T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny amin'ny handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,

3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.

4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]

5 Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.

6 Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na: tsangam-batonareo]

7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.

9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;

10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.

11 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!

12 Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.

13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;

14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 6

6:1 The word of Yahweh came to me, saying, 6:2 Son of man, set your face toward the mountains of Israel, and prophesy to them, 6:3 and say, You mountains of Israel, hear the word of the Lord Yahweh: Thus says the Lord Yahweh to the mountains and to the hills, to the watercourses and to the valleys: Behold, I, even I, will bring a sword on you, and I will destroy your high places. 6:4 Your altars shall become desolate, and your incense altars shall be broken; and I will cast down your slain men before your idols. 6:5 I will lay the dead bodies of the children of Israel before their idols; and I will scatter your bones around your altars. 6:6 In all your dwelling places the cities shall be laid waste, and the high places shall be desolate; that your altars may be laid waste and made desolate, and your idols may be broken and cease, and your incense altars may be cut down, and your works may be abolished. 6:7 The slain shall fall in the midst of you, and you shall know that I am Yahweh. 6:8 Yet will I leave a remnant, in that you shall have some that escape the sword among the nations, when you shall be scattered through the countries. 6:9 Those of you that escape shall remember me among the nations where they shall be carried captive, how that I have been broken with their lewd heart, which has departed from me, and with their eyes, which play the prostitute after their idols: and they shall loathe themselves in their own sight for the evils which they have committed in all their abominations. 6:10 They shall know that I am Yahweh: I have not said in vain that I would do this evil to them. 6:11 Thus says the Lord Yahweh: Strike with your hand, and stamp with your foot, and say, Alas! because of all the evil abominations of the house of Israel; for they shall fall by the sword, by the famine, and by the pestilence. 6:12 He who is far off shall die of the pestilence; and he who is near shall fall by the sword; and he who remains and is besieged shall die by the famine: thus will I accomplish my wrath on them. 6:13 You shall know that I am Yahweh, when their slain men shall be among their idols around their altars, on every high hill, on all the tops of the mountains, and under every green tree, and under every thick oak, the places where they offered pleasant aroma to all their idols. 6:14 I will stretch out my hand on them, and make the land desolate and waste, from the wilderness toward Diblah, throughout all their habitations: and they shall know that I am Yahweh.

 

Chapitre 6  La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, tourne ta face vers les montagnes d'Israël, Et prophétise contre elles! 3 Tu diras: Montagnes d'Israël, Écoutez la parole du Seigneur, de l'Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel, Aux montagnes et aux collines, aux ravins et aux vallées: Voici, je fais venir l'épée contre vous, Et je détruirai vos hauts lieux. 4 Vos autels seront dévastés, Vos statues du soleil seront brisées, Et je ferai tomber vos morts devant vos idoles. 5 Je mettrai les cadavres des enfants d'Israël devant leurs idoles, Et je disperserai vos ossements autour de vos autels. 6 Partout où vous habitez, vos villes seront ruinées, Et vos hauts lieux dévastés; Vos autels seront délaissés et abandonnés, Vos idoles seront brisées et disparaîtront, Vos statues du soleil seront abattues, Et vos ouvrages anéantis. 7 Les morts tomberont au milieu de vous, Et vous saurez que je suis l'Éternel. 8 Mais je laisserai quelques restes d'entre vous, Qui échapperont à l'épée parmi les nations, Lorsque vous serez dispersés en divers pays. 9 Vos réchappés se souviendront de moi Parmi les nations où ils seront captifs, Parce que j'aurai brisé leur coeur adultère et infidèle, Et leurs yeux qui se sont prostitués après leurs idoles; Ils se prendront eux-mêmes en dégoût, A cause des infamies qu'ils ont commises, A cause de toutes leurs abominations. 10 Et ils sauront que je suis l'Éternel, Et que ce n'est pas en vain que je les ai menacés De leur envoyer tous ces maux. 11 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Frappe de la main, frappe du pied, et dis: Hélas! Sur toutes les méchantes abominations de la maison d'Israël, Qui tombera par l'épée, par la famine et par la peste. 12 Celui qui sera loin mourra de la peste, Celui qui sera près tombera par l'épée, Celui qui restera et sera assiégé périra par la famine. J'assouvirai ainsi ma fureur sur eux. 13 Et vous saurez que je suis l'Éternel, Quand leurs morts seront au milieu de leurs idoles, Autour de leurs autels, Sur toute colline élevée, sur tous les sommets des montagnes, Sous tout arbre vert, sous tout chêne touffu, Là où ils offraient des parfums d'une agréable odeur A toutes leurs idoles. 14 J'étendrai ma main contre eux, Et je rendrai le pays plus solitaire et plus désolé Que le désert de Dibla, Partout où ils habitent. Et ils sauront que je suis l'Éternel.