| Chapitre 4 1 Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema; 2 ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy. 3 Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany. 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony. 5 Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely. 6 Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao. 7 Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy. 8 Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao. 9 Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy] 10 Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy. 11 Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy. 12 Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony. 13 Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy. 14 Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana. 15 Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao. 16 Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana. 17 Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
| | Chapitre 4 4:1 You also, son of man, take a tile, and lay it before yourself, and portray on it a city, even Jerusalem: 4:2 and lay siege against it, and build forts against it, and cast up a mound against it; set camps also against it, and plant battering rams against it all around. 4:3 Take for yourself an iron pan, and set it for a wall of iron between you and the city: and set your face toward it, and it shall be besieged, and you shall lay siege against it. This shall be a sign to the house of Israel. 4:4 Moreover lie on your left side, and lay the iniquity of the house of Israel on it; according to the number of the days that you shall lie on it, you shall bear their iniquity. 4:5 For I have appointed the years of their iniquity to be to you a number of days, even three hundred ninety days: so you shall bear the iniquity of the house of Israel. 4:6 Again, when you have accomplished these, you shall lie on your right side, and shall bear the iniquity of the house of Judah: forty days, each day for a year, have I appointed it to you. 4:7 You shall set your face toward the siege of Jerusalem, with your arm uncovered; and you shall prophesy against it. 4:8 Behold, I lay bands on you, and you shall not turn you from one side to the other, until you have accomplished the days of your siege. 4:9 Take for yourself also wheat, and barley, and beans, and lentils, and millet, and spelt, and put them in one vessel, and make bread of it; according to the number of the days that you shall lie on your side, even three hundred ninety days, you shall eat of it. 4:10 Your food which you shall eat shall be by weight, twenty shekels a day: from time to time you shall eat it. 4:11 You shall drink water by measure, the sixth part of a hin: from time to time you shall drink. 4:12 You shall eat it as barley cakes, and you shall bake it in their sight with dung that comes out of man. 4:13 Yahweh said, Even thus shall the children of Israel eat their bread unclean, among the nations where I will drive them. 4:14 Then I said, Ah Lord Yahweh! behold, my soul has not been polluted; for from my youth up even until now have I not eaten of that which dies of itself, or is torn of animals; neither came there abominable flesh into my mouth. 4:15 Then he said to me, Behold, I have given you cow’s dung for man’s dung, and you shall prepare your bread thereon. 4:16 Moreover he said to me, Son of man, behold, I will break the staff of bread in Jerusalem: and they shall eat bread by weight, and with fearfulness; and they shall drink water by measure, and in dismay: 4:17 that they may want bread and water, and be dismayed one with another, and pine away in their iniquity.
| | Chapitre 4 1 Et toi, fils de l'homme, prends une brique, place-la devant toi, et tu y traceras une ville, Jérusalem. 2 Représente-la en état de siège, forme des retranchements, élève contre elle des terrasses, environne-la d'un camp, dresse contre elle des béliers tout autour. 3 Prends une poêle de fer, et mets-la comme un mur de fer entre toi et la ville; dirige ta face contre elle, et elle sera assiégée, et tu l'assiégeras. Que ce soit là un signe pour la maison d'Israël! 4 Puis couche-toi sur le côté gauche, mets-y l'iniquité de la maison d'Israël, et tu porteras leur iniquité autant de jours que tu seras couché sur ce côté. 5 Je te compterai un nombre de jours égal à celui des années de leur iniquité, trois cent quatre-vingt-dix jours; tu porteras ainsi l'iniquité de la maison d'Israël. 6 Quand tu auras achevé ces jours, couche-toi sur le côté droit, et tu porteras l'iniquité de la maison de Juda pendant quarante jours; je t'impose un jour pour chaque année. 7 Tu tourneras ta face et ton bras nu vers Jérusalem assiégée, et tu prophétiseras contre elle. 8 Et voici, je mettrai des cordes sur toi, afin que tu ne puisses pas te tourner d'un côté sur l'autre, jusqu'à ce que tu aies accompli les jours de ton siège. 9 Prends du froment, de l'orge, des fèves, des lentilles, du millet et de l'épeautre, mets-les dans un vase, et fais-en du pain autant de jours que tu seras couché sur le côté; tu en mangeras pendant trois cent quatre-vingt-dix jours. 10 La nourriture que tu mangeras sera du poids de vingt sicles par jour; tu en mangeras de temps à autre. 11 L'eau que tu boiras aura la mesure d'un sixième de hin; tu boiras de temps à autre. 12 Tu mangeras des gâteaux d'orge, que tu feras cuire en leur présence avec des excréments humains. 13 Et l'Éternel dit: C'est ainsi que les enfants d'Israël mangeront leur pain souillé, parmi les nations vers lesquelles je les chasserai. 14 Je dis: Ah! Seigneur Éternel, voici, mon âme n'a point été souillée; depuis ma jeunesse jusqu'à présent, je n'ai pas mangé d'une bête morte ou déchirée, et aucune chair impure n'est entrée dans ma bouche. 15 Il me répondit: Voici, je te donne des excréments de boeuf au lieu d'excréments humains, et tu feras ton pain dessus. 16 Il me dit encore: Fils de l'homme, je vais briser le bâton du pain à Jérusalem; ils mangeront du pain au poids et avec angoisse, et ils boiront de l'eau à la mesure et avec épouvante. 17 Ils manqueront de pain et d'eau, ils seront stupéfaits les uns et les autres, et frappés de langueur pour leur iniquité. | |