T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 33

1 [Fananterana ny nanendrena an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,

3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]

4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.

5 Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]

6 Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.

7 Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.

8 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.

9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.

 

10 Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?

11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?

12 Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.

13 Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]

14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]

15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.

16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.

17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo; nefa ny fitondran*'ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan']

 

18 Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.

19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.

20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']

*

21 [Ny nisokafan'ny vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.

22 Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

*

23 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

24 Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika

25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?

26 Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?

27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato* sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]

28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.

29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.

30 Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.

31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany*, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]

32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]

33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.

 

Chapitre 33

33:1 The word of Yahweh came to me, saying, 33:2 Son of man, speak to the children of your people, and tell them, When I bring the sword on a land, and the people of the land take a man from among them, and set him for their watchman; 33:3 if, when he sees the sword come on the land, he blow the trumpet, and warn the people; 33:4 then whoever hears the sound of the trumpet, and doesn’t take warning, if the sword come, and take him away, his blood shall be on his own head. 33:5 He heard the sound of the trumpet, and didn’t take warning; his blood shall be on him; whereas if he had taken warning, he would have delivered his soul. 33:6 But if the watchman sees the sword come, and doesn’t blow the trumpet, and the people aren’t warned, and the sword comes, and take any person from among them; he is taken away in his iniquity, but his blood will I require at the watchman’s hand. 33:7 So you, son of man, I have set you a watchman to the house of Israel; therefore hear the word at my mouth, and give them warning from me. 33:8 When I tell the wicked, O wicked man, you shall surely die, and you don’t speak to warn the wicked from his way; that wicked man shall die in his iniquity, but his blood will I require at your hand. 33:9 Nevertheless, if you warn the wicked of his way to turn from it, and he doesn’t turn from his way; he shall die in his iniquity, but you have delivered your soul. 33:10 You, son of man, tell the house of Israel: Thus you speak, saying, Our transgressions and our sins are on us, and we pine away in them; how then can we live? 33:11 Tell them, As I live, says the Lord Yahweh, I have no pleasure in the death of the wicked; but that the wicked turn from his way and live: turn, turn from your evil ways; for why will you die, house of Israel? 33:12 You, son of man, tell the children of your people, The righteousness of the righteous shall not deliver him in the day of his disobedience; and as for the wickedness of the wicked, he shall not fall thereby in the day that he turns from his wickedness; neither shall he who is righteous be able to live thereby in the day that he sins. 33:13 When I tell the righteous, that he shall surely live; if he trust to his righteousness, and commit iniquity, none of his righteous deeds shall be remembered; but in his iniquity that he has committed, therein shall he die. 33:14 Again, when I say to the wicked, You shall surely die; if he turn from his sin, and do that which is lawful and right; 33:15 if the wicked restore the pledge, give again that which he had taken by robbery, walk in the statutes of life, committing no iniquity; he shall surely live, he shall not die. 33:16 None of his sins that he has committed shall be remembered against him: he has done that which is lawful and right; he shall surely live. 33:17 Yet the children of your people say, The way of the Lord is not equal: but as for them, their way is not equal. 33:18 When the righteous turns from his righteousness, and commits iniquity, he shall even die therein. 33:19 When the wicked turns from his wickedness, and does that which is lawful and right, he shall live thereby. 33:20 Yet you say, The way of the Lord is not equal. House of Israel, I will judge every one of you after his ways. 33:21 It happened in the twelfth year of our captivity, in the tenth month, in the fifth day of the month, that one who had escaped out of Jerusalem came to me, saying, The city has been struck. 33:22 Now the hand of Yahweh had been on me in the evening, before he who was escaped came; and he had opened my mouth, until he came to me in the morning; and my mouth was opened, and I was no more mute. 33:23 The word of Yahweh came to me, saying, 33:24 Son of man, they who inhabit those waste places in the land of Israel speak, saying, Abraham was one, and he inherited the land: but we are many; the land is given us for inheritance. 33:25 Therefore tell them, Thus says the Lord Yahweh: You eat with the blood, and lift up your eyes to your idols, and shed blood: and shall you possess the land? 33:26 You stand on your sword, you work abomination, and every one of you defiles his neighbor’s wife: and shall you possess the land? 33:27 You shall tell them, Thus says the Lord Yahweh: As I live, surely those who are in the waste places shall fall by the sword; and him who is in the open field will I give to the animals to be devoured; and those who are in the strongholds and in the caves shall die of the pestilence. 33:28 I will make the land a desolation and an astonishment; and the pride of her power shall cease; and the mountains of Israel shall be desolate, so that none shall pass through. 33:29 Then shall they know that I am Yahweh, when I have made the land a desolation and an astonishment, because of all their abominations which they have committed. 33:30 As for you, son of man, the children of your people talk of you by the walls and in the doors of the houses, and speak one to another, everyone to his brother, saying, Please come and hear what is the word that comes forth from Yahweh. 33:31 They come to you as the people come, and they sit before you as my people, and they hear your words, but don’t do them; for with their mouth they show much love, but their heart goes after their gain. 33:32 Behold, you are to them as a very lovely song of one who has a pleasant voice, and can play well on an instrument; for they hear your words, but they don’t do them. 33:33 When this comes to pass, (behold, it comes), then shall they know that a prophet has been among them.

 

Chapitre 33

1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, parle aux enfants de ton peuple, et dis-leur: Lorsque je fais venir l'épée sur un pays, et que le peuple du pays prend dans son sein un homme et l'établit comme sentinelle, - 3 si cet homme voit venir l'épée sur le pays, sonne de la trompette, et avertit le peuple; 4 et si celui qui entend le son de la trompette ne se laisse pas avertir, et que l'épée vienne le surprendre, son sang sera sur sa tête. 5 Il a entendu le son de la trompette, et il ne s'est pas laissé avertir, son sang sera sur lui; s'il se laisse avertir, il sauvera son âme. 6 Si la sentinelle voit venir l'épée, et ne sonne pas de la trompette; si le peuple n'est pas averti, et que l'épée vienne enlever à quelqu'un la vie, celui-ci périra à cause de son iniquité, mais je redemanderai son sang à la sentinelle. 7 Et toi, fils de l'homme, je t'ai établi comme sentinelle sur la maison d'Israël. Tu dois écouter la parole qui sort de ma bouche, et les avertir de ma part. 8 Quand je dis au méchant: Méchant, tu mourras! si tu ne parles pas pour détourner le méchant de sa voie, ce méchant mourra dans son iniquité, et je te redemanderai son sang. 9 Mais si tu avertis le méchant pour le détourner de sa voie, et qu'il ne s'en détourne pas, il mourra dans son iniquité, et toi tu sauveras ton âme. 10 Et toi, fils de l'homme, dis à la maison d'Israël: Vous dites: Nos transgressions et nos péchés sont sur nous, et c'est à cause d'eux que nous sommes frappés de langueur; comment pourrions-nous vivre? 11 Dis-leur: je suis vivant! dit le Seigneur, l'Éternel, ce que je désire, ce n'est pas que le méchant meure, c'est qu'il change de conduite et qu'il vive. Revenez, revenez de votre mauvaise voie; et pourquoi mourriez-vous, maison d'Israël? 12 Et toi, fils de l'homme, dis aux enfants de ton peuple: La justice du juste ne le sauvera pas au jour de sa transgression; et le méchant ne tombera pas par sa méchanceté le jour où il s'en détournera, de même que le juste ne pourra pas vivre par sa justice au jour de sa transgression. 13 Lorsque je dis au juste qu'il vivra, -s'il se confie dans sa justice et commet l'iniquité, toute sa justice sera oubliée, et il mourra à cause de l'iniquité qu'il a commise. 14 Lorsque je dis au méchant: Tu mourras! -s'il revient de son péché et pratique la droiture et la justice, 15 s'il rend le gage, s'il restitue ce qu'il a ravi, s'il suit les préceptes qui donnent la vie, sans commettre l'iniquité, il vivra, il ne mourra pas. 16 Tous les péchés qu'il a commis seront oubliés; s'il pratique la droiture et la justice, il vivra. 17 Les enfants de ton peuple disent: La voie du Seigneur n'est pas droite. C'est leur voie qui n'est pas droite. 18 Si le juste se détourne de sa justice et commet l'iniquité, il mourra à cause de cela. 19 Si le méchant revient de sa méchanceté et pratique la droiture et la justice, il vivra à cause de cela. 20 Vous dites: La voie du Seigneur n'est pas droite. Je vous jugerai chacun selon ses voies, maison d'Israël! 21 La douzième année, le cinquième jour du dixième mois de notre captivité, un homme qui s'était échappé de Jérusalem vint à moi et dit: La ville a été prise! 22 La main de l'Éternel avait été sur moi le soir avant l'arrivée du fugitif, et l'Éternel m'avait ouvert la bouche lorsqu'il vint auprès de moi le matin. Ma bouche était ouverte, et je n'étais plus muet. 23 Alors la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 24 Fils de l'homme, ceux qui habitent ces ruines dans le pays d'Israël disent: Abraham était seul, et il a hérité le pays; à nous qui sommes nombreux, le pays est donné en possession. 25 C'est pourquoi dis-leur: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Vous mangez vos aliments avec du sang, vous levez les yeux vers vos idoles, vous répandez le sang. Et vous posséderiez le pays! 26 Vous vous appuyez sur votre épée, vous commettez des abominations, chacun de vous déshonore la femme de son prochain. Et vous posséderiez le pays! 27 Dis-leur: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je suis vivant! Ceux qui sont parmi les ruines tomberont par l'épée; ceux qui sont dans les champs, j'en ferai la pâture des bêtes; et ceux qui sont dans les forts et dans les cavernes mourront par la peste. 28 Je réduirai le pays en solitude et en désert; l'orgueil de sa force prendra fin, les montagnes d'Israël seront désolées, personne n'y passera. 29 Et ils sauront que je suis l'Éternel, quand je réduirai le pays en solitude et en désert, à cause de toutes les abominations qu'ils ont commises. 30 Et toi, fils de l'homme, les enfants de ton peuple s'entretiennent de toi près des murs et aux portes des maisons, et ils se disent l'un à l'autre, chacun à son frère: Venez donc, et écoutez quelle est la parole qui est procédée de l'Éternel! 31 Et ils se rendent en foule auprès de toi, et mon peuple s'assied devant toi; ils écoutent tes paroles, mais ils ne les mettent point en pratique, car leur bouche en fait un sujet de moquerie, et leur coeur se livre à la cupidité. 32 Voici, tu es pour eux comme un chanteur agréable, possédant une belle voix, et habile dans la musique. Ils écoutent tes paroles, mais ils ne les mettent point en pratique. 33 Quand ces choses arriveront, -et voici, elles arrivent! -ils sauront qu'il y avait un prophète au milieu d'eux.