T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 41

1 Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.

2 Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

3 Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.

4 Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.

5 Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.

6 Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.

7 Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.

 

8 Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia* eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]

9 Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.

10 Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.

11 Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.

12 Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.

 

13 Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.

14 Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.

 

15 Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja

16 ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),

17 ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.

18 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia* natao, ka ny sarin'ny hazo rofia* dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]

19 ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia* tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]

20 Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia*, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]

21 Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.

22 Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.

23 Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.

24 Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.

25 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia* natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana** hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[*palma][**Na: tatao]

26 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia* teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana*.[*palma][**Na: tatao]

 

Chapitre 41

41:1 He brought me to the temple, and measured the posts, six cubits broad on the one side, and six cubits broad on the other side, which was the breadth of the tent. 41:2 The breadth of the entrance was ten cubits; and the sides of the entrance were five cubits on the one side, and five cubits on the other side: and he measured its length, forty cubits, and the breadth, twenty cubits. 41:3 Then went he inward, and measured each post of the entrance, two cubits; and the entrance, six cubits; and the breadth of the entrance, seven cubits. 41:4 He measured its length, twenty cubits, and the breadth, twenty cubits, before the temple: and he said to me, This is the most holy place. 41:5 Then he measured the wall of the house, six cubits; and the breadth of every side room, four cubits, all around the house on every side. 41:6 The side rooms were in three stories, one over another, and thirty in order; and they entered into the wall which belonged to the house for the side rooms all around, that they might have hold therein, and not have hold in the wall of the house. 41:7 The side rooms were broader as they encompassed the house higher and higher; for the encompassing of the house went higher and higher around the house: therefore the breadth of the house continued upward; and so one went up from the lowest room to the highest by the middle room. 41:8 I saw also that the house had a raised base all around: the foundations of the side rooms were a full reed of six great cubits. 41:9 The thickness of the wall, which was for the side rooms, on the outside, was five cubits: and that which was left was the place of the side rooms that belonged to the house. 41:10 Between the rooms was a breadth of twenty cubits around the house on every side. 41:11 The doors of the side rooms were toward the place that was left, one door toward the north, and another door toward the south: and the breadth of the place that was left was five cubits all around. 41:12 The building that was before the separate place at the side toward the west was seventy cubits broad; and the wall of the building was five cubits thick all around, and its length ninety cubits. 41:13 So he measured the house, one hundred cubits long; and the separate place, and the building, with its walls, one hundred cubits long; 41:14 also the breadth of the face of the house, and of the separate place toward the east, one hundred cubits. 41:15 He measured the length of the building before the separate place which was at its back, and its galleries on the one side and on the other side, one hundred cubits; and the inner temple, and the porches of the court; 41:16 the thresholds, and the closed windows, and the galleries around on their three stories, over against the threshold, with wood ceilings all around, and from the ground up to the windows, (now the windows were covered), 41:17 to the space above the door, even to the inner house, and outside, and by all the wall all around inside and outside, by measure. 41:18 It was made with cherubim and palm trees; and a palm tree was between cherub and cherub, and every cherub had two faces; 41:19 so that there was the face of a man toward the palm tree on the one side, and the face of a young lion toward the palm tree on the other side. thus was it made through all the house all around: 41:20 from the ground to above the door were cherubim and palm trees made: thus was the wall of the temple. 41:21 As for the temple, the door posts were squared; and as for the face of the sanctuary, the appearance of it was as the appearance of the temple. 41:22 The altar was of wood, three cubits high, and its length two cubits; and its corners, and its length, and its walls, were of wood: and he said to me, This is the table that is before Yahweh. 41:23 The temple and the sanctuary had two doors. 41:24 The doors had two leaves apiece, two turning leaves: two leaves for the one door, and two leaves for the other. 41:25 There were made on them, on the doors of the temple, cherubim and palm trees, like as were made on the walls; and there was a threshold of wood on the face of the porch outside. 41:26 There were closed windows and palm trees on the one side and on the other side, on the sides of the porch: thus were the side rooms of the house, and the thresholds.

 

Chapitre 41
1 Il me conduisit dans le temple. Il mesura les poteaux; il y avait six coudées de largeur d'un côté, et six coudées de largeur de l'autre, largeur de la tente. 2 La largeur de la porte était de dix coudées; il y avait cinq coudées d'un côté de la porte, et cinq coudées de l'autre. Il mesura la longueur du temple, quarante coudées, et la largeur, vingt coudées. 3 Puis il entra dans l'intérieur. Il mesura les poteaux de la porte, deux coudées, la porte, six coudées, et la largeur de la porte, sept coudées. 4 Il mesura une longueur de vingt coudées, et une largeur de vingt coudées, sur le devant du temple; et il me dit: C'est ici le lieu très saint. 5 Il mesura le mur de la maison, six coudées, et la largeur des chambres latérales tout autour de la maison, quatre coudées. 6 Les chambres latérales étaient les unes à côté des autres, au nombre de trente, et il y avait trois étages; elles entraient dans un mur construit pour ces chambres tout autour de la maison, elles y étaient appuyées sans entrer dans le mur même de la maison. 7 Les chambres occupaient plus d'espace, à mesure qu'elles s'élevaient, et l'on allait en tournant; car on montait autour de la maison par un escalier tournant. Il y avait ainsi plus d'espace dans le haut de la maison, et l'on montait de l'étage inférieur à l'étage supérieur par celui du milieu. 8 Je considérai la hauteur autour de la maison. Les chambres latérales, à partir de leur fondement, avaient une canne pleine, six grandes coudées. 9 Le mur extérieur des chambres latérales avait une épaisseur de cinq coudées. L'espace libre entre les chambres latérales de la maison 10 et les chambres autour de la maison, avait une largeur de vingt coudées, tout autour. 11 L'entrée des chambres latérales donnait sur l'espace libre, une entrée au septentrion, et une entrée au midi; et la largeur de l'espace libre était de cinq coudées tout autour. 12 Le bâtiment qui était devant la place vide, du côté de l'occident, avait une largeur de soixante-dix coudées, un mur de cinq coudées d'épaisseur tout autour, et une longueur de quatre-vingt-dix coudées. 13 Il mesura la maison, qui avait cent coudées de longueur. La place vide, le bâtiment et ses murs, avaient une longueur de cent coudées. 14 La largeur de la face de la maison et de la place vide, du côté de l'orient, était de cent coudées. 15 Il mesura la longueur du bâtiment devant la place vide, sur le derrière, et ses galeries de chaque côté: il y avait cent coudées. (41:16) Le temple intérieur, les vestibules extérieurs, 16 les seuils, les fenêtres grillées, les galeries du pourtour aux trois étages, en face des seuils, étaient recouverts de bois tout autour. Depuis le sol jusqu'aux fenêtres fermées, 17 jusqu'au-dessus de la porte, le dedans de la maison, le dehors, toute la muraille du pourtour, à l'intérieur et à l'extérieur, tout était d'après la mesure, 18 et orné de chérubins et de palmes. Il y avait une palme entre deux chérubins. Chaque chérubin avait deux visages, 19 une face d'homme tournée d'un côté vers la palme, et une face de lion tournée de l'autre côté vers l'autre palme; il en était ainsi tout autour de la maison. 20 Depuis le sol jusqu'au-dessus de la porte, il y avait des chérubins et des palmes, et aussi sur la muraille du temple. 21 Les poteaux du temple étaient carrés, et la face du sanctuaire avait le même aspect. 22 L'autel était de bois, haut de trois coudées, et long de deux coudées. Ses angles, ses pieds, et ses côtés étaient de bois. L'homme me dit: C'est ici la table qui est devant l'Éternel. 23 Le temple et le sanctuaire avaient deux portes. 24 Il y avait aux portes deux battants, qui tous deux tournaient sur les portes, deux battants pour une porte et deux pour l'autre. 25 Des chérubins et des palmes étaient sculptés sur les portes du temple, comme sur les murs. Un entablement en bois était sur le front du vestibule en dehors. 26 Il y avait des fenêtres fermées, et il y avait des palmes de part et d'autre, ainsi qu'aux côtés du vestibule, aux chambres latérales de la maison, et aux entablements.