T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 44

1 [Lalàna ny amin'ny mpanjaka sy ny mpisorona] Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.

2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona; fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.

3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.

4 Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.

5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.

6 Ary lazao amin'ireo maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!

7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;

8 ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.

9 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.

10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.

11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly* sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.[Heb. trano]

12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,

13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.

14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.

15 Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.

16 Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.

17 Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.

18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.

19 Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.

20 Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.

21 Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.

22 Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.

23 Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.

24 Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.

25 Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.

26 Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.

27 Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.

28 Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.

29 Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana* eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb. herema]

30 Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.

31 Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.

 

Chapitre 44

44:1 Then he brought me back by the way of the outer gate of the sanctuary, which looks toward the east; and it was shut. 44:2 Yahweh said to me, This gate shall be shut; it shall not be opened, neither shall any man enter in by it; for Yahweh, the God of Israel, has entered in by it; therefore it shall be shut. 44:3 As for the prince, he shall sit therein as prince to eat bread before Yahweh; he shall enter by the way of the porch of the gate, and shall go out by the way of the same. 44:4 Then he brought me by the way of the north gate before the house; and I looked, and behold, the glory of Yahweh filled the house of Yahweh: and I fell on my face. 44:5 Yahweh said to me, Son of man, mark well, and see with your eyes, and hear with your ears all that I tell you concerning all the ordinances of the house of Yahweh, and all its laws; and mark well the entrance of the house, with every exit of the sanctuary. 44:6 You shall tell the rebellious, even to the house of Israel, Thus says the Lord Yahweh: you house of Israel, let it suffice you of all your abominations, 44:7 in that you have brought in foreigners, uncircumcised in heart and uncircumcised in flesh, to be in my sanctuary, to profane it, even my house, when you offer my bread, the fat and the blood, and they have broken my covenant, to add to all your abominations. 44:8 You have not performed the duty of my holy things; but you have set performers of my duty in my sanctuary for yourselves. 44:9 Thus says the Lord Yahweh, No foreigner, uncircumcised in heart and uncircumcised in flesh, shall enter into my sanctuary, of any foreigners who are among the children of Israel. 44:10 But the Levites who went far from me, when Israel went astray, who went astray from me after their idols, they shall bear their iniquity. 44:11 Yet they shall be ministers in my sanctuary, having oversight at the gates of the house, and ministering in the house: they shall kill the burnt offering and the sacrifice for the people, and they shall stand before them to minister to them. 44:12 Because they ministered to them before their idols, and became a stumbling block of iniquity to the house of Israel; therefore have I lifted up my hand against them, says the Lord Yahweh, and they shall bear their iniquity. 44:13 They shall not come near to me, to execute the office of priest to me, nor to come near to any of my holy things, to the things that are most holy; but they shall bear their shame, and their abominations which they have committed. 44:14 Yet will I make them performers of the duty of the house, for all its service, and for all that shall be done therein. 44:15 But the priests the Levites, the sons of Zadok, who performed the duty of my sanctuary when the children of Israel went astray from me, they shall come near to me to minister to me; and they shall stand before me to offer to me the fat and the blood, says the Lord Yahweh: 44:16 they shall enter into my sanctuary, and they shall come near to my table, to minister to me, and they shall keep my instruction. 44:17 It shall be that, when they enter in at the gates of the inner court, they shall be clothed with linen garments; and no wool shall come on them, while they minister in the gates of the inner court, and within. 44:18 They shall have linen tires on their heads, and shall have linen breeches on their waists; they shall not clothe themselves with anything that causes sweat. 44:19 When they go forth into the outer court, even into the outer court to the people, they shall put off their garments in which they minister, and lay them in the holy rooms; and they shall put on other garments, that they not sanctify the people with their garments. 44:20 Neither shall they shave their heads, nor allow their locks to grow long; they shall only cut off the hair of their heads. 44:21 Neither shall any of the priests drink wine, when they enter into the inner court. 44:22 Neither shall they take for their wives a widow, nor her who is put away; but they shall take virgins of the seed of the house of Israel, or a widow who is the widow of a priest. 44:23 They shall teach my people the difference between the holy and the common, and cause them to discern between the unclean and the clean. 44:24 In a controversy they shall stand to judge; according to my ordinances shall they judge it: and they shall keep my laws and my statutes in all my appointed feasts; and they shall make my Sabbaths holy. 44:25 They shall go in to no dead person to defile themselves; but for father, or for mother, or for son, or for daughter, for brother, or for sister who has had no husband, they may defile themselves. 44:26 After he is cleansed, they shall reckon to him seven days. 44:27 In the day that he goes into the sanctuary, into the inner court, to minister in the sanctuary, he shall offer his sin offering, says the Lord Yahweh. 44:28 They shall have an inheritance: I am their inheritance; and you shall give them no possession in Israel; I am their possession. 44:29 They shall eat the meal offering, and the sin offering, and the trespass offering; and every devoted thing in Israel shall be theirs. 44:30 The first of all the first fruits of every thing, and every offering of everything, of all your offerings, shall be for the priest: you shall also give to the priests the first of your dough, to cause a blessing to rest on your house. 44:31 The priests shall not eat of anything that dies of itself, or is torn, whether it be bird or animal.

 

Chapitre 44

1 Il me ramena vers la porte extérieure du sanctuaire, du côté de l'orient. Mais elle était fermée. 2 Et l'Éternel me dit: Cette porte sera fermée, elle ne s'ouvrira point, et personne n'y passera; car l'Éternel, le Dieu d'Israël est entré par là. Elle restera fermée. 3 Pour ce qui concerne le prince, le prince pourra s'y asseoir, pour manger le pain devant l'Éternel; il entrera par le chemin du vestibule de la porte, et il sortira par le même chemin. 4 Il me conduisit vers la porte du septentrion, devant la maison. Je regardai, et voici, la gloire de l'Éternel remplissait la maison de l'Éternel. Et je tombai sur ma face. 5 L'Éternel me dit: Fils de l'homme, sois attentif, et regarde de tes yeux! Écoute de tes oreilles tout ce que je te dirai au sujet de toutes les ordonnances de la maison de l'Éternel et de toutes ses lois; considère attentivement l'entrée de la maison et toutes les issues du sanctuaire. 6 Tu diras aux rebelles, à la maison d'Israël: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Assez de toutes vos abominations, maison d'Israël! 7 Vous avez introduit dans mon sanctuaire des étrangers incirconcis de coeur et incirconcis de chair, pour profaner ma maison; vous avez offert mon pain, la graisse et le sang à toutes vos abominations, vous avez rompu mon alliance. 8 Vous n'avez pas fait le service de mon sanctuaire, mais vous les avez mis à votre place pour faire le service dans mon sanctuaire. 9 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Aucun étranger, incirconcis de coeur et incirconcis de chair, n'entrera dans mon sanctuaire, aucun des étrangers qui seront au milieu des enfants d'Israël. 10 De plus, les Lévites qui se sont éloignés de moi, quand Israël s'égarait et se détournait de moi pour suivre ses idoles, porteront la peine de leur iniquité. 11 Ils seront dans mon sanctuaire comme serviteurs, ils auront la garde des portes de la maison; et feront le service de la maison; ils égorgeront pour le peuple les victimes destinées aux holocaustes et aux autres sacrifices, et ils se tiendront devant lui pour être à son service. 12 Parce qu'ils l'ont servi devant ses idoles, et qu'ils ont fait tomber dans le péché la maison d'Israël, je lève ma main sur eux, dit le Seigneur, l'Éternel, pour qu'ils portent la peine de leur iniquité. 13 Ils ne s'approcheront pas de moi pour être à mon service dans le sacerdoce, ils ne s'approcheront pas de mes sanctuaires, de mes lieux très saints; ils porteront la peine de leur ignominie et des abominations qu'ils ont commises. 14 Je leur donnerai la garde de la maison, et ils en feront tout le service et tout ce qui doit s'y faire. 15 Mais les sacrificateurs, les Lévites, fils de Tsadok, qui ont fait le service de mon sanctuaire quand les enfants d'Israël s'égaraient loin de moi, ceux-là s'approcheront de moi pour me servir, et se tiendront devant moi pour m'offrir la graisse et le sang, dit le Seigneur, l'Éternel. 16 Ils entreront dans mon sanctuaire, ils s'approcheront de ma table pour me servir, ils seront à mon service. 17 Lorsqu'ils franchiront les portes du parvis intérieur, ils revêtiront des habits de lin; ils n'auront sur eux rien qui soit en laine, quand ils feront le service aux portes du parvis intérieur et dans la maison. 18 Ils auront des tiares de lin sur la tête, et des caleçons de lin sur leurs reins; ils ne se ceindront point de manière à exciter la sueur. 19 Lorsqu'ils sortiront pour aller dans le parvis extérieur, dans le parvis extérieur vers le peuple, ils ôteront les vêtements avec lesquels ils font le service, et les déposeront dans les chambres du sanctuaire; ils en mettront d'autres, afin de ne pas sanctifier le peuple par leurs vêtements. 20 Ils ne se raseront pas la tête, et ne laisseront pas non plus croître leurs cheveux; mais ils devront couper leur chevelure. 21 Aucun sacrificateur ne boira du vin lorsqu'il entrera dans le parvis intérieur. 22 Ils ne prendront pour femme ni une veuve, ni une femme répudiée, mais ils prendront des vierges de la race de la maison d'Israël; ils pourront aussi prendre la veuve d'un sacrificateur. 23 Ils enseigneront à mon peuple à distinguer ce qui est saint de ce qui est profane, ils lui feront connaître la différence entre ce qui est impur et ce qui est pur. 24 Ils seront juges dans les contestations, et ils jugeront d'après mes lois. Ils observeront aussi mes lois et mes ordonnances dans toutes mes fêtes, et ils sanctifieront mes sabbats. 25 Un sacrificateur n'ira pas vers un mort, de peur de se rendre impur; il ne pourra se rendre impur que pour un père, pour une mère, pour un fils, pour une fille, pour un frère, et pour une soeur qui n'était pas mariée. 26 Après sa purification, on lui comptera sept jours. 27 Le jour où il entrera dans le sanctuaire, dans le parvis intérieur, pour faire le service dans le sanctuaire, il offrira son sacrifice d'expiation, dit le Seigneur, l'Éternel. 28 Voici l'héritage qu'ils auront: c'est moi qui serai leur héritage. Vous ne leur donnerez point de possession en Israël: je serai leur possession. 29 Ils se nourriront des offrandes, des sacrifices d'expiation et de culpabilité; et tout ce qui sera dévoué par interdit en Israël sera pour eux. 30 Les prémices de tous les fruits, et toutes les offrandes que vous présenterez par élévation, appartiendront aux sacrificateurs; vous donnerez aux sacrificateurs les prémices de votre pâte, afin que la bénédiction repose sur votre maison. 31 Les sacrificateurs ne mangeront d'aucun oiseau et d'aucun animal mort ou déchiré.