| Chapitre 47 1 [Ny amin'ny onin'ny ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara. 2 Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana. 3 Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano. 4 Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano. 5 Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana. 6 Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy. 7 Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa. 8 Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay* ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabà] 9 Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa] 10 Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe. 11 Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira. 12 Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. * 13 [Ny ho faritry ny Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanànan'Andriamanitra] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa. 14 Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity. 15 Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada, 16 dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana. 17 Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra. 18 Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. 19 Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. 20 Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana. 21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely. 22 Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy. 23 Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
| | Chapitre 47 47:1 He brought me back to the door of the house; and behold, waters issued out from under the threshold of the house eastward; (for the forefront of the house was toward the east;) and the waters came down from under, from the right side of the house, on the south of the altar. 47:2 Then he brought me out by the way of the gate northward, and led me round by the way outside to the outer gate, by the way of the gate that looks toward the east; and behold, there ran out waters on the right side. 47:3 When the man went forth eastward with the line in his hand, he measured one thousand cubits, and he caused me to pass through the waters, waters that were to the ankles. 47:4 Again he measured one thousand, and caused me to pass through the waters, waters that were to the knees. Again he measured one thousand, and caused me to pass through the waters, waters that were to the waist. 47:5 Afterward he measured one thousand; and it was a river that I could not pass through; for the waters were risen, waters to swim in, a river that could not be passed through. 47:6 He said to me, Son of man, have you seen this? Then he brought me, and caused me to return to the bank of the river. 47:7 Now when I had returned, behold, on the bank of the river were very many trees on the one side and on the other. 47:8 Then he said to me, These waters issue forth toward the eastern region, and shall go down into the Arabah; and they shall go toward the sea; into the sea shall the waters go which were made to issue forth; and the waters shall be healed. 47:9 It shall happen, that every living creature which swarms, in every place where the rivers come, shall live; and there shall be a very great multitude of fish; for these waters have come there, and the waters of the sea shall be healed, and everything shall live wherever the river comes. 47:10 It shall happen, that fishermen shall stand by it: from En Gedi even to En Eglaim shall be a place for the spreading of nets; their fish shall be after their kinds, as the fish of the great sea, exceeding many. 47:11 But the miry places of it, and its marshes, shall not be healed; they shall be given up to salt. 47:12 By the river on its bank, on this side and on that side, shall grow every tree for food, whose leaf shall not wither, neither shall its fruit fail: it shall bring forth new fruit every month, because its waters issue out of the sanctuary; and its fruit shall be for food, and its leaf for healing. 47:13 Thus says the Lord Yahweh: This shall be the border, by which you shall divide the land for inheritance according to the twelve tribes of Israel: Joseph shall have two portions. 47:14 You shall inherit it, one as well as another; for I swore to give it to your fathers: and this land shall fall to you for inheritance. 47:15 This shall be the border of the land: On the north side, from the great sea, by the way of Hethlon, to the entrance of Zedad; 47:16 Hamath, Berothah, Sibraim, which is between the border of Damascus and the border of Hamath; Hazer Hatticon, which is by the border of Hauran. 47:17 The border from the sea, shall be Hazar Enon at the border of Damascus; and on the north northward is the border of Hamath. This is the north side. 47:18 The east side, between Hauran and Damascus and Gilead, and the land of Israel, shall be the Jordan; from the north border to the east sea you shall measure. This is the east side. 47:19 The south side southward shall be from Tamar as far as the waters of Meriboth Kadesh, to the brook of Egypt, to the great sea. This is the south side southward. 47:20 The west side shall be the great sea, from the south border as far as over against the entrance of Hamath. This is the west side. 47:21 So you shall divide this land to you according to the tribes of Israel. 47:22 It shall happen, that you shall divide it by lot for an inheritance to you and to the aliens who live among you, who shall father children among you; and they shall be to you as the native-born among the children of Israel; they shall have inheritance with you among the tribes of Israel. 47:23 It shall happen, that in what tribe the stranger lives, there you shall give him his inheritance, says the Lord Yahweh.
| | Chapitre 47 1 Il me ramena vers la porte de la maison. Et voici, de l'eau sortait sous le seuil de la maison, à l'orient, car la face de la maison était à l'orient; l'eau descendait sous le côté droit de la maison, au midi de l'autel. 2 Il me conduisit par le chemin de la porte septentrionale, et il me fit faire le tour par dehors jusqu'à l'extérieur de la porte orientale. Et voici, l'eau coulait du côté droit. 3 Lorsque l'homme s'avança vers l'orient, il avait dans la main un cordeau, et il mesura mille coudées; il me fit traverser l'eau, et j'avais de l'eau jusqu'aux chevilles. 4 Il mesura encore mille coudées, et me fit traverser l'eau, et j'avais de l'eau jusqu'aux genoux. Il mesura encore mille coudées, et me fit traverser, et j'avais de l'eau jusqu'aux reins. 5 Il mesura encore mille coudées; c'était un torrent que je ne pouvais traverser, car l'eau était si profonde qu'il fallait y nager; c'était un torrent qu'on ne pouvait traverser. 6 Il me dit: As-tu vu, fils de l'homme? Et il me ramena au bord du torrent. 7 Quand il m'eut ramené, voici, il y avait sur le bord du torrent beaucoup d'arbres de chaque côté. 8 Il me dit: Cette eau coulera vers le district oriental, descendra dans la plaine, et entrera dans la mer; lorsqu'elle se sera jetée dans la mer, les eaux de la mer deviendront saines. 9 Tout être vivant qui se meut vivra partout où le torrent coulera, et il y aura une grande quantité de poissons; car là où cette eau arrivera, les eaux deviendront saines, et tout vivra partout où parviendra le torrent. 10 Des pêcheurs se tiendront sur ses bords; depuis En-Guédi jusqu'à En-Églaïm, on étendra les filets; il y aura des poissons de diverses espèces, comme les poissons de la grande mer, et ils seront très nombreux. 11 Ses marais et ses fosses ne seront point assainis, ils seront abandonnés au sel. 12 Sur le torrent, sur ses bords de chaque côté, croîtront toutes sortes d'arbres fruitiers. Leur feuillage ne se flétrira point, et leurs fruits n'auront point de fin, ils mûriront tous les mois, parce que les eaux sortiront du sanctuaire. Leurs fruits serviront de nourriture, et leurs feuilles de remède. 13 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici les limites du pays que vous distribuerez en héritage aux douze tribus d'Israël. Joseph aura deux parts. 14 Vous en aurez la possession l'un comme l'autre; car j'ai juré, la main levée, de le donner à vos pères. Ce pays vous tombera donc en partage. 15 Voici les limites du pays. Du côté septentrional, depuis la grande mer, le chemin de Hethlon jusqu'à Tsedad, 16 Hamath, Bérotha, Sibraïm, entre la frontière de Damas et la frontière de Hamath, Hatzer-Hatthicon, vers la frontière de Havran; 17 ainsi la limite sera, depuis la mer, Hatsar-Énon, la frontière de Damas, Tsaphon au nord, et la frontière de Hamath: ce sera le côté septentrional. 18 Le côté oriental sera le Jourdain, entre Havran, Damas et Galaad, et le pays d'Israël; vous mesurerez depuis la limite septentrionale jusqu'à la mer orientale: ce sera le côté oriental. 19 Le côté méridional, au midi, ira depuis Thamar jusqu'aux eaux de Meriba à Kadès, jusqu'au torrent vers la grande mer: ce sera le côté méridional. 20 Le côté occidental sera la grande mer, depuis la limite jusque vis-à-vis de Hamath: ce sera le côté occidental. 21 Vous partagerez ce pays entre vous, selon les tribus d'Israël. 22 Vous le diviserez en héritage par le sort pour vous et pour les étrangers qui séjourneront au milieu de vous, qui engendreront des enfants au milieu de vous; vous les regarderez comme indigènes parmi les enfants d'Israël; ils partageront au sort l'héritage avec vous parmi les tribus d'Israël. 23 Vous donnerez à l'étranger son héritage dans la tribu où il séjournera, dit le Seigneur, l'Éternel.
| |