T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 30

1 [Ny andro hitsarana an'i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!

3 Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.

4 Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.

5 Etiopia sy Libya* sy Lydia** sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]

6 Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.

7 Ho rava dia ho rava* izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao**.[*Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb. lao ao amin'ny tanàna lao]

8 Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.

9 Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.

10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak*'i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]

11 Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.

12 Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.

13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa*; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]

14 Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;

15 Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.

16 Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa* dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]

17 Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.

18 Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.

19 Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

20 [Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

21 Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.

22 Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.

23 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa.

24 Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.

25 Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.

26 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

 

 

Chapitre 30

30:1 The word of Yahweh came again to me, saying, 30:2 Son of man, prophesy, and say, Thus says the Lord Yahweh: Wail, Alas for the day! 30:3 For the day is near, even the day of Yahweh is near; it shall be a day of clouds, a time of the nations. 30:4 A sword shall come on Egypt, and anguish shall be in Ethiopia, when the slain shall fall in Egypt; and they shall take away her multitude, and her foundations shall be broken down. 30:5 Ethiopia, and Put, and Lud, and all the mixed people, and Cub, and the children of the land that is allied with them, shall fall with them by the sword. 30:6 Thus says Yahweh: They also who uphold Egypt shall fall; and the pride of her power shall come down: from the tower of Seveneh shall they fall in it by the sword, says the Lord Yahweh. 30:7 They shall be desolate in the midst of the countries that are desolate; and her cities shall be in the midst of the cities that are wasted. 30:8 They shall know that I am Yahweh, when I have set a fire in Egypt, and all her helpers are destroyed. 30:9 In that day shall messengers go forth from before me in ships to make the careless Ethiopians afraid; and there shall be anguish on them, as in the day of Egypt; for, behold, it comes. 30:10 Thus says the Lord Yahweh: I will also make the multitude of Egypt to cease, by the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon. 30:11 He and his people with him, the terrible of the nations, shall be brought in to destroy the land; and they shall draw their swords against Egypt, and fill the land with the slain. 30:12 I will make the rivers dry, and will sell the land into the hand of evil men; and I will make the land desolate, and all that is therein, by the hand of strangers: I, Yahweh, have spoken it. 30:13 Thus says the Lord Yahweh: I will also destroy the idols, and I will cause the images to cease from Memphis; and there shall be no more a prince from the land of Egypt: and I will put a fear in the land of Egypt. 30:14 I will make Pathros desolate, and will set a fire in Zoan, and will execute judgments on No. 30:15 I will pour my wrath on Sin, the stronghold of Egypt; and I will cut off the multitude of No. 30:16 I will set a fire in Egypt: Sin shall be in great anguish, and No shall be broken up; and Memphis shall have adversaries in the daytime. 30:17 The young men of Aven and of Pibeseth shall fall by the sword; and these cities shall go into captivity. 30:18 At Tehaphnehes also the day shall withdraw itself, when I shall break there the yokes of Egypt, and the pride of her power shall cease in her: as for her, a cloud shall cover her, and her daughters shall go into captivity. 30:19 Thus will I execute judgments on Egypt; and they shall know that I am Yahweh. 30:20 It happened in the eleventh year, in the first month, in the seventh day of the month, that the word of Yahweh came to me, saying, 30:21 Son of man, I have broken the arm of Pharaoh king of Egypt; and behold, it has not been bound up, to apply healing medicines, to put a bandage to bind it, that it be strong to hold the sword. 30:22 Therefore thus says the Lord Yahweh: Behold, I am against Pharaoh king of Egypt, and will break his arms, the strong arm, and that which was broken; and I will cause the sword to fall out of his hand. 30:23 I will scatter the Egyptians among the nations, and will disperse them through the countries. 30:24 I will strengthen the arms of the king of Babylon, and put my sword in his hand: but I will break the arms of Pharaoh, and he shall groan before him with the groanings of a deadly wounded man. 30:25 I will hold up the arms of the king of Babylon; and the arms of Pharaoh shall fall down; and they shall know that I am Yahweh, when I shall put my sword into the hand of the king of Babylon, and he shall stretch it out on the land of Egypt. 30:26 I will scatter the Egyptians among the nations, and disperse them through the countries; and they shall know that I am Yahweh.

 

 

Chapitre 30
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, prophétise, et dis: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Gémissez!... Malheureux jour! 3 Car le jour approche, le jour de l'Éternel approche, Jour ténébreux: ce sera le temps des nations. 4 L'épée fondra sur l'Égypte, Et l'épouvante sera dans l'Éthiopie, Quand les morts tomberont en Égypte, Quand on enlèvera ses richesses, Et que ses fondements seront renversés. 5 L'Éthiopie, Puth, Lud, toute l'Arabie, Cub, Et les fils du pays allié, Tomberont avec eux par l'épée. 6 Ainsi parle l'Éternel: Ils tomberont, les soutiens de l'Égypte, Et l'orgueil de sa force périra; De Migdol à Syène ils tomberont par l'épée, Dit le Seigneur, l'Éternel. 7 Ils seront dévastés entre les pays dévastés, Et ses villes seront entre les villes désertes. 8 Et ils sauront que je suis l'Éternel, Quand je mettrai le feu dans l'Égypte, Et que tous ses soutiens seront brisés. 9 En ce jour-là, des messagers iront de ma part sur des navires Troubler l'Éthiopie dans sa sécurité; Et l'épouvante sera parmi eux au jour de l'Égypte, Car voici, ces choses arrivent! 10 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je ferai disparaître la multitude de l'Égypte, Par la main de Nebucadnetsar, roi de Babylone. 11 Lui et son peuple avec lui, Le plus violent d'entre les peuples, Seront envoyés pour détruire le pays; Ils tireront l'épée contre l'Égypte, Et rempliront le pays de morts. 12 Je mettrai les canaux à sec, Je livrerai le pays entre les mains des méchants; Je ravagerai le pays et ce qu'il renferme, par la main des étrangers. Moi, l'Éternel, j'ai parlé. 13 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: J'anéantirai les idoles, Et j'ôterai de Noph les vains simulacres; Il n'y aura plus de prince du pays d'Égypte, Et je répandrai la terreur dans le pays d'Égypte. 14 Je dévasterai Pathros, Je mettrai le feu à Tsoan, Et j'exercerai mes jugements sur No. 15 Je répandrai ma fureur sur Sin, la forteresse de l'Égypte, Et j'exterminerai la multitude de No. 16 Je mettrai le feu dans l'Égypte; Sin sera saisie d'angoisse, No sera ouverte par la brèche, Et Noph conquise en plein jour par les ennemis. 17 Les jeunes hommes d'On et de Pi-Béseth tomberont par l'épée, Et ces villes iront en captivité. 18 A Tachpanès le jour s'obscurcira, Quand j'y briserai le joug de l'Égypte, Et que l'orgueil de sa force y prendra fin; Un nuage couvrira Tachpanès, Et ses filles iront en captivité. 19 J'exercerai mes jugements sur l'Égypte, Et ils sauront que je suis l'Éternel. 20 La onzième année, le septième jour du premier mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 21 Fils de l'homme, j'ai rompu le bras de Pharaon, roi d'Égypte; Et voici, on ne l'a point pansé pour le guérir, On ne l'a point enveloppé d'un bandage Pour le lier et le raffermir, Afin qu'il puisse manier l'épée. 22 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à Pharaon, roi d'Égypte, Et je lui romprai les bras, Celui qui est en bon état et celui qui est cassé. Et je ferai tomber l'épée de sa main. 23 Je répandrai les Égyptiens parmi les nations, Je les disperserai en divers pays. 24 Je fortifierai les bras du roi de Babylone, Et je mettrai mon épée dans sa main; Je romprai les bras de Pharaon, Et il gémira devant lui comme gémissent les mourants. 25 Je fortifierai les bras du roi de Babylone, Et les bras de Pharaon tomberont. Et ils sauront que je suis l'Éternel, Quand je mettrai mon épée dans la main du roi de Babylone, Et qu'il la tournera contre le pays d'Égypte. 26 Je répandrai les Égyptiens parmi les nations, Je les disperserai en divers pays, Et ils sauront que je suis l'Éternel.