T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 36

1 [Ny hitahian'i Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:

2 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!

3 Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,

4 Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,

5 Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny  fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.

6 Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,

7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.

8 Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.

9 Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;

10 Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;

11 Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

12 Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo* izy ka hahalasa anareo* ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo**.[*Heb. anao][**Heb. ianao]

13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,

14 Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.

15 Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.

16 [Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

17 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony* sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony* eo anatrehako.[Heb. lalany]

18 Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.

19 Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony* sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany]

20 Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.

21 Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.

22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.

23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.

24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.

25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.

26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.

27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.

28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.

29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;

30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.

31 Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.

32 Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.

33 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.

34 Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.

35 Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;

36 ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.

37 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.

38 Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 36

36:1 You, son of man, prophesy to the mountains of Israel, and say, You mountains of Israel, hear the word of Yahweh.

36:2 Thus says the Lord Yahweh: Because the enemy has said against you, Aha! and, The ancient high places are ours in possession;

36:3 therefore prophesy, and say, Thus says the Lord Yahweh: Because, even because they have made you desolate, and swallowed you up on every side, that you might be a possession to the residue of the nations, and you are taken up in the lips of talkers, and the evil report of the people;

36:4 therefore, you mountains of Israel, hear the word of the Lord Yahweh: Thus says the Lord Yahweh to the mountains and to the hills, to the watercourses and to the valleys, to the desolate wastes and to the cities that are forsaken, which are become a prey and derision to the residue of the nations that are all around;

36:5 therefore thus says the Lord Yahweh: Surely in the fire of my jealousy have I spoken against the residue of the nations, and against all Edom, that have appointed my land to themselves for a possession with the joy of all their heart, with despite of soul, to cast it out for a prey.

36:6 Therefore prophesy concerning the land of Israel, and tell the mountains and to the hills, to the watercourses and to the valleys, Thus says the Lord Yahweh: Behold, I have spoken in my jealousy and in my wrath, because you have borne the shame of the nations:

36:7 therefore thus says the Lord Yahweh: I have sworn, saying, Surely the nations that are around you, they shall bear their shame. 36:8 But you, mountains of Israel, you shall shoot forth your branches, and yield your fruit to my people Israel; for they are at hand to come.

36:9 For, behold, I am for you, and I will turn into you, and you shall be tilled and sown;

36:10 and I will multiply men on you, all the house of Israel, even all of it; and the cities shall be inhabited, and the waste places shall be built;

36:11 and I will multiply on you man and animal; and they shall increase and be fruitful; and I will cause you to be inhabited after your former estate, and will do better to you than at your beginnings: and you shall know that I am Yahweh. 36:12 Yes, I will cause men to walk on you, even my people Israel; and they shall possess you, and you shall be their inheritance, and you shall no more henceforth bereave them of children.

36:13 Thus says the Lord Yahweh: Because they say to you, You are a devourer of men, and have been a bereaver of your nation;

36:14 therefore you shall devour men no more, neither bereave your nation any more, says the Lord Yahweh;

36:15 neither will I let you hear any more the shame of the nations, neither shall you bear the reproach of the peoples any more, neither shall you cause your nation to stumble any more, says the Lord Yahweh. 36:16 Moreover the word of Yahweh came to me, saying,

36:17 Son of man, when the house of Israel lived in their own land, they defiled it by their way and by their doings: their way before me was as the uncleanness of a woman in her impurity.

36:18 Therefore I poured out my wrath on them for the blood which they had poured out on the land, and because they had defiled it with their idols;

36:19 and I scattered them among the nations, and they were dispersed through the countries: according to their way and according to their doings I judged them.

36:20 When they came to the nations, where they went, they profaned my holy name; in that men said of them, These are the people of Yahweh, and are gone forth out of his land.

36:21 But I had respect for my holy name, which the house of Israel had profaned among the nations, where they went.

36:22 Therefore tell the house of Israel, Thus says the Lord Yahweh: I don’t do this for your sake, house of Israel, but for my holy name, which you have profaned among the nations, where you went. 36:23 I will sanctify my great name, which has been profaned among the nations, which you have profaned in their midst; and the nations shall know that I am Yahweh, says the Lord Yahweh, when I shall be sanctified in you before their eyes. 36:24 For I will take you from among the nations, and gather you out of all the countries, and will bring you into your own land. 36:25 I will sprinkle clean water on you, and you shall be clean: from all your filthiness, and from all your idols, will I cleanse you. 36:26 I will also give you a new heart, and I will put a new spirit within you; and I will take away the stony heart out of your flesh, and I will give you a heart of flesh. 36:27 I will put my Spirit within you, and cause you to walk in my statutes, and you shall keep my ordinances, and do them. 36:28 You shall dwell in the land that I gave to your fathers; and you shall be my people, and I will be your God. 36:29 I will save you from all your uncleanness: and I will call for the grain, and will multiply it, and lay no famine on you. 36:30 I will multiply the fruit of the tree, and the increase of the field, that you may receive no more the reproach of famine among the nations. 36:31 Then you shall remember your evil ways, and your doings that were not good; and you shall loathe yourselves in your own sight for your iniquities and for your abominations. 36:32 Nor for your sake do I this, says the Lord Yahweh, be it known to you: be ashamed and confounded for your ways, house of Israel. 36:33 Thus says the Lord Yahweh: In the day that I cleanse you from all your iniquities, I will cause the cities to be inhabited, and the waste places shall be built. 36:34 The land that was desolate shall be tilled, whereas it was a desolation in the sight of all who passed by. 36:35 They shall say, This land that was desolate has become like the garden of Eden; and the waste and desolate and ruined cities are fortified and inhabited. 36:36 Then the nations that are left around you shall know that I, Yahweh, have built the ruined places, and planted that which was desolate: I, Yahweh, have spoken it, and I will do it. 36:37 Thus says the Lord Yahweh: For this, moreover, will I be inquired of by the house of Israel, to do it for them: I will increase them with men like a flock. 36:38 As the flock for sacrifice, as the flock of Jerusalem in her appointed feasts, so shall the waste cities be filled with flocks of men; and they shall know that I am Yahweh.

 

Chapitre 36
1 Et toi, fils de l'homme, prophétise sur les montagnes d'Israël! Tu diras: Montagnes d'Israël, écoutez la parole de l'Éternel!

2 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que l'ennemi a dit sur vous: Ah! ah! Ces hauteurs éternelles sont devenues notre propriété!

3 Prophétise et dis: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Oui, parce qu'on a voulu de toutes parts vous dévaster et vous engloutir, Pour que vous soyez la propriété des autres nations, Parce que vous avez été l'objet des discours et des propos des peuples,

4 Montagnes d'Israël, écoutez la parole du Seigneur, de l'Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel, Aux montagnes et aux collines, Aux ruisseaux et aux vallées, Aux ruines désertes et aux villes abandonnées, Qui ont servi de proie et de risée Aux autres nations d'alentour;

5 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Oui, dans le feu de ma jalousie, Je parle contre les autres nations et contre Édom tout entier, Qui se sont donné mon pays en propriété, Avec toute la joie de leur coeur et le mépris de leur âme, Afin d'en piller les produits.

6 C'est pourquoi prophétise sur le pays d'Israël, Dis aux montagnes et aux collines, Aux ruisseaux et aux vallées: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, je parle dans ma jalousie et dans ma fureur, Parce que vous portez l'ignominie des nations.

7 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je lève ma main! Ce sont les nations qui vous entourent Qui porteront elles-mêmes leur ignominie.

8 Et vous, montagnes d'Israël, vous pousserez vos rameaux, Et vous porterez vos fruits pour mon peuple d'Israël; Car ces choses sont près d'arriver. 9 Voici, je vous serai favorable, Je me tournerai vers vous, Et vous serez cultivées et ensemencées.

10 Je mettrai sur vous des hommes en grand nombre, La maison d'Israël tout entière; Les villes seront habitées, Et l'on rebâtira sur les ruines.

11 Je multiplierai sur vous les hommes et les animaux; Ils multiplieront et seront féconds; Je veux que vous soyez habitées comme auparavant, Et je vous ferai plus de bien qu'autrefois; Et vous saurez que je suis l'Éternel. 12 Je ferai marcher sur vous des hommes, mon peuple d'Israël, Et ils te posséderont; Tu seras leur héritage, Et tu ne les détruiras plus.

13 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce qu'on vous dit: Tu as dévoré des hommes, Tu as détruit ta propre nation,

14 A cause de cela tu ne dévoreras plus d'hommes, Tu ne détruiras plus ta nation, Dit le Seigneur, l'Éternel.

15 Je ne te ferai plus entendre les outrages des nations, Et tu ne porteras plus l'opprobre des peuples; Tu ne détruiras plus ta nation, Dit le Seigneur, l'Éternel.

16 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 17 Fils de l'homme, ceux de la maison d'Israël, quand ils habitaient leur pays, l'ont souillé par leur conduite et par leurs oeuvres; leur conduite a été devant moi comme la souillure d'une femme pendant son impureté.

18 Alors j'ai répandu ma fureur sur eux, à cause du sang qu'ils avaient versé dans le pays, et des idoles dont ils l'avaient souillé.

19 Je les ai dispersés parmi les nations, et ils ont été répandus en divers pays; je les ai jugés selon leur conduite et selon leurs oeuvres.

20 Ils sont arrivés chez les nations où ils allaient, et ils ont profané mon saint nom, en sorte qu'on disait d'eux: C'est le peuple de l'Éternel, c'est de son pays qu'ils sont sortis.

21 Et j'ai voulu sauver l'honneur de mon saint nom, que profanait la maison d'Israël parmi les nations où elle est allée.

22 C'est pourquoi dis à la maison d'Israël: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Ce n'est pas à cause de vous que j'agis de la sorte, maison d'Israël; c'est à cause de mon saint nom, que vous avez profané parmi les nations où vous êtes allés.

23 Je sanctifierai mon grand nom, qui a été profané parmi les nations, que vous avez profané au milieu d'elles. Et les nations sauront que je suis l'Éternel, dit le Seigneur, l'Éternel, quand je serai sanctifié par vous sous leurs yeux.

24 Je vous retirerai d'entre les nations, je vous rassemblerai de tous les pays, et je vous ramènerai dans votre pays.

25 Je répandrai sur vous une eau pure, et vous serez purifiés; je vous purifierai de toutes vos souillures et de toutes vos idoles.

26 Je vous donnerai un coeur nouveau, et je mettrai en vous un esprit nouveau; j'ôterai de votre corps le coeur de pierre, et je vous donnerai un coeur de chair.

27 Je mettrai mon esprit en vous, et je ferai en sorte que vous suiviez mes ordonnances, et que vous observiez et pratiquiez mes lois.

28 Vous habiterez le pays que j'ai donné à vos pères; vous serez mon peuple, et je serai votre Dieu.

29 Je vous délivrerai de toutes vos souillures. J'appellerai le blé, et je le multiplierai; je ne vous enverrai plus la famine. 30 Je multiplierai le fruit des arbres et le produit des champs, afin que vous n'ayez plus l'opprobre de la famine parmi les nations.

31 Alors vous vous souviendrez de votre conduite qui était mauvaise, et de vos actions qui n'étaient pas bonnes; vous vous prendrez vous-mêmes en dégoût, à cause de vos iniquités et de vos abominations.

32 Ce n'est pas à cause de vous que j'agis de la sorte, dit le Seigneur, l'Éternel, sachez-le! Ayez honte et rougissez de votre conduite, maison d'Israël!

33 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Le jour où je vous purifierai de toutes vos iniquités, je peuplerai les villes, et les ruines seront relevées;

34 la terre dévastée sera cultivée, tandis qu'elle était déserte aux yeux de tous les passants;

35 et l'on dira: Cette terre dévastée est devenue comme un jardin d'Éden; et ces villes ruinées, désertes et abattues, sont fortifiées et habitées. 36 Et les nations qui resteront autour de vous sauront que moi, l'Éternel, j'ai rebâti ce qui était abattu, et planté ce qui était dévasté. Moi, l'Éternel, j'ai parlé, et j'agirai.

37 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici encore sur quoi je me laisserai fléchir par la maison d'Israël, voici ce que je ferai pour eux; je multiplierai les hommes comme un troupeau.

38 Les villes en ruines seront remplies de troupeaux d'hommes, pareils aux troupeaux consacrés, aux troupeaux qu'on amène à Jérusalem pendant ses fêtes solennelles. Et ils sauront que je suis l'Éternel.