T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 [Faminaniana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;

2 Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,

3 Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

4 Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao

5 Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;

6 Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,

7 Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao

8 Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.

9 Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao

10 Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]

13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]

14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.

16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.

17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,

18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.

19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.

20 [Faminaniana ny amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

21 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,

22 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.

23 Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

24 Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.

25 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.

26 Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

 

Chapitre 28

28:1 The word of Yahweh came again to me, saying, 28:2 Son of man, tell the prince of Tyre, Thus says the Lord Yahweh: Because your heart is lifted up, and you have said, I am a god, I sit in the seat of God, in the midst of the seas; yet you are man, and not God, though you set your heart as the heart of God— 28:3 behold, you are wiser than Daniel; there is no secret that is hidden from you; 28:4 by your wisdom and by your understanding you have gotten yourself riches, and have gotten gold and silver into your treasures; 28:5 by your great wisdom and by your traffic you have increased your riches, and your heart is lifted up because of your riches— 28:6 therefore thus says the Lord Yahweh: Because you have set your heart as the heart of God, 28:7 therefore, behold, I will bring strangers on you, the terrible of the nations; and they shall draw their swords against the beauty of your wisdom, and they shall defile your brightness. 28:8 They shall bring you down to the pit; and you shall die the death of those who are slain, in the heart of the seas. 28:9 Will you yet say before him who kills you, I am God? but you are man, and not God, in the hand of him who wounds you. 28:10 You shall die the death of the uncircumcised by the hand of strangers: for I have spoken it, says the Lord Yahweh. 28:11 Moreover the word of Yahweh came to me, saying, 28:12 Son of man, take up a lamentation over the king of Tyre, and tell him, Thus says the Lord Yahweh: You seal up the sum, full of wisdom, and perfect in beauty. 28:13 You were in Eden, the garden of God; every precious stone adorned you: ruby, topaz, emerald, chrysolite, onyx, jasper, sapphire, turquoise, and beryl. Gold work of tambourines and of pipes was in you. In the day that you were created they were prepared. 28:14 You were the anointed cherub who covers: and I set you, so that you were on the holy mountain of God; you have walked up and down in the midst of the stones of fire. 28:15 You were perfect in your ways from the day that you were created, until unrighteousness was found in you. 28:16 By the abundance of your traffic they filled the midst of you with violence, and you have sinned: therefore I have cast you as profane out of the mountain of God; and I have destroyed you, covering cherub, from the midst of the stones of fire. 28:17 Your heart was lifted up because of your beauty; you have corrupted your wisdom by reason of your brightness: I have cast you to the ground; I have laid you before kings, that they may see you. 28:18 By the multitude of your iniquities, in the unrighteousness of your traffic, you have profaned your sanctuaries; therefore have I brought forth a fire from the midst of you; it has devoured you, and I have turned you to ashes on the earth in the sight of all those who see you. 28:19 All those who know you among the peoples shall be astonished at you: you have become a terror, and you shall nevermore have any being. 28:20 The word of Yahweh came to me, saying, 28:21 Son of man, set your face toward Sidon, and prophesy against it, 28:22 and say, Thus says the Lord Yahweh: Behold, I am against you, Sidon; and I will be glorified in the midst of you; and they shall know that I am Yahweh, when I shall have executed judgments in her, and shall be sanctified in her. 28:23 For I will send pestilence into her, and blood into her streets; and the wounded shall fall in the midst of her, with the sword on her on every side; and they shall know that I am Yahweh. 28:24 There shall be no more a pricking brier to the house of Israel, nor a hurting thorn of any that are around them, that scorned them; and they shall know that I am the Lord Yahweh. 28:25 Thus says the Lord Yahweh: When I shall have gathered the house of Israel from the peoples among whom they are scattered, and shall be sanctified in them in the sight of the nations, then shall they dwell in their own land which I gave to my servant Jacob. 28:26 They shall dwell securely therein; yes, they shall build houses, and plant vineyards, and shall dwell securely, when I have executed judgments on all those who do them despite all around them; and they shall know that I am Yahweh their God.

 

Chapitre 28
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, dis au prince de Tyr: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Ton coeur s'est élevé, et tu as dit: Je suis Dieu, Je suis assis sur le siège de Dieu, au sein des mers! Toi, tu es homme et non Dieu, Et tu prends ta volonté pour la volonté de Dieu. 3 Voici, tu es plus sage que Daniel, Rien de secret n'est caché pour toi; 4 Par ta sagesse et par ton intelligence Tu t'es acquis des richesses, Tu as amassé de l'or et de l'argent Dans tes trésors; 5 Par ta grande sagesse et par ton commerce Tu as accru tes richesses, Et par tes richesses ton coeur s'est élevé. 6 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que tu prends ta volonté pour la volonté de Dieu, 7 Voici, je ferai venir contre toi des étrangers, Les plus violents d'entre les peuples; Ils tireront l'épée contre ton éclatante sagesse, Et ils souilleront ta beauté. 8 Ils te précipiteront dans la fosse, Et tu mourras comme ceux qui tombent percés de coups, Au milieu des mers. 9 En face de ton meurtrier, diras-tu: Je suis Dieu? Tu seras homme et non Dieu Sous la main de celui qui te tuera. 10 Tu mourras de la mort des incirconcis, Par la main des étrangers. Car moi, j'ai parlé, Dit le Seigneur, l'Éternel. 11 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 12 Fils de l'homme, Prononce une complainte sur le roi de Tyr! Tu lui diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Tu mettais le sceau à la perfection, Tu étais plein de sagesse, parfait en beauté. 13 Tu étais en Éden, le jardin de Dieu; Tu étais couvert de toute espèce de pierres précieuses, De sardoine, de topaze, de diamant, De chrysolithe, d'onyx, de jaspe, De saphir, d'escarboucle, d'émeraude, et d'or; Tes tambourins et tes flûtes étaient à ton service, Préparés pour le jour où tu fus créé. 14 Tu étais un chérubin protecteur, aux ailes déployées; Je t'avais placé et tu étais sur la sainte montagne de Dieu; Tu marchais au milieu des pierres étincelantes. 15 Tu as été intègre dans tes voies, Depuis le jour où tu fus créé Jusqu'à celui où l'iniquité a été trouvée chez toi. 16 Par la grandeur de ton commerce Tu as été rempli de violence, et tu as péché; Je te précipite de la montagne de Dieu, Et je te fais disparaître, chérubin protecteur, Du milieu des pierres étincelantes. 17 Ton coeur s'est élevé à cause de ta beauté, Tu as corrompu ta sagesse par ton éclat; Je te jette par terre, Je te livre en spectacle aux rois. 18 Par la multitude de tes iniquités, Par l'injustice de ton commerce, Tu as profané tes sanctuaires; Je fais sortir du milieu de toi un feu qui te dévore, Je te réduis en cendre sur la terre, Aux yeux de tous ceux qui te regardent. 19 Tous ceux qui te connaissent parmi les peuples Sont dans la stupeur à cause de toi; Tu es réduit au néant, tu ne seras plus à jamais! 20 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 21 Fils de l'homme, tourne ta face vers Sidon, Et prophétise contre elle! 22 Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à toi, Sidon! Je serai glorifié au milieu de toi; Et ils sauront que je suis l'Éternel, Quand j'exercerai mes jugements contre elle, Quand je manifesterai ma sainteté au milieu d'elle. 23 J'enverrai la peste dans son sein, Je ferai couler le sang dans ses rues; Les morts tomberont au milieu d'elle Par l'épée qui de toutes parts viendra la frapper. Et ils sauront que je suis l'Éternel. 24 Alors elle ne sera plus pour la maison d'Israël Une épine qui blesse, une ronce déchirante, Parmi tous ceux qui l'entourent et qui la méprisent. Et ils sauront que je suis le Seigneur, l'Éternel. 25 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Lorsque je rassemblerai la maison d'Israël du milieu des peuples où elle est dispersée, je manifesterai en elle ma sainteté aux yeux des nations, et ils habiteront leur pays que j'ai donné à mon serviteur Jacob. 26 Ils y habiteront en sécurité, et ils bâtiront des maisons et planteront des vignes; ils y habiteront en sécurité, quand j'exercerai mes jugements contre tous ceux qui les entourent et qui les méprisent. Et ils sauront que je suis l'Éternel, leur Dieu.