T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.

2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.

3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.

4 [Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.

5 Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;

6 tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.

7 Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.

8 Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.

9 Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.

10 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]

11 Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.

 

12 Ary nisy fanahy* nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]

13 Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.

14 Ary nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na: rivotra][**Heb. mangidy]

15 Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.

16 Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

17 Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.

18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.

20 Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

21 Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.

22 [Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.

23 Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.

24 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.

25 Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.

26 Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.

27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.

 

Chapitre 3
3:1 He said to me, Son of man, eat that which you find. Eat this scroll, and go, speak to the house of Israel. 3:2 So I opened my mouth, and he caused me to eat the scroll. 3:3 He said to me, Son of man, cause your belly to eat, and fill your bowels with this scroll that I give you. Then I ate it; and it was as sweet as honey in my mouth. 3:4 He said to me, Son of man, go to the house of Israel, and speak my words to them. 3:5 For you are not sent to a people of a strange speech and of a hard language, but to the house of Israel; 3:6 not to many peoples of a strange speech and of a hard language, whose words you can not understand. Surely, if I sent you to them, they would listen to you. 3:7 But the house of Israel will not listen to you; for they will not listen to me: for all the house of Israel are obstinate and hard-hearted. 3:8 Behold, I have made your face hard against their faces, and your forehead hard against their foreheads. 3:9 As an adamant harder than flint have I made your forehead: don’t be afraid of them, neither be dismayed at their looks, though they are a rebellious house. 3:10 Moreover he said to me, Son of man, all my words that I shall speak to you receive in your heart, and hear with your ears. 3:11 Go to them of the captivity, to the children of your people, and speak to them, and tell them, Thus says the Lord Yahweh; whether they will hear, or whether they will forbear. 3:12 Then the Spirit lifted me up, and I heard behind me the voice of a great rushing, saying, Blessed be the glory of Yahweh from his place. 3:13 I heard the noise of the wings of the living creatures as they touched one another, and the noise of the wheels beside them, even the noise of a great rushing. 3:14 So the Spirit lifted me up, and took me away; and I went in bitterness, in the heat of my spirit; and the hand of Yahweh was strong on me. 3:15 Then I came to them of the captivity at Tel Aviv, that lived by the river Chebar, and to where they lived; and I sat there overwhelmed among them seven days. 3:16 It happened at the end of seven days, that the word of Yahweh came to me, saying, 3:17 Son of man, I have made you a watchman to the house of Israel: therefore hear the word from my mouth, and give them warning from me. 3:18 When I tell the wicked, You shall surely die; and you give him no warning, nor speak to warn the wicked from his wicked way, to save his life; the same wicked man shall die in his iniquity; but his blood will I require at your hand. 3:19 Yet if you warn the wicked, and he doesn’t turn from his wickedness, nor from his wicked way, he shall die in his iniquity; but you have delivered your soul. 3:20 Again, when a righteous man does turn from his righteousness, and commit iniquity, and I lay a stumbling block before him, he shall die: because you have not given him warning, he shall die in his sin, and his righteous deeds which he has done shall not be remembered; but his blood will I require at your hand. 3:21 Nevertheless if you warn the righteous man, that the righteous not sin, and he does not sin, he shall surely live, because he took warning; and you have delivered your soul. 3:22 The hand of Yahweh was there on me; and he said to me, Arise, go forth into the plain, and I will there talk with you. 3:23 Then I arose, and went forth into the plain: and behold, the glory of Yahweh stood there, as the glory which I saw by the river Chebar; and I fell on my face. 3:24 Then the Spirit entered into me, and set me on my feet; and he spoke with me, and said to me, Go, shut yourself inside your house. 3:25 But you, son of man, behold, they shall lay bands on you, and shall bind you with them, and you shall not go out among them: 3:26 and I will make your tongue stick to the roof of your mouth, that you shall be mute, and shall not be to them a reprover; for they are a rebellious house. 3:27 But when I speak with you, I will open your mouth, and you shall tell them, Thus says the Lord Yahweh: He who hears, let him hear; and he who forbears, let him forbear: for they are a rebellious house.

Chapitre 3
1 Il me dit: Fils de l'homme, mange ce que tu trouves, mange ce rouleau, et va, parle à la maison d'Israël! 2 J'ouvris la bouche, et il me fit manger ce rouleau. 3 Il me dit: Fils de l'homme, nourris ton ventre et remplis tes entrailles de ce rouleau que je te donne! Je le mangeai, et il fut dans ma bouche doux comme du miel. 4 Il me dit: Fils de l'homme, va vers la maison d'Israël, et dis-leur mes paroles! 5 Car ce n'est point vers un peuple ayant un langage obscur, une langue inintelligible, que tu es envoyé; c'est à la maison d'Israël. 6 Ce n'est point vers de nombreux peuples ayant un langage obscur, une langue inintelligible, dont tu ne comprends pas les discours. Si je t'envoyais vers eux, ils t'écouteraient. 7 Mais la maison d'Israël ne voudra pas t'écouter, parce qu'elle ne veut pas m'écouter; car toute la maison d'Israël a le front dur et le coeur endurci. 8 Voici, j'endurcirai ta face, pour que tu l'opposes à leur face; j'endurcirai ton front, pour que tu l'opposes à leur front. 9 Je rendrai ton front comme un diamant, plus dur que le roc. Ne les crains pas, quoiqu'ils soient une famille de rebelles. 10 Il me dit: Fils de l'homme, reçois dans ton coeur et écoute de tes oreilles toutes les paroles que je te dirai! 11 Va vers les captifs, vers les enfants de ton peuple; tu leur parleras, et, qu'ils écoutent ou qu'ils n'écoutent pas, tu leur diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel. 12 Et l'esprit m'enleva, et j'entendis derrière moi le bruit d'un grand tumulte: Bénie soit la gloire de l'Éternel, du lieu de sa demeure! 13 J'entendis le bruit des ailes des animaux, frappant l'une contre l'autre, le bruit des roues auprès d'eux, et le bruit d'un grand tumulte. 14 L'esprit m'enleva et m'emporta. J'allais, irrité et furieux, et la main de l'Éternel agissait sur moi avec puissance. 15 J'arrivai à Thel-Abib, vers les exilés qui demeuraient près du fleuve du Kebar, et dans le lieu où ils se trouvaient; là je restai sept jours, stupéfait au milieu d'eux. 16 Au bout de sept jours, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 17 Fils de l'homme, je t'établis comme sentinelle sur la maison d'Israël. Tu écouteras la parole qui sortira de ma bouche, et tu les avertiras de ma part. 18 Quand je dirai au méchant: Tu mourras! si tu ne l'avertis pas, si tu ne parles pas pour détourner le méchant de sa mauvaise voie et pour lui sauver la vie, ce méchant mourra dans son iniquité, et je te redemanderai son sang. 19 Mais si tu avertis le méchant, et qu'il ne se détourne pas de sa méchanceté et de sa mauvaise voie, il mourra dans son iniquité, et toi, tu sauveras ton âme. 20 Si un juste se détourne de sa justice et fait ce qui est mal, je mettrai un piège devant lui, et il mourra; parce que tu ne l'as pas averti, il mourra dans son péché, on ne parlera plus de la justice qu'il a pratiquée, et je te redemanderai son sang. 21 Mais si tu avertis le juste de ne pas pécher, et qu'il ne pèche pas, il vivra, parce qu'il s'est laissé avertir, et toi, tu sauveras ton âme. 22 Là encore la main de l'Éternel fut sur moi, et il me dit: Lève-toi, va dans la vallée, et là je te parlerai. 23 Je me levai, et j'allai dans la vallée; et voici, la gloire de l'Éternel y apparut, telle que je l'avais vue près du fleuve du Kebar. Alors je tombai sur ma face. 24 L'esprit entra en moi, et me fit tenir sur mes pieds. Et l'Éternel me parla et me dit: Va t'enfermer dans ta maison. 25 Fils de l'homme, voici, on mettra sur toi des cordes, avec lesquelles on te liera, afin que tu n'ailles pas au milieu d'eux. 26 J'attacherai ta langue à ton palais, pour que tu sois muet et que tu ne puisses pas les reprendre, car c'est une famille de rebelles. 27 Mais quand je te parlerai, j'ouvrirai ta bouche, pour que tu leur dises: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel. Que celui qui voudra écouter écoute, et que celui qui ne voudra pas n'écoute pas, car c'est une famille de rebelles.