| Chapitre 9 1 [Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany] Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy. 2 Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany. 3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho. 4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva. 5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho 6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; 7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao. 8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana* eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23] 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema. 10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay, 11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany; 12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay. 13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany, 14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory? 15 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
| | Chapitre 9 9:1 Now when these things were done, the princes drew near to me, saying, “The people of Israel, and the priests and the Levites, have not separated themselves from the peoples of the lands, following their abominations, even those of the Canaanites, the Hittites, the Perizzites, the Jebusites, the Ammonites, the Moabites, the Egyptians, and the Amorites. 9:2 For they have taken of their daughters for themselves and for their sons, so that the holy seed have mixed themselves with the peoples of the lands. Yes, the hand of the princes and rulers has been chief in this trespass.” 9:3 When I heard this thing, I tore my garment and my robe, and plucked off the hair of my head and of my beard, and sat down confounded. 9:4 Then were assembled to me everyone who trembled at the words of the God of Israel, because of their trespass of the captivity; and I sat confounded until the evening offering. 9:5 At the evening offering I arose up from my humiliation, even with my garment and my robe torn; and I fell on my knees, and spread out my hands to Yahweh my God; 9:6 and I said, “My God, I am ashamed and blush to lift up my face to you, my God; for our iniquities have increased over our head, and our guiltiness has grown up to the heavens. 9:7 Since the days of our fathers we have been exceeding guilty to this day; and for our iniquities we, our kings, and our priests, have been delivered into the hand of the kings of the lands, to the sword, to captivity, to plunder, and to confusion of face, as it is this day. 9:8 Now for a little moment grace has been shown from Yahweh our God, to leave us a remnant to escape, and to give us a nail in his holy place, that our God may lighten our eyes, and give us a little reviving in our bondage. 9:9 For we are bondservants; yet our God has not forsaken us in our bondage, but has extended loving kindness to us in the sight of the kings of Persia, to give us a reviving, to set up the house of our God, and to repair its ruins, and to give us a wall in Judah and in Jerusalem. 9:10 “Now, our God, what shall we say after this? For we have forsaken your commandments, 9:11 which you have commanded by your servants the prophets, saying, ‘The land, to which you go to possess it, is an unclean land through the uncleanness of the peoples of the lands, through their abominations, which have filled it from one end to another with their filthiness. 9:12 Now therefore don’t give your daughters to their sons, neither take their daughters to your sons, nor seek their peace or their prosperity forever; that you may be strong, and eat the good of the land, and leave it for an inheritance to your children forever.’ 9:13 “After all that has come on us for our evil deeds, and for our great guilt, since you, our God, have punished us less than our iniquities deserve, and have given us such a remnant, 9:14 shall we again break your commandments, and join in affinity with the peoples that do these abominations? Wouldn’t you be angry with us until you had consumed us, so that there should be no remnant, nor any to escape? 9:15 Yahweh, the God of Israel, you are righteous; for we are left a remnant that has escaped, as it is this day. Behold, we are before you in our guiltiness; for none can stand before you because of this.”
| | Chapitre 9 1 Après que cela fut terminé, les chefs s'approchèrent de moi, en disant: Le peuple d'Israël, les sacrificateurs et les Lévites ne se sont point séparés des peuples de ces pays, et ils imitent leurs abominations, celles des Cananéens, des Héthiens, des Phéréziens, des Jébusiens, des Ammonites, des Moabites, des Égyptiens et des Amoréens. 2 Car ils ont pris de leurs filles pour eux et pour leurs fils, et ont mêlé la race sainte avec les peuples de ces pays; et les chefs et les magistrats ont été les premiers à commettre ce péché. 3 Lorsque j'entendis cela, je déchirai mes vêtements et mon manteau, je m'arrachai les cheveux de la tête et les poils de la barbe, et je m'assis désolé. 4 Auprès de moi s'assemblèrent tous ceux que faisaient trembler les paroles du Dieu d'Israël, à cause du péché des fils de la captivité; et moi, je restai assis et désolé, jusqu'à l'offrande du soir. 5 Puis, au moment de l'offrande du soir, je me levai du sein de mon humiliation, avec mes vêtements et mon manteau déchirés, je tombai à genoux, j'étendis les mains vers l'Éternel, mon Dieu, 6 et je dis: Mon Dieu, je suis dans la confusion, et j'ai honte, ô mon Dieu, de lever ma face vers toi; car nos iniquités se sont multipliées par-dessus nos têtes, et nos fautes ont atteint jusqu'aux cieux. 7 Depuis les jours de nos pères nous avons été grandement coupables jusqu'à ce jour, et c'est à cause de nos iniquités que nous avons été livrés, nous, nos rois et nos sacrificateurs, aux mains des rois étrangers, à l'épée, à la captivité, au pillage, et à la honte qui couvre aujourd'hui notre visage. 8 Et cependant l'Éternel, notre Dieu, vient de nous faire grâce en nous laissant quelques réchappés et en nous accordant un abri dans son saint lieu, afin d'éclaircir nos yeux et de nous donner un peu de vie au milieu de notre servitude. 9 Car nous sommes esclaves, mais Dieu ne nous a pas abandonnés dans notre servitude. Il nous a rendus les objets de la bienveillance des rois de Perse, pour nous conserver la vie afin que nous puissions bâtir la maison de notre Dieu et en relever les ruines, et pour nous donner une retraite en Juda et à Jérusalem. 10 Maintenant, que dirons-nous après cela, ô notre Dieu? Car nous avons abandonné tes commandements, 11 que tu nous avais prescrits par tes serviteurs les prophètes, en disant: Le pays dans lequel vous entrez pour le posséder est un pays souillé par les impuretés des peuples de ces contrées, par les abominations dont ils l'ont rempli d'un bout à l'autre avec leurs impuretés; 12 ne donnez donc point vos filles à leurs fils et ne prenez point leurs filles pour vos fils, et n'ayez jamais souci ni de leur prospérité ni de leur bien-être, et ainsi vous deviendrez forts, vous mangerez les meilleures productions du pays, et vous le laisserez pour toujours en héritage à vos fils. 13 Après tout ce qui nous est arrivé à cause des mauvaises actions et des grandes fautes que nous avons commises, quoique tu ne nous aies pas, ô notre Dieu, punis en proportion de nos iniquités, et maintenant que tu nous as conservé ces réchappés, 14 recommencerions-nous à violer tes commandements et à nous allier avec ces peuples abominables? Ta colère n'éclaterait-elle pas encore contre nous jusqu'à nous détruire, sans laisser ni reste ni réchappés? 15 Éternel, Dieu d'Israël, tu es juste, car nous sommes aujourd'hui un reste de réchappés. Nous voici devant toi comme des coupables, et nous ne saurions ainsi subsister devant ta face. | |