noise in the house of Yahweh, as in the day of a solemn assembly.
2:8 Yahweh has purposed to destroy the wall of the daughter of Zion;
He has stretched out the line, he has not withdrawn his hand from destroying;
He has made the rampart and wall to lament; they languish together.
2:9 Her gates are sunk into the ground; he has destroyed and broken her bars:
Her king and her princes are among the nations where the law is not;
Yes, her prophets find no vision from Yahweh.
2:10 The elders of the daughter of Zion sit on the ground, they keep silence;
They have cast up dust on their heads; they have clothed themselves with sackcloth:
The virgins of Jerusalem hang down their heads to the ground.
2:11 My eyes do fail with tears, my heart is troubled;
My liver is poured on the earth, because of the destruction of the daughter of my people,
Because the young children and the infants swoon in the streets of the city.
2:12 They tell their mothers, Where is grain and wine?
When they swoon as the wounded in the streets of the city,
When their soul is poured out into their mothers’ bosom.
2:13 What shall I testify to you? what shall I liken to you, daughter of Jerusalem?
What shall I compare to you, that I may comfort you, virgin daughter of Zion?
For your breach is great like the sea: who can heal you?
2:14 Your prophets have seen for you false and foolish visions;
They have not uncovered your iniquity, to bring back your captivity,
but have seen for you false oracles and causes of banishment.
2:15 All that pass by clap their hands at you.
They hiss and wag their head at the daughter of Jerusalem, saying,
Is this the city that men called The perfection of beauty, The joy of the whole earth?
2:16 All your enemies have opened their mouth wide against you;
They hiss and gnash the teeth; they say, We have swallowed her up;
Certainly this is the day that we looked for; we have found, we have seen it.
2:17 Yahweh has done that which he purposed; he has fulfilled his word that he commanded in the days of old;
He has thrown down, and has not pitied:
He has caused the enemy to rejoice over you; he has exalted the horn of your adversaries.
2:18 Their heart cried to the Lord:
wall of the daughter of Zion, let tears run down like a river day and night;
Give yourself no respite; don’t let the apple of your eye cease.
2:19 Arise, cry out in the night, at the beginning of the watches;
Pour out your heart like water before the face of the Lord:
Lift up your hands toward him for the life of your young children, that faint for hunger at the head of every street.
2:20 Look, Yahweh, and see to whom you have done thus!
Shall the women eat their fruit, the children that are dandled in the hands?
Shall the priest and the prophet be killed in the sanctuary of the Lord?
2:21 The youth and the old man lie on the ground in the streets;
My virgins and my young men are fallen by the sword:
You have killed them in the day of your anger; you have slaughtered, and not pitied.
2:22 You have called, as in the day of a solemn assembly, my terrors on every side;
There was none that escaped or remained in the day of Yahweh’s anger:
Those that I have dandled and brought up has my enemy consumed.

 

Chapitre 2
1 Eh quoi! le Seigneur, dans sa colère, a couvert de nuages la fille de Sion! Il a précipité du ciel sur la terre la magnificence d'Israël! Il ne s'est pas souvenu de son marchepied, Au jour de sa colère! 2 Le Seigneur a détruit sans pitié toutes les demeures de Jacob; Il a, dans sa fureur, renversé les forteresses de la fille de Juda, Il les a fait rouler à terre; Il a profané le royaume et ses chefs. 3 Il a, dans son ardente colère, abattu toute la force d'Israël; Il a retiré sa droite en présence de l'ennemi; Il a allumé dans Jacob des flammes de feu, Qui dévorent de tous côtés. 4 Il a tendu son arc comme un ennemi; Sa droite s'est dressée comme celle d'un assaillant; Il a fait périr tout ce qui plaisait aux regards; Il a répandu sa fureur comme un feu sur la tente de la fille de Sion. 5 Le Seigneur a été comme un ennemi; Il a dévoré Israël, il a dévoré tous ses palais, Il a détruit ses forteresses; Il a rempli la fille de Juda de plaintes et de gémissements. 6 Il a dévasté sa tente comme un jardin, Il a détruit le lieu de son assemblée; L'Éternel a fait oublier en Sion les fêtes et le sabbat, Et, dans sa violente colère, il a rejeté le roi et le sacrificateur. 7 Le Seigneur a dédaigné son autel, repoussé son sanctuaire; Il a livré entre les mains de l'ennemi les murs des palais de Sion; Les cris ont retenti dans la maison de l'Éternel, Comme en un jour de fête. 8 L'Éternel avait résolu de détruire les murs de la fille de Sion; Il a tendu le cordeau, il n'a pas retiré sa main sans les avoir anéantis; Il a plongé dans le deuil rempart et murailles, Qui n'offrent plus ensemble qu'une triste ruine. 9 Ses portes sont enfoncées dans la terre; Il en a détruit, rompu les barres. Son roi et ses chefs sont parmi les nations; il n'y a plus de loi. Même les prophètes ne reçoivent aucune vision de l'Éternel. 10 Les anciens de la fille de Sion sont assis à terre, ils sont muets; Ils ont couvert leur tête de poussière, Ils se sont revêtus de sacs; Les vierges de Jérusalem laissent retomber leur tête vers la terre. 11 Mes yeux se consument dans les larmes, mes entrailles bouillonnent, Ma bile se répand sur la terre, A cause du désastre de la fille de mon peuple, Des enfants et des nourrissons en défaillance dans les rues de la ville. 12 Ils disaient à leurs mères: Où y a-t-il du blé et du vin? Et ils tombaient comme des blessés dans les rues de la ville, Ils rendaient l'âme sur le sein de leurs mères. 13 Que dois-je te dire? à quoi te comparer, fille de Jérusalem? Qui trouver de semblable à toi, et quelle consolation te donner, Vierge, fille de Sion? Car ta plaie est grande comme la mer: qui pourra te guérir? 14 Tes prophètes ont eu pour toi des visions vaines et fausses; Ils n'ont pas mis à nu ton iniquité, Afin de détourner de toi la captivité; Ils t'ont donné des oracles mensongers et trompeurs. 15 Tous les passants battent des mains sur toi, Ils sifflent, ils secouent la tête contre la fille de Jérusalem: Est-ce là cette ville qu'on appelait une beauté parfaite, La joie de toute la terre? 16 Tous tes ennemis ouvrent la bouche contre toi, Ils sifflent, ils grincent des dents, Ils disent: Nous l'avons engloutie! C'est bien le jour que nous attendions, nous l'avons atteint, nous le voyons! 17 L'Éternel a exécuté ce qu'il avait résolu, Il a accompli la parole qu'il avait dès longtemps arrêtée, Il a détruit sans pitié; Il a fait de toi la joie de l'ennemi, Il a relevé la force de tes oppresseurs. 18 Leur coeur crie vers le Seigneur... Mur de la fille de Sion, répands jour et nuit des torrents de larmes! Ne te donne aucun relâche, Et que ton oeil n'ait point de repos! 19 Lève-toi, pousse des gémissements à l'entrée des veilles de la nuit! Répands ton coeur comme de l'eau, en présence du Seigneur! Lève tes mains vers lui pour la vie de tes enfants Qui meurent de faim aux coins de toutes les rues! 20 Vois, Éternel, regarde qui tu as ainsi traité! Fallait-il que des femmes dévorassent le fruit de leurs entrailles, Les petits enfants objets de leur tendresse? Que sacrificateurs et prophètes fussent massacrés dans le sanctuaire du Seigneur? 21 Les enfants et les vieillards sont couchés par terre dans les rues; Mes vierges et mes jeunes hommes sont tombés par l'épée; Tu as tué, au jour de ta colère, Tu as égorgé sans pitié. 22 Tu as appelé de toutes parts sur moi l'épouvante, comme à un jour de fête. Au jour de la colère de l'Éternel, il n'y a eu ni réchappé ni survivant. Ceux que j'avais soignés et élevés, Mon ennemi les a consumés.