T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 29

1 [Ny hamaliana an'i Farao sy ny vahoakany ary ny taniny] Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.

3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona* makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.[Na: mamba]

4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.

5 Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.

6 dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.

7 (Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)

8 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.

9 Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,

10 Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.

11 Tsy hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.

12 Ary hataoko tany rava dia rava* ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao** efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.[**Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb. lao amin'ny tanàna lao]

13 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:

14 Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;

15 Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.

16 Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.

17 [Ny babo azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.

19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.

20 Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.

21 Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 29

29:1 In the tenth year, in the tenth month, on the twelfth day of the month, the word of Yahweh came to me, saying, 29:2 “Son of man, set your face against Pharaoh king of Egypt, and prophesy against him and against all Egypt. 29:3 Speak and say, ‘Thus says the Lord Yahweh: “Behold, I am against you, Pharaoh king of Egypt, the great monster that lies in the midst of his rivers, that has said, ‘My river is my own, and I have made it for myself.’ 29:4 I will put hooks in your jaws, and I will make the fish of your rivers stick to your scales; and I will bring you up out of the midst of your rivers, with all the fish of your rivers which stick to your scales. 29:5 I’ll cast you forth into the wilderness, you and all the fish of your rivers. You’ll fall on the open field. You won’t be brought together, nor gathered. I have given you for food to the animals of the earth and to the birds of the sky. 29:6 All the inhabitants of Egypt will know that I am Yahweh, because they have been a staff of reed to the house of Israel. 29:7 When they took hold of you by your hand, you broke, and tore all their shoulders; and when they leaned on you, you broke, and paralyzed all of their thighs.” 29:8 Therefore thus says the Lord Yahweh: “Behold, I will bring a sword on you, and will cut off man and animal from you. 29:9 The land of Egypt shall be a desolation and a waste; and they shall know that I am Yahweh. Because he has said, ‘The river is mine, and I have made it;’ 29:10 therefore, behold, I am against you, and against your rivers, and I will make the land of Egypt an utter waste and desolation, from the tower of Seveneh even to the border of Ethiopia. 29:11 No foot of man shall pass through it, nor foot of animal shall pass through it, neither shall it be inhabited forty years. 29:12 I will make the land of Egypt a desolation in the midst of the countries that are desolate; and her cities among the cities that are laid waste shall be a desolation forty years; and I will scatter the Egyptians among the nations, and will disperse them through the countries.” 29:13 For thus says the Lord Yahweh: “At the end of forty years will I gather the Egyptians from the peoples where they were scattered; 29:14 and I will bring back the captivity of Egypt, and will cause them to return into the land of Pathros, into the land of their birth; and they shall be there a base kingdom. 29:15 It shall be the base of the kingdoms; neither shall it any more lift itself up above the nations: and I will diminish them, that they shall no more rule over the nations. 29:16 It shall be no more the confidence of the house of Israel, bringing iniquity to memory, when they turn to look after them: and they shall know that I am the Lord Yahweh.”’” 29:17 It came to pass in the seven and twentieth year, in the first month, in the first day of the month, the word of Yahweh came to me, saying, 29:18 Son of man, Nebuchadnezzar king of Babylon caused his army to serve a great service against Tyre: every head was made bald, and every shoulder was worn; yet had he no wages, nor his army, from Tyre, for the service that he had served against it. 29:19 Therefore thus says the Lord Yahweh: Behold, I will give the land of Egypt to Nebuchadnezzar king of Babylon; and he shall carry off her multitude, and take her spoil, and take her prey; and it shall be the wages for his army. 29:20 I have given him the land of Egypt as his recompense for which he served, because they worked for me, says the Lord Yahweh. 29:21 In that day will I cause a horn to bud forth to the house of Israel, and I will give you the opening of the mouth in their midst; and they shall know that I am Yahweh.

 

Chapitre 29
1 La dixième année, le douzième jour du dixième mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, tourne ta face vers Pharaon, roi d'Égypte, Et prophétise contre lui et contre toute l'Égypte! 3 Parle, et tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à toi, Pharaon, roi d'Égypte, Grand crocodile, qui te couches au milieu de tes fleuves, Et qui dis: Mon fleuve est à moi, c'est moi qui l'ai fait! 4 Je mettrai une boucle à tes mâchoires, J'attacherai à tes écailles les poissons de tes fleuves, Et je te tirerai du milieu de tes fleuves, Avec tous les poissons qui s'y trouvent Et qui seront attachés à tes écailles. 5 Je te jetterai dans le désert, Toi et tous les poissons de tes fleuves. Tu tomberas sur la face des champs, Tu ne seras ni relevé ni ramassé; Aux bêtes de la terre et aux oiseaux du ciel Je te donnerai pour pâture. 6 Et tous les habitants de l'Égypte sauront que je suis l'Éternel, Parce qu'ils ont été un soutien de roseau pour la maison d'Israël. 7 Lorsqu'ils t'ont pris dans la main, tu t'es rompu, Et tu leur as déchiré toute l'épaule; Lorsqu'ils se sont appuyés sur toi, tu t'es brisé, Et tu as rendu leurs reins immobiles. 8 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, je ferai venir contre toi l'épée, Et j'exterminerai du milieu de toi les hommes et les bêtes. 9 Le pays d'Égypte deviendra une solitude et un désert. Et ils sauront que je suis l'Éternel, Parce qu'il a dit: Le fleuve est à moi, c'est moi qui l'ai fait! 10 C'est pourquoi voici, j'en veux à toi et à tes fleuves, Et je ferai du pays d'Égypte un désert et une solitude, Depuis Migdol jusqu'à Syène et aux frontières de l'Éthiopie. 11 Nul pied d'homme n'y passera, Nul pied d'animal n'y passera, Et il restera quarante ans sans être habité. 12 Je ferai du pays d'Égypte une solitude entre les pays dévastés, Et ses villes seront désertes entre les villes désertes, Pendant quarante ans. Je répandrai les Égyptiens parmi les nations, Je les disperserai en divers pays. 13 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Au bout de quarante ans je rassemblerai les Égyptiens Du milieu des peuples où ils auront été dispersés. 14 Je ramènerai les captifs de l'Égypte, Je les ramènerai dans le pays de Pathros, Dans le pays de leur origine, Et là ils formeront un faible royaume. 15 Ce sera le moindre des royaumes, Et il ne s'élèvera plus au-dessus des nations, Je les diminuerai, afin qu'ils ne dominent pas sur les nations. 16 Ce royaume ne sera plus pour la maison d'Israël un sujet de confiance; Il lui rappellera son iniquité, quand elle se tournait vers eux. Et ils sauront que je suis le Seigneur, l'Éternel. 17 La vingt-septième année, le premier jour du premier mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 18 Fils de l'homme, Nebucadnetsar, roi de Babylone, A fait faire à son armée un service pénible contre Tyr; Toutes les têtes sont chauves, toutes les épaules sont écorchées; Et il n'a retiré de Tyr aucun salaire, ni lui, ni son armée, Pour le service qu'il a fait contre elle. 19 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, je donne à Nebucadnetsar, roi de Babylone, Le pays d'Égypte; Il en emportera les richesses, Il en prendra les dépouilles, Il en pillera le butin; Ce sera un salaire pour son armée. 20 Pour prix du service qu'il a fait contre Tyr, Je lui donne le pays d'Égypte; Car ils ont travaillé pour moi, Dit le Seigneur, l'Éternel. 21 En ce jour-là, je donnerai de la force à la maison d'Israël, Et je t'ouvrirai la bouche au milieu d'eux; Et ils sauront que je suis l'Éternel.