T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 40

1 [Ny fahitana naseho tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.

2 Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.

3 Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.

4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.

 

5 Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.

 

6 Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany*.[Na: ary eran'ny volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]

7 Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.

8 Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.

9 Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.

10 Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.

11 Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.

12 Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.

13 Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.

14 Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.

15 Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.

16 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady*; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia** avokoa.[*Na: sady manodidina azy ny vavahady][**palma]

17 Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.

18 Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.

19 Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.

20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.

21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia* taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]

23 Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.

 

24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.

25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia* iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]

27 Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.

28 Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;

29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.

31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]

32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.

33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.

34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]

 

35 Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,

36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]

 

38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.

39 Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.

40 Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.

41 Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.

42 Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.

43 Ary nisy fihantonana roa rantsana*, vodivoam-pelatanana ny halavany**, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[*Na: nisy filirany][**Na: ny habeny]

44 Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.

45 Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.

46 Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.

47 Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.

 

48 Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.

49 Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.

 

Chapitre 40

40:1 In the five and twentieth year of our captivity, in the beginning of the year, in the tenth day of the month, in the fourteenth year after that the city was struck, in the same day, the hand of Yahweh was on me, and he brought me there. 40:2 In the visions of God brought he me into the land of Israel, and set me down on a very high mountain, whereon was as it were the frame of a city on the south. 40:3 He brought me there; and, behold, there was a man, whose appearance was like the appearance of brass, with a line of flax in his hand, and a measuring reed; and he stood in the gate. 40:4 The man said to me, Son of man, see with your eyes, and hear with your ears, and set your heart on all that I shall show you; for, to the intent that I may show them to you, you are brought here: declare all that you see to the house of Israel. 40:5 Behold, a wall on the outside of the house all around, and in the man’s hand a measuring reed six cubits long, of a cubit and a handbreadth each: so he measured the thickness of the building, one reed; and the height, one reed. 40:6 Then came he to the gate which looks toward the east, and went up its steps: and he measured the threshold of the gate, one reed broad; and the other threshold, one reed broad. 40:7 Every lodge was one reed long, and one reed broad; and the space between the lodges was five cubits; and the threshold of the gate by the porch of the gate toward the house was one reed. 40:8 He measured also the porch of the gate toward the house, one reed. 40:9 Then measured he the porch of the gate, eight cubits; and its posts, two cubits; and the porch of the gate was toward the house. 40:10 The lodges of the gate eastward were three on this side, and three on that side; they three were of one measure: and the posts had one measure on this side and on that side. 40:11 He measured the breadth of the opening of the gate, ten cubits; and the length of the gate, thirteen cubits; 40:12 and a border before the lodges, one cubit on this side, and a border, one cubit on that side; and the lodges, six cubits on this side, and six cubits on that side. 40:13 He measured the gate from the roof of the one lodge to the roof of the other, a breadth of twenty-five cubits; door against door. 40:14 He made also posts, sixty cubits; and the court reached to the posts, around the gate. 40:15 From the forefront of the gate at the entrance to the forefront of the inner porch of the gate were fifty cubits. 40:16 There were closed windows to the lodges, and to their posts within the gate all around, and likewise to the arches; and windows were around inward; and on each post were palm trees. 40:17 Then brought he me into the outer court; and behold, there were rooms and a pavement, made for the court all around: thirty rooms were on the pavement. 40:18 The pavement was by the side of the gates, answerable to the length of the gates, even the lower pavement. 40:19 Then he measured the breadth from the forefront of the lower gate to the forefront of the inner court outside, one hundred cubits, both on the east and on the north. 40:20 The gate of the outer court whose prospect is toward the north, he measured its length and its breadth. 40:21 The lodges of it were three on this side and three on that side; and its posts and its arches were after the measure of the first gate: its length was fifty cubits, and the breadth twenty-five cubits. 40:22 The windows of it, and its arches, and the palm trees of it, were after the measure of the gate whose prospect is toward the east; and they went up to it by seven steps; and its arches were before them. 40:23 There was a gate to the inner court over against the other gate, both on the north and on the east; and he measured from gate to gate one hundred cubits. 40:24 He led me toward the south; and behold, a gate toward the south: and he measured its posts and its arches according to these measures. 40:25 There were windows in it and in its arches all around, like those windows: the length was fifty cubits, and the breadth twenty-five cubits. 40:26 There were seven steps to go up to it, and its arches were before them; and it had palm trees, one on this side, and another on that side, on its posts. 40:27 There was a gate to the inner court toward the south: and he measured from gate to gate toward the south a hundred cubits. 40:28 Then he brought me to the inner court by the south gate: and he measured the south gate according to these measures; 40:29 and its lodges, and its posts, and its arches, according to these measures: and there were windows in it and in its arches all around; it was fifty cubits long, and twenty-five cubits broad. 40:30 There were arches all around, twenty-five cubits long, and five cubits broad. 40:31 The arches of it were toward the outer court; and palm trees were on its posts: and the ascent to it had eight steps. 40:32 He brought me into the inner court toward the east: and he measured the gate according to these measures; 40:33 and its lodges, and its posts, and its arches, according to these measures: and there were windows therein and in its arches all around; it was fifty cubits long, and twenty-five cubits broad. 40:34 The arches of it were toward the outer court; and palm trees were on its posts, on this side, and on that side: and the ascent to it had eight steps. 40:35 He brought me to the north gate: and he measured it according to these measures; 40:36 its lodges, its posts, and its arches: and there were windows therein all around; the length was fifty cubits, and the breadth twenty-five cubits. 40:37 The posts of it were toward the outer court; and palm trees were on its posts, on this side, and on that side: and the ascent to it had eight steps. 40:38 A room with its door was by the posts at the gates; there they washed the burnt offering. 40:39 In the porch of the gate were two tables on this side, and two tables on that side, to kill thereon the burnt offering and the sin offering and the trespass offering. 40:40 On the one side outside, as one goes up to the entry of the gate toward the north, were two tables; and on the other side, which belonged to the porch of the gate, were two tables. 40:41 Four tables were on this side, and four tables on that side, by the side of the gate; eight tables, whereupon they killed the sacrifices. 40:42 There were four tables for the burnt offering, of cut stone, a cubit and a half long, and a cubit and a half broad, and one cubit high; whereupon they laid the instruments with which they killed the burnt offering and the sacrifice. 40:43 The hooks, a handbreadth long, were fastened within all around: and on the tables was the flesh of the offering. 40:44 Outside of the inner gate were rooms for the singers in the inner court, which was at the side of the north gate; and their prospect was toward the south; one at the side of the east gate having the prospect toward the north. 40:45 He said to me, This room, whose prospect is toward the south, is for the priests, the keepers of the duty of the house; 40:46 and the room whose prospect is toward the north is for the priests, the keepers of the duty of the altar: these are the sons of Zadok, who from among the sons of Levi come near to Yahweh to minister to him. 40:47 He measured the court, one hundred cubits long, and a hundred cubits broad, foursquare; and the altar was before the house. 40:48 Then he brought me to the porch of the house, and measured each post of the porch, five cubits on this side, and five cubits on that side: and the breadth of the gate was three cubits on this side, and three cubits on that side. 40:49 The length of the porch was twenty cubits, and the breadth eleven cubits; even by the steps by which they went up to it: and there were pillars by the posts, one on this side, and another on that side.

 

Chapitre 40
1 La vingt-cinquième année de notre captivité, au commencement de l'année, le dixième jour du mois, quatorze ans après la ruine de la ville, en ce même jour, la main de l'Éternel fut sur moi, et il me transporta 2 (40:1) dans le pays d'Israël. (40:2) Il m'y transporta, dans des visions divines, et me déposa sur une montagne très élevée, où se trouvait au midi comme une ville construite. 3 Il me conduisit là; et voici, il y avait un homme dont l'aspect était comme l'aspect de l'airain; il avait dans la main un cordeau de lin et une canne pour mesurer, et il se tenait à la porte. 4 Cet homme me dit: Fils de l'homme, regarde de tes yeux, et écoute de tes oreilles! Applique ton attention à toutes les choses que je te montrerai, car tu as été amené ici afin que je te les montre. Fais connaître à la maison d'Israël tout ce que tu verras. 5 Voici, un mur extérieur entourait la maison de tous côtés. Dans la main de l'homme était une canne de six coudées pour mesurer, chaque coudée ayant un palme de plus que la coudée ordinaire. Il mesura la largeur du mur, qui était d'une canne, et la hauteur, qui était d'une canne. 6 Il alla vers la porte orientale, et il en monta les degrés. Il mesura le seuil de la porte, qui avait une canne en largeur, et l'autre seuil, qui avait une canne en largeur. 7 Chaque chambre était longue d'une canne, et large d'une canne. Il y avait entre les chambres un espace de cinq coudées. Le seuil de la porte, près du vestibule de la porte, à l'intérieur, avait une canne. 8 Il mesura le vestibule de la porte, à l'intérieur; il avait une canne. 9 Il mesura le vestibule de la porte; il avait huit coudées, et ses poteaux en avaient deux; le vestibule de la porte était en dedans. 10 Les chambres de la porte orientale étaient au nombre de trois d'un côté et de trois de l'autre; toutes les trois avaient la même mesure, et les poteaux de chaque côté avaient aussi la même mesure. 11 Il mesura la largeur de l'ouverture de la porte, qui était de dix coudées, et la hauteur de la porte, qui était de treize coudées. 12 Il y avait devant les chambres un espace d'une coudée de chaque côté et d'autre; chaque chambre avait six coudées d'un côté, et six coudées de l'autre. 13 Il mesura la porte depuis le toit d'une chambre jusqu'au toit de l'autre; il y avait une largeur de vingt-cinq coudées entre les deux ouvertures opposées. 14 Il compta soixante coudées pour les poteaux, près desquels était une cour, autour de la porte. 15 L'espace entre la porte d'entrée et le vestibule de la porte intérieure était de cinquante coudées. 16 Il y avait des fenêtres grillées aux chambres et à leurs poteaux à l'intérieur de la porte tout autour; il y avait aussi des fenêtres dans les vestibules tout autour intérieurement; des palmes étaient sculptées sur les poteaux. 17 Il me conduisit dans le parvis extérieur, où se trouvaient des chambres et un pavé tout autour; il y avait trente chambres sur ce pavé. 18 Le pavé était au côté des portes, et répondait à la longueur des portes; c'était le pavé inférieur. 19 Il mesura la largeur depuis la porte d'en bas jusqu'au parvis intérieur en dehors; il y avait cent coudées, à l'orient et au septentrion. 20 Il mesura la longueur et la largeur de la porte septentrionale du parvis extérieur. 21 Ses chambres, au nombre de trois d'un côté et de trois de l'autre, ses poteaux et ses vestibules, avaient la même mesure que la première porte, cinquante coudées en longueur et vingt-cinq coudées en largeur. 22 Ses fenêtres, son vestibule, ses palmes, avaient la même mesure que la porte orientale; on y montait par sept degrés, devant lesquels était son vestibule. 23 Il y avait une porte au parvis intérieur, vis-à-vis de la porte septentrionale et vis-à-vis de la porte orientale; il mesura d'une porte à l'autre cent coudées. 24 Il me conduisit du côté du midi, où se trouvait la porte méridionale. Il en mesura les poteaux et les vestibules, qui avaient la même mesure. 25 Cette porte et ses vestibules avaient des fenêtres tout autour, comme les autres fenêtres, cinquante coudées en longueur et vingt-cinq coudées en largeur. 26 On y montait par sept degrés, devant lesquels était son vestibule; il y avait de chaque côté des palmes sur ses poteaux. 27 Le parvis intérieur avait une porte du côté du midi; il mesura d'une porte à l'autre au midi cent coudées. 28 Il me conduisit dans le parvis intérieur, par la porte du midi. Il mesura la porte du midi, qui avait la même mesure. 29 Ses chambres, ses poteaux et ses vestibules, avaient la même mesure. Cette porte et ses vestibules avaient des fenêtres tout autour, cinquante coudées en longueur et vingt-cinq coudées en largeur. 30 Il y avait tout autour des vestibules de vingt-cinq coudées de longueur et de cinq de largeur. 31 Les vestibules de la porte aboutissaient au parvis extérieur; il y avait des palmes sur ses poteaux, et huit degrés pour y monter. 32 Il me conduisit dans le parvis intérieur, par l'entrée orientale. Il mesura la porte, qui avait la même mesure. 33 Ses chambres, ses poteaux et ses vestibules, avaient la même mesure. Cette porte et ses vestibules avaient des fenêtres tout autour, cinquante coudées en longueur et vingt-cinq coudées en largeur. 34 Ses vestibules aboutissaient au parvis extérieur; il y avait de chaque côté des palmes sur ses poteaux, et huit degrés pour y monter. 35 Il me conduisit vers la porte septentrionale. Il la mesura, et trouva la même mesure, 36 ainsi qu'à ses chambres, à ses poteaux et à ses vestibules; elle avait des fenêtres tout autour; cinquante coudées en longueur et vingt-cinq coudées en largeur. 37 Ses vestibules aboutissaient au parvis extérieur; il y avait de chaque côté des palmes sur ses poteaux, et huit degrés pour y monter. 38 Il y avait une chambre qui s'ouvrait vers les poteaux des portes, et où l'on devait laver les holocaustes. 39 Dans le vestibule de la porte se trouvaient de chaque côté deux tables, sur lesquelles on devait égorger l'holocauste, le sacrifice d'expiation et le sacrifice de culpabilité. 40 A l'un des côtés extérieurs par où l'on montait, à l'entrée de la porte septentrionale, il y avait deux tables; et à l'autre côté, vers le vestibule de la porte, il y avait deux tables. 41 Il se trouvait ainsi, aux côtés de la porte, quatre tables d'une part et quatre tables de l'autre, en tout huit tables, sur lesquelles on devait égorger les victimes. 42 Il y avait encore pour les holocaustes quatre tables en pierres de taille, longues d'une coudée et demie, larges d'une coudée et demie, et hautes d'une coudée; on devait mettre sur ces tables les instruments avec lesquels on égorgeait les victimes pour les holocaustes et pour les autres sacrifices. 43 Des rebords de quatre doigts étaient adaptés à la maison tout autour; et la chair des sacrifices devait être mise sur les tables. 44 En dehors de la porte intérieure il y avait des chambres pour les chantres, dans le parvis intérieur: l'une était à côté de la porte septentrionale et avait la face au midi, l'autre était à côté de la porte orientale et avait la face au septentrion. 45 Il me dit: Cette chambre, dont la face est au midi, est pour les sacrificateurs qui ont la garde de la maison; 46 et la chambre dont la face est au septentrion est pour les sacrificateurs qui ont la garde de l'autel. Ce sont les fils de Tsadok, qui, parmi les fils de Lévi, s'approchent de l'Éternel pour le servir. 47 Il mesura le parvis, qui avait cent coudées de longueur et cent coudées de largeur, en carré. L'autel était devant la maison. 48 Il me conduisit dans le vestibule de la maison. Il mesura les poteaux du vestibule, et trouva cinq coudées d'un côté et cinq coudées de l'autre. La largeur de la porte était de trois coudées d'un côté et de trois coudées de l'autre. 49 Le vestibule avait une longueur de vingt coudées et une largeur de onze coudées; on y montait par des degrés. Il y avait des colonnes près des poteaux, l'une d'un côté, et l'autre de l'autre.