T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 32

1 [Fitomaniana noho ny nanjo an'i Farao sy ny vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona* ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]

3 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,

4 Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.

5 Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao* ny lohasaha.[Heb. hahavonao]

6 Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.

7 Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.

8 Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.

9 Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao

10 Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.

11 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.

12 Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.

13 Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.

14 Dia hahenako* ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko hadio]

15 Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

16 Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.

 

17 Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.

19 Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara* amin'izay tsy voafora.[Heb. mandria]

20 Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.

21 Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita* manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]

22 Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;

23 Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.

24 Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.

25 Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.

 

26 Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.

27 Ary tsy hiara-miampatra* amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita** ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[*Heb. mandry][**Heb. Sheola]

28 Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra* amin'ny voatrabaky ny sabatra.[Heb. mandry]

 

29 Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra* amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]

 

30 Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra* tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]

 

31 Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.

32 Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy* tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina** ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[*Na. Ahy][**Heb. hampandrina]

 

Chapitre 32

32:1 It happened in the twelfth year, in the twelfth month, in the first day of the month, that the word of Yahweh came to me, saying, 32:2 Son of man, take up a lamentation over Pharaoh king of Egypt, and tell him, You were likened to a young lion of the nations: yet you are as a monster in the seas; and you broke out with your rivers, and troubled the waters with your feet, and fouled their rivers. 32:3 Thus says the Lord Yahweh: I will spread out my net on you with a company of many peoples; and they shall bring you up in my net. 32:4 I will leave you on the land, I will cast you forth on the open field, and will cause all the birds of the sky to settle on you, and I will satisfy the animals of the whole earth with you. 32:5 I will lay your flesh on the mountains, and fill the valleys with your height. 32:6 I will also water with your blood the land in which you swim, even to the mountains; and the watercourses shall be full of you. 32:7 When I shall extinguish you, I will cover the heavens, and make its stars dark; I will cover the sun with a cloud, and the moon shall not give its light. 32:8 All the bright lights of the sky will I make dark over you, and set darkness on your land, says the Lord Yahweh. 32:9 I will also trouble the hearts of many peoples, when I shall bring your destruction among the nations, into the countries which you have not known. 32:10 Yes, I will make many peoples amazed at you, and their kings shall be horribly afraid for you, when I shall brandish my sword before them; and they shall tremble at every moment, every man for his own life, in the day of your fall. 32:11 For thus says the Lord Yahweh: The sword of the king of Babylon shall come on you. 32:12 By the swords of the mighty will I cause your multitude to fall; the terrible of the nations are they all: and they shall bring to nothing the pride of Egypt, and all its multitude shall be destroyed. 32:13 I will destroy also all its animals from beside many waters; neither shall the foot of man trouble them any more, nor the hoofs of animals trouble them. 32:14 Then will I make their waters clear, and cause their rivers to run like oil, says the Lord Yahweh. 32:15 When I shall make the land of Egypt desolate and waste, a land destitute of that of which it was full, when I shall strike all those who dwell therein, then shall they know that I am Yahweh. 32:16 This is the lamentation with which they shall lament; the daughters of the nations shall lament therewith; over Egypt, and over all her multitude, shall they lament therewith, says the Lord Yahweh. 32:17 It happened also in the twelfth year, in the fifteenth day of the month, that the word of Yahweh came to me, saying, 32:18 Son of man, wail for the multitude of Egypt, and cast them down, even her, and the daughters of the famous nations, to the lower parts of the earth, with those who go down into the pit. 32:19 Whom do you pass in beauty? Go down, and be laid with the uncircumcised. 32:20 They shall fall in the midst of those who are slain by the sword: she is delivered to the sword; draw her away and all her multitudes. 32:21 The strong among the mighty shall speak to him out of the midst of Sheol with those who help him: they are gone down, they lie still, even the uncircumcised, slain by the sword. 32:22 Asshur is there and all her company; her graves are all around her; all of them slain, fallen by the sword; 32:23 whose graves are set in the uttermost parts of the pit, and her company is around her grave; all of them slain, fallen by the sword, who caused terror in the land of the living. 32:24 There is Elam and all her multitude around her grave; all of them slain, fallen by the sword, who are gone down uncircumcised into the lower parts of the earth, who caused their terror in the land of the living, and have borne their shame with those who go down to the pit. 32:25 They have set her a bed in the midst of the slain with all her multitude; her graves are around her; all of them uncircumcised, slain by the sword; for their terror was caused in the land of the living, and they have borne their shame with those who go down to the pit: he is put in the midst of those who are slain. 32:26 There is Meshech, Tubal, and all their multitude; their graves are around them; all of them uncircumcised, slain by the sword; for they caused their terror in the land of the living. 32:27 They shall not lie with the mighty who are fallen of the uncircumcised, who are gone down to Sheol with their weapons of war, and have laid their swords under their heads, and their iniquities are on their bones; for they were the terror of the mighty in the land of the living. 32:28 But you shall be broken in the midst of the uncircumcised, and shall lie with those who are slain by the sword. 32:29 There is Edom, her kings and all her princes, who in their might are laid with those who are slain by the sword: they shall lie with the uncircumcised, and with those who go down to the pit. 32:30 There are the princes of the north, all of them, and all the Sidonians, who are gone down with the slain; in the terror which they caused by their might they are put to shame; and they lie uncircumcised with those who are slain by the sword, and bear their shame with those who go down to the pit. 32:31 Pharaoh shall see them, and shall be comforted over all his multitude, even Pharaoh and all his army, slain by the sword, says the Lord Yahweh. 32:32 For I have put his terror in the land of the living; and he shall be laid in the midst of the uncircumcised, with those who are slain by the sword, even Pharaoh and all his multitude, says the Lord Yahweh.

 

Chapitre 32
1 La douzième année, le premier jour du douzième mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, Prononce une complainte sur Pharaon, roi d'Égypte! Tu lui diras: Tu ressemblais à un lionceau parmi les nations; Tu étais comme un crocodile dans les mers, Tu t'élançais dans tes fleuves, Tu troublais les eaux avec tes pieds, Tu agitais leurs flots. 3 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: J'étendrai sur toi mon rets, Dans une foule nombreuse de peuples, Et ils te tireront dans mon filet. 4 Je te laisserai à terre, Je te jetterai sur la face des champs; Je ferai reposer sur toi tous les oiseaux du ciel, Et je rassasierai de toi les bêtes de toute la terre. 5 Je mettrai ta chair sur les montagnes, Et je remplirai les vallées de tes débris; 6 J'arroserai de ton sang le pays où tu nages, Jusqu'aux montagnes, Et les ravins seront remplis de toi. 7 Quand je t'éteindrai, je voilerai les cieux Et j'obscurcirai leurs étoiles, Je couvrirai le soleil de nuages, Et la lune ne donnera plus sa lumière. 8 J'obscurcirai à cause de toi tous les luminaires des cieux, Et je répandrai les ténèbres sur ton pays, Dit le Seigneur, l'Éternel. 9 J'affligerai le coeur de beaucoup de peuples, Quand j'annoncerai ta ruine parmi les nations A des pays que tu ne connaissais pas. 10 Je frapperai de stupeur beaucoup de peuples à cause de toi, Et leurs rois seront saisis d'épouvante à cause de toi, Quand j'agiterai mon épée devant leur face; Ils trembleront à tout instant chacun pour sa vie, Au jour de ta chute. 11 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: L'épée du roi de Babylone fondra sur toi. 12 Je ferai tomber ta multitude par l'épée de vaillants hommes, Tous les plus violents d'entre les peuples; Ils anéantiront l'orgueil de l'Égypte, Et toute sa multitude sera détruite. 13 Je ferai périr tout son bétail près des grandes eaux; Le pied de l'homme ne les troublera plus, Le sabot des animaux ne les troublera plus. 14 Alors je calmerai ses eaux, Et je ferai couler ses fleuves comme l'huile, Dit le Seigneur, l'Éternel 15 Quand je ferai du pays d'Égypte une solitude, Et que le pays sera dépouillé de tout ce qu'il contient, Quand je frapperai tous ceux qui l'habitent, Ils sauront que je suis l'Éternel. 16 C'est là une complainte, et on la dira; Les filles des nations diront cette complainte; Elles la prononceront sur l'Égypte et sur toute sa multitude, Dit le Seigneur, l'Éternel. 17 La douzième année, le quinzième jour du mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 18 Fils de l'homme, Lamente-toi sur la multitude d'Égypte, et précipite-la, Elle et les filles des nations puissantes, Dans les profondeurs de la terre, Avec ceux qui descendent dans la fosse! 19 Qui surpasses-tu en beauté? Descends, et couche-toi avec les incirconcis! 20 Ils tomberont au milieu de ceux qui sont morts par l'épée. Le glaive est donné: Entraînez l'Égypte et toute sa multitude! 21 Les puissants héros lui adresseront la parole Au sein du séjour des morts, Avec ceux qui étaient ses soutiens. Ils sont descendus, ils sont couchés, les incirconcis, Tués par l'épée. 22 Là est l'Assyrien, avec toute sa multitude, Et ses sépulcres sont autour de lui; Tous sont morts, sont tombés par l'épée. 23 Ses sépulcres sont dans les profondeurs de la fosse, Et sa multitude est autour de son sépulcre; Tous sont morts, sont tombés par l'épée; Eux qui répandaient la terreur dans le pays des vivants. 24 Là est Élam, avec toute sa multitude, Autour est son sépulcre; Tous sont morts, sont tombés par l'épée; Ils sont descendus incirconcis dans les profondeurs de la terre, Eux qui répandaient la terreur dans le pays des vivants, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse. 25 On a fait sa couche parmi les morts avec toute sa multitude, Et ses sépulcres sont autour de lui; Tous ces incirconcis sont morts par l'épée, Car ils répandaient la terreur dans le pays des vivants, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse; Ils ont été placés parmi les morts. 26 Là sont Méschec, Tubal, et toute leur multitude, Et leurs sépulcres sont autour d'eux; Tous ces incirconcis sont morts par l'épée, Car ils répandaient la terreur dans le pays des vivants. 27 Ils ne sont pas couchés avec les héros, Ceux qui sont tombés d'entre les incirconcis; Ils sont descendus au séjour des morts avec leurs armes de guerre, Ils ont mis leurs épées sous leurs têtes, Et leurs iniquités ont été sur leurs ossements; Car ils étaient la terreur des héros dans le pays des vivants. 28 Toi aussi, tu seras brisé au milieu des incirconcis; Tu seras couché avec ceux qui sont morts par l'épée. 29 Là sont Édom, ses rois et tous ses princes, Qui, malgré leur vaillance, ont été placés Avec ceux qui sont morts par l'épée; Ils sont couchés avec les incirconcis, Avec ceux qui descendent dans la fosse. 30 Là sont tous les princes du septentrion, et tous les Sidoniens, Qui sont descendus vers les morts, Confus, malgré la terreur qu'inspirait leur vaillance; Ces incirconcis sont couchés avec ceux qui sont morts par l'épée, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse. 31 Pharaon les verra, Et il se consolera au sujet de toute sa multitude, Des siens qui sont morts par l'épée et de toute son armée, Dit le Seigneur, l'Éternel. 32 Car je répandrai ma terreur dans le pays des vivants; Et ils seront couchés au milieu des incirconcis, Avec ceux qui sont morts par l'épée, Pharaon et toute sa multitude, Dit le Seigneur, l'Éternel.