T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 39

1 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.

2 Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.

3 Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.

4 Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.

5 Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.

6 Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

7 Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.

 

8 Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.

9 Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;

10 fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.

11 Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana* ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]

12 Ary fito volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.

13 Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.

14 Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;

15 ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.

16 Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona*. Toy izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona maro be]

17 Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.

18 Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.

19 Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.

20 Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.

21 Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.

22 Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.

23 Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.

24 Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.

 

25 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.

26 Dia mba hahatsiaro* ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra]

27 rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;

28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.

29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.

 

Chapitre 39

39:1 You, son of man, prophesy against Gog, and say, Thus says the Lord Yahweh: Behold, I am against you, Gog, prince of Rosh, Meshech, and Tubal: 39:2 and I will turn you around, and will lead you on, and will cause you to come up from the uttermost parts of the north; and I will bring you on the mountains of Israel; 39:3 and I will strike your bow out of your left hand, and will cause your arrows to fall out of your right hand. 39:4 You shall fall on the mountains of Israel, you, and all your hordes, and the peoples who are with you: I will give you to the ravenous birds of every sort, and to the animals of the field to be devoured. 39:5 You shall fall on the open field; for I have spoken it, says the Lord Yahweh. 39:6 I will send a fire on Magog, and on those who dwell securely in the islands; and they shall know that I am Yahweh. 39:7 My holy name will I make known in the midst of my people Israel; neither will I allow my holy name to be profaned any more: and the nations shall know that I am Yahweh, the Holy One in Israel. 39:8 Behold, it comes, and it shall be done, says the Lord Yahweh; this is the day about which I have spoken. 39:9 Those who dwell in the cities of Israel shall go forth, and shall make fires of the weapons and burn them, both the shields and the bucklers, the bows and the arrows, and the war clubs, and the spears, and they shall make fires of them seven years; 39:10 so that they shall take no wood out of the field, neither cut down any out of the forests; for they shall make fires of the weapons; and they shall plunder those who plundered them, and rob those who robbed them, says the Lord Yahweh. 39:11 It shall happen in that day, that I will give to Gog a place for burial in Israel, the valley of those who pass through on the east of the sea; and it shall stop those who pass through: and there shall they bury Gog and all his multitude; and they shall call it The valley of Hamon Gog. 39:12 Seven months shall the house of Israel be burying them, that they may cleanse the land. 39:13 Yes, all the people of the land shall bury them; and it shall be to them a renown in the day that I shall be glorified, says the Lord Yahweh. 39:14 They shall set apart men of continual employment, who shall pass through the land, and, with those who pass through, those who bury those who remain on the surface of the land, to cleanse it: after the end of seven months shall they search. 39:15 Those who pass through the land shall pass through; and when any sees a man’s bone, then shall he set up a sign by it, until the undertakers have buried it in the valley of Hamon Gog. 39:16 Hamonah shall also be the name of a city. Thus shall they cleanse the land. 39:17 You, son of man, thus says the Lord Yahweh: Speak to the birds of every sort, and to every animal of the field, Assemble yourselves, and come; gather yourselves on every side to my sacrifice that I do sacrifice for you, even a great sacrifice on the mountains of Israel, that you may eat flesh and drink blood. 39:18 You shall eat the flesh of the mighty, and drink the blood of the princes of the earth, of rams, of lambs, and of goats, of bulls, all of them fatlings of Bashan. 39:19 You shall eat fat until you be full, and drink blood until you are drunk, of my sacrifice which I have sacrificed for you. 39:20 You shall be filled at my table with horses and chariots, with mighty men, and with all men of war, says the Lord Yahweh. 39:21 I will set my glory among the nations; and all the nations shall see my judgment that I have executed, and my hand that I have laid on them. 39:22 So the house of Israel shall know that I am Yahweh their God, from that day and forward. 39:23 The nations shall know that the house of Israel went into captivity for their iniquity; because they trespassed against me, and I hid my face from them: so I gave them into the hand of their adversaries, and they fell all of them by the sword. 39:24 According to their uncleanness and according to their transgressions did I to them; and I hid my face from them. 39:25 Therefore thus says the Lord Yahweh: Now will I bring back the captivity of Jacob, and have mercy on the whole house of Israel; and I will be jealous for my holy name. 39:26 They shall bear their shame, and all their trespasses by which they have trespassed against me, when they shall dwell securely in their land, and none shall make them afraid; 39:27 when I have brought them back from the peoples, and gathered them out of their enemies’ lands, and am sanctified in them in the sight of many nations. 39:28 They shall know that I am Yahweh their God, in that I caused them to go into captivity among the nations, and have gathered them to their own land; and I will leave none of them any more there; 39:29 neither will I hide my face any more from them; for I have poured out my Spirit on the house of Israel, says the Lord Yahweh.

 

Chapitre 39
1 Et toi, fils de l'homme, prophétise contre Gog! Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à toi, Gog, Prince de Rosch, de Méschec et de Tubal! 2 Je t'entraînerai, je te conduirai, Je te ferai monter des extrémités du septentrion, Et je t'amènerai sur les montagnes d'Israël. 3 J'abattrai ton arc de ta main gauche, Et je ferai tomber tes flèches de ta main droite. 4 Tu tomberas sur les montagnes d'Israël, Toi et toutes tes troupes, Et les peuples qui seront avec toi; Aux oiseaux de proie, à tout ce qui a des ailes, Et aux bêtes des champs je te donnerai pour pâture. 5 Tu tomberas sur la face de la terre, Car j'ai parlé, dit le Seigneur, l'Éternel. 6 J'enverrai le feu dans Magog, Et parmi ceux qui habitent en sécurité les îles; Et ils sauront que je suis l'Éternel. 7 Je ferai connaître mon saint nom au milieu de mon peuple d'Israël, Et je ne laisserai plus profaner mon saint nom; Et les nations sauront que je suis l'Éternel, Le Saint en Israël. 8 Voici, ces choses viennent, elles arrivent, Dit le Seigneur, l'Éternel; C'est le jour dont j'ai parlé. 9 Alors les habitants des villes d'Israël sortiront, Ils brûleront et livreront aux flammes les armes, Les petits et les grands boucliers, Les arcs et les flèches, Les piques et les lances; Ils en feront du feu pendant sept ans. 10 Ils ne prendront point de bois dans les champs, Et ils n'en couperont point dans les forêts, Car c'est avec les armes qu'ils feront du feu. Ils dépouilleront ceux qui les ont dépouillés, Ils pilleront ceux qui les ont pillés, Dit le Seigneur, l'Éternel. 11 En ce jour-là, Je donnerai à Gog un lieu qui lui servira de sépulcre en Israël, La vallée des voyageurs, à l'orient de la mer; Ce sépulcre fermera le passage aux voyageurs. C'est là qu'on enterrera Gog et toute sa multitude, Et on appellera cette vallée la vallée de la multitude de Gog. 12 La maison d'Israël les enterrera, Afin de purifier le pays; Et cela durera sept mois. 13 Tout le peuple du pays les enterrera, Et il en aura du renom, Le jour où je serai glorifié, Dit le Seigneur, l'Éternel. 14 Ils choisiront des hommes qui seront sans cesse à parcourir le pays, Et qui enterreront, avec l'aide des voyageurs, Les corps restés à la surface de la terre; Ils purifieront le pays, Et ils seront à la recherche pendant sept mois entiers. 15 Ils parcourront le pays; Et quand l'un d'eux verra les ossements d'un homme, Il mettra près de là un signe, Jusqu'à ce que les fossoyeurs l'enterrent Dans la vallée de la multitude de Gog. 16 Il y aura aussi une ville appelée Hamona. C'est ainsi qu'on purifiera le pays. 17 Et toi, fils de l'homme, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Dis aux oiseaux, à tout ce qui a des ailes, Et à toutes les bêtes des champs: Réunissez-vous, venez, rassemblez-vous de toutes parts, Pour le sacrifice où j'immole pour vous des victimes, Grand sacrifice sur les montagnes d'Israël! Vous mangerez de la chair, et vous boirez du sang. 18 Vous mangerez la chair des héros, Et vous boirez le sang des princes de la terre, Béliers, agneaux, boucs, Taureaux engraissés sur le Basan. 19 Vous mangerez de la graisse jusqu'à vous en rassasier, Et vous boirez du sang jusqu'à vous enivrer, A ce festin de victimes que j'immolerai pour vous. 20 Vous vous rassasierez à ma table de la chair des chevaux et des cavaliers, De la chair des héros et de tous les hommes de guerre, Dit le Seigneur, l'Éternel. 21 Je manifesterai ma gloire parmi les nations; Et toutes les nations verront les jugements que j'exercerai, Et les châtiments dont ma main les frappera. 22 La maison d'Israël saura que je suis l'Éternel, son Dieu, Dès ce jour et à l'avenir. 23 Et les nations sauront que c'est à cause de ses iniquités Que la maison d'Israël a été conduite en captivité, A cause de ses infidélités envers moi; Aussi je leur ai caché ma face, Et je les ai livrés entre les mains de leurs ennemis, Afin qu'ils périssent tous par l'épée. 24 Je les ai traités selon leurs souillures et leurs transgressions, Et je leur ai caché ma face. 25 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Maintenant je ramènerai les captifs de Jacob, J'aurai pitié de toute la maison d'Israël, Et je serai jaloux de mon saint nom. 26 Alors ils oublieront leur opprobre, Et toutes les infidélités qu'ils ont commises envers moi, Lorsqu'ils habitaient en sécurité leur pays, Et qu'il n'y avait personne pour les troubler. 27 Quand je les ramènerai d'entre les peuples, Quand je les rassemblerai du pays de leurs ennemis, Je serai sanctifié par eux aux yeux de beaucoup de nations. 28 Et ils sauront que je suis l'Éternel, leur Dieu, Qui les avait emmenés captifs parmi les nations, Et qui les rassemble dans leur pays; Je ne laisserai chez elles aucun d'eux, 29 Et je ne leur cacherai plus ma face, Car je répandrai mon esprit sur la maison d'Israël, Dit le Seigneur, l'Éternel.