T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
MATIO
MARKA
LIOKA
JAONA
ASAN'NY APOSTOLY
ROMANA
1KORINTIANA
2KORINTIANA
GALATIANA
EFESIANA
FILIPIANA
KOLOSIANA
1TESALONIANA
2TESALONIANA
1TIMOTY
2TIMOTY
TITOSY
FILEMONA
HEBREO
JAKOBA
1PETERA
2PETERA
1JAONA
2JAONA
3JAONA
JODA
APOKALIPSY

 CHAPITRE 1

1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3 Misaotra an'Andriamanitra amin'ny fahatsiarovako anareo

4 mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,

5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;

6 ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;

7 fa marina izany, satria efa mba ato am-poko hianareo, fa mpiombona fahasoavana ananako hianareo rehetra na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.

8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindrampon'i Kristy Jesosy.

9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,

10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy hianareo,

11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.

12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;

13 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra;

14 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.

15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;

16 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;

17 fifampiandaniana kosa ny itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.

18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsarambelatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.

19 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana [fanomezan'] ny Fanahin'i Jesosy Kristy,

20 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.

21 Fa Kristy no anton'ny hahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.

22 Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;

23 fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;

24 kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.

25 Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,

26 mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako aty aminareo indray.

27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa haharitra amin'ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,

28 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina hianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.

29 Fa hianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,

30 dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amoko ihany ankehitriny.

 CHAPITRE1

 1Paul and Timotheus, the servants of Jesus Christ, to all the saints in Christ Jesus which are at Philippi, with the bishops and deacons:

 2Grace be unto you, and peace, from God our Father, and from the Lord Jesus Christ.

 3I thank my God upon every remembrance of you,

 4Always in every prayer of mine for you all making request with joy,

 5For your fellowship in the gospel from the first day until now;

 6Being confident of this very thing, that he which hath begun a good work in you will perform it until the day of Jesus Christ:

 7Even as it is meet for me to think this of you all, because I have you in my heart; inasmuch as both in my bonds, and in the defence and confirmation of the gospel, ye all are partakers of my grace.

 8For God is my record, how greatly I long after you all in the bowels of Jesus Christ.

 9And this I pray, that your love may abound yet more and more in knowledge and in all judgment;

 10That ye may approve things that are excellent; that ye may be sincere and without offence till the day of Christ.

 11Being filled with the fruits of righteousness, which are by Jesus Christ, unto the glory and praise of God.

 12But I would ye should understand, brethren, that the things which happened unto me have fallen out rather unto the furtherance of the gospel;

 13So that my bonds in Christ are manifest in all the palace, and in all other places;

 14And many of the brethren in the Lord, waxing confident by my bonds, are much more bold to speak the word without fear.

 15Some indeed preach Christ even of envy and strife; and some also of good will:

 16The one preach Christ of contention, not sincerely, supposing to add affliction to my bonds:

 17But the other of love, knowing that I am set for the defence of the gospel.

 18What then? notwithstanding, every way, whether in pretence, or in truth, Christ is preached; and I therein do rejoice, yea, and will rejoice.

 19For I know that this shall turn to my salvation through your prayer, and the supply of the Spirit of Jesus Christ,

 20According to my earnest expectation and my hope, that in nothing I shall be ashamed, but that with all boldness, as always, so now also Christ shall be magnified in my body, whether it be by life, or by death.

 21For to me to live is Christ, and to die is gain.

 22But if I live in the flesh, this is the fruit of my labour: yet what I shall choose I wot not.

 23For I am in a strait betwixt two, having a desire to depart, and to be with Christ; which is far better:

 24Nevertheless to abide in the flesh is more needful for you.

 25And having this confidence, I know that I shall abide and continue with you all for your furtherance and joy of faith;

 26That your rejoicing may be more abundant in Jesus Christ for me by my coming to you again.

 27Only let your conversation be as it becometh the gospel of Christ: that whether I come and see you, or else be absent, I may hear of your affairs, that ye stand fast in one spirit, with one mind striving together for the faith of the gospel;

 28And in nothing terrified by your adversaries: which is to them an evident token of perdition, but to you of salvation, and that of God.

 29For unto you it is given in the behalf of Christ, not only to believe on him, but also to suffer for his sake;

 30Having the same conflict which ye saw in me, and now hear to be in me.
CHAPITRE1 1 Paul et Timothée, serviteurs de Jésus Christ, à tous les saints en Jésus Christ qui sont à Philippes, aux évêques et aux diacres :
2 que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus Christ !
3 Je rends grâces à mon Dieu de tout le souvenir que je garde de vous,
4 ne cessant, dans toutes mes prières pour vous tous,
5 de manifester ma joie au sujet de la part que vous prenez à l'évangile, depuis le premier jour jusqu'à maintenant.
6 Je suis persuadé que celui qui a commencé en vous cette bonne oeuvre la rendra parfaite pour le jour de Jésus Christ.
7 Il est juste que je pense ainsi de vous tous, parce que je vous porte dans mon coeur, soit dans mes liens, soit dans la défense et la confirmation de l'évangile, vous qui tous participez à la même grâce que moi.
8 Car Dieu m'est témoin que je vous chéris tous avec la tendresse de Jésus Christ.
9 Et ce que je demande dans mes prières, c'est que votre amour augmente de plus en plus en connaissance et en pleine intelligence
10 pour le discernement des choses les meilleures, afin que vous soyez purs et irréprochables pour le jour de Christ,
11 remplis du fruit de justice qui est par Jésus Christ, à la gloire et à la louange de Dieu.
12 Je veux que vous sachiez, frères, que ce qui m'est arrivé a plutôt contribué aux progrès de l'évangile.
13 En effet, dans tout le prétoire et partout ailleurs, nul n'ignore que c'est pour Christ que je suis dans les liens,
14 et la plupart des frères dans le Seigneur, encouragés par mes liens, ont plus d'assurance pour annoncer sans crainte la parole.
15 Quelques-uns, il est vrai, prêchent Christ par envie et par esprit de dispute; mais d'autres le prêchent avec des dispositions bienveillantes.
16 Ceux-ci agissent par amour, sachant que je suis établi pour la défense de l'évangile,
17 tandis que ceux-là, animés d'un esprit de dispute, annoncent Christ par des motifs qui ne sont pas purs et avec la pensée de me susciter quelque tribulation dans mes liens.
18 Qu'importe ? De toute manière, que ce soit pour l'apparence, que ce soit sincèrement, Christ n'est pas moins annoncé : je m'en réjouis, et je m'en réjouirai encore.
19 Car je sais que cela tournera à mon salut, grâce à vos prières et à l'assistance de l'Esprit de Jésus Christ,
20 selon ma ferme attente et mon espérance que je n'aurai honte de rien, mais que, maintenant comme toujours, Christ sera glorifié dans mon corps avec une pleine assurance, soit par ma vie, soit par ma mort;
21 car Christ est ma vie, et la mort m'est un gain.
22 Mais s'il est utile pour mon oeuvre que je vive dans la chair, je ne saurais dire ce que je dois préférer.
23 Je suis pressé des deux côtés : j'ai le désir de m'en aller et d'être avec Christ, ce qui de beaucoup est le meilleur;
24 mais à cause de vous il est plus nécessaire que je demeure dans la chair.
25 Et je suis persuadé, je sais que je demeurerai et que je resterai avec vous tous, pour votre avancement et pour votre joie dans la foi,
26 afin que, par mon retour auprès de vous, vous ayez en moi un abondant sujet de vous glorifier en Jésus Christ.
27 Seulement, conduisez-vous d'une manière digne de l'évangile de Christ, afin que, soit que je vienne vous voir, soit que je reste absent, j'entende dire de vous que vous demeurez fermes dans un même esprit, combattant d'une même âme pour la foi de l'évangile,
28 sans vous laisser aucunement effrayer par les adversaires, ce qui est pour eux une preuve de perdition, mais pour vous de salut;
29 et cela de la part de Dieu, car il vous a été fait la grâce, par rapport à Christ, non seulement de croire en lui, mais encore de souffrir pour lui,
30 en soutenant le même combat que vous m'avez vu soutenir, et que vous apprenez maintenant que je soutiens.