| Chapitre 46 1 [Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy. 2 Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro. 3 Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana. 4 Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa. 5 Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany] 6 ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo. 7 Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany] 8 Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. 9 Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany 10 Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy. 11 Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany] 12 Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady. 13 Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy. 14 Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany. 15 Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva. 16 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany. 17 Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany. 18 Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny. 19 Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana. 20 Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona. 21 Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa. 22 Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo. 23 Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany. 24 Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona. | | Chapitre 46 46:1 Thus says the Lord Yahweh: The gate of the inner court that looks toward the east shall be shut the six working days; but on the Sabbath day it shall be opened, and on the day of the new moon it shall be opened. 46:2 The prince shall enter by the way of the porch of the gate outside, and shall stand by the post of the gate; and the priests shall prepare his burnt offering and his peace offerings, and he shall worship at the threshold of the gate: then he shall go forth; but the gate shall not be shut until the evening. 46:3 The people of the land shall worship at the door of that gate before Yahweh on the Sabbaths and on the new moons. 46:4 The burnt offering that the prince shall offer to Yahweh shall be on the Sabbath day six lambs without blemish and a ram without blemish; 46:5 and the meal offering shall be an ephah for the ram, and the meal offering for the lambs as he is able to give, and a hin of oil to an ephah. 46:6 On the day of the new moon it shall be a young bull without blemish, and six lambs, and a ram; they shall be without blemish: 46:7 and he shall prepare a meal offering, an ephah for the bull, and an ephah for the ram, and for the lambs according as he is able, and a hin of oil to an ephah. 46:8 When the prince shall enter, he shall go in by the way of the porch of the gate, and he shall go forth by its way. 46:9 But when the people of the land shall come before Yahweh in the appointed feasts, he who enters by the way of the north gate to worship shall go forth by the way of the south gate; and he who enters by the way of the south gate shall go forth by the way of the north gate: he shall not return by the way of the gate by which he came in, but shall go forth straight before him. 46:10 The prince, when they go in, shall go in with of them; and when they go out, he shall go out. 46:11 In the feasts and in the solemnities the meal offering shall be an ephah for a bull, and an ephah for a ram, and for the lambs as he is able to give, and a hin of oil to an ephah. 46:12 When the prince shall prepare a freewill offering, a burnt offering or peace offerings as a freewill offering to Yahweh, one shall open for him the gate that looks toward the east; and he shall prepare his burnt offering and his peace offerings, as he does on the Sabbath day: then he shall go forth; and after his going forth one shall shut the gate. 46:13 You shall prepare a lamb a year old without blemish for a burnt offering to Yahweh daily: morning by morning you shall prepare it. 46:14 You shall prepare a meal offering with it morning by morning, the sixth part of an ephah, and the third part of a hin of oil, to moisten the fine flour; a meal offering to Yahweh continually by a perpetual ordinance. 46:15 Thus shall they prepare the lamb, and the meal offering, and the oil, morning by morning, for a continual burnt offering. 46:16 Thus says the Lord Yahweh: If the prince give a gift to any of his sons, it is his inheritance, it shall belong to his sons; it is their possession by inheritance. 46:17 But if he give of his inheritance a gift to one of his servants, it shall be his to the year of liberty; then it shall return to the prince; but as for his inheritance, it shall be for his sons. 46:18 Moreover the prince shall not take of the people’s inheritance, to thrust them out of their possession; he shall give inheritance to his sons out of his own possession, that my people not be scattered every man from his possession. 46:19 Then he brought me through the entry, which was at the side of the gate, into the holy rooms for the priests, which looked toward the north: and behold, there was a place on the hinder part westward. 46:20 He said to me, This is the place where the priests shall boil the trespass offering and the sin offering, and where they shall bake the meal offering; that they not bring them forth into the outer court, to sanctify the people. 46:21 Then he brought me forth into the outer court, and caused me to pass by the four corners of the court; and behold, in every corner of the court there was a court. 46:22 In the four corners of the court there were courts enclosed, forty cubits long and thirty broad: these four in the corners were of one measure. 46:23 There was a wall around in them, around the four, and boiling places were made under the walls all around. 46:24 Then he said to me, These are the boiling houses, where the ministers of the house shall boil the sacrifice of the people.
| | Chapitre 46 1 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: La porte du parvis intérieur, du côté de l'orient, restera fermée les six jours ouvriers; mais elle sera ouverte le jour du sabbat, elle sera aussi ouverte le jour de la nouvelle lune. 2 Le prince entrera par le chemin du vestibule de la porte extérieure, et se tiendra près des poteaux de la porte; les sacrificateurs offriront son holocauste et ses sacrifices d'actions de grâces; il se prosternera sur le seuil de la porte, puis il sortira, et la porte ne sera pas fermée avant le soir. 3 Le peuple du pays se prosternera devant l'Éternel à l'entrée de cette porte, aux jours de sabbat et aux nouvelles lunes. 4 L'holocauste que le prince offrira à l'Éternel, le jour du sabbat, sera de six agneaux sans défaut et d'un bélier sans défaut; 5 et son offrande, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha. 6 Le jour de la nouvelle lune, il offrira un jeune taureau sans défaut, six agneaux et un bélier qui seront sans défaut; 7 et son offrande sera d'un épha pour le taureau, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha. 8 Lorsque le prince entrera, il entrera par le chemin du vestibule de la porte, et il sortira par le même chemin. 9 Mais lorsque le peuple du pays se présentera devant l'Éternel, aux solennités, celui qui entrera par la porte septentrionale pour se prosterner sortira par la porte méridionale, et celui qui entrera par la porte méridionale sortira par la porte septentrionale; on ne devra pas s'en retourner par la porte par laquelle on sera entré, mais on sortira par celle qui lui est opposée. 10 Le prince entrera parmi eux quand ils entreront, et sortira quand ils sortiront. 11 Aux fêtes et aux solennités, l'offrande sera d'un épha pour le taureau, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha. 12 Si le prince offre à l'Éternel un holocauste volontaire ou un sacrifice volontaire d'actions de grâces, on lui ouvrira la porte qui est du côté de l'orient, et il offrira son holocauste et son sacrifice d'actions de grâces comme il doit le faire le jour du sabbat; puis il sortira, et l'on fermera la porte après qu'il sera sorti. 13 Tu offriras chaque jour en holocauste à l'Éternel un agneau d'un an, sans défaut; tu l'offriras tous les matins. 14 Tu y joindras pour offrande, tous les matins, un sixième d'épha, et le tiers d'un hin d'huile pour pétrir la farine. C'est l'offrande à l'Éternel, une loi perpétuelle, pour toujours. 15 On offrira, tous les matins, l'agneau et l'offrande avec l'huile, comme holocauste perpétuel. 16 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Si le prince fait à l'un de ses fils un don pris sur son héritage, ce don appartiendra à ses fils, ce sera leur propriété comme héritage. 17 Mais s'il fait à l'un de ses serviteurs un don pris sur son héritage, ce don lui appartiendra jusqu'à l'année de la liberté, puis il retournera au prince; ses fils seuls posséderont ce qu'il leur donnera de son héritage. 18 Le prince ne prendra rien de l'héritage du peuple, il ne le dépouillera pas de ses possessions; ce qu'il donnera en héritage à ses fils, il le prendra sur ce qu'il possède, afin que nul parmi mon peuple ne soit éloigné de sa possession. 19 Il me conduisit, par l'entrée qui était à côté de la porte, dans les chambres saintes destinées aux sacrificateurs, vers le septentrion. Et voici, il y avait un lieu dans le fond, du côté de l'occident. 20 Il me dit: C'est le lieu où les sacrificateurs feront cuire la chair des sacrifices de culpabilité et d'expiation, et où ils feront cuire les offrandes, pour éviter de les porter dans le parvis extérieur et de sanctifier le peuple. 21 Il me conduisit ensuite dans le parvis extérieur, et me fit passer vers les quatre angles du parvis. Et voici, il y avait une cour à chacun des angles du parvis. 22 Aux quatre angles du parvis il y avait des cours voûtées, longues de quarante coudées et larges de trente; toutes les quatre avaient la même mesure, dans les angles. 23 Un mur les entourait toutes les quatre, et des foyers étaient pratiqués au bas du mur tout autour. 24 Il me dit: Ce sont les cuisines, où les serviteurs de la maison feront cuire la chair des sacrifices offerts par le peuple. | |