T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 [Ny harena amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,

3 ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!

4 Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.

5 Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.

6 Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.

7 Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.

8 Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.

9 Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.

10 Ny avy any Persia sy ny Lydiana* ary ny Libyana** dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb. Loda][**Heb. Pota]

11 Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.

12 Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.

13 Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.

14 Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.

15 Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory* sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]

16 Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.

17 Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.

18 Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.

19 Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]

20 Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.

21 Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.

22 Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.

23 Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.

24 Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy* misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]

25 Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.

26 Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.

27 Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.

28 Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.

29 Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;

30 Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy* sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]

31 Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.

32 Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?

33 Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.

34 Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.

35 Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.

36 Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay

 

27:1 The word of Yahweh came again to me, saying, 27:2 You, son of man, take up a lamentation over Tyre; 27:3 and tell Tyre, you who dwell at the entry of the sea, who are the merchant of the peoples to many islands, thus says the Lord Yahweh: You, Tyre, have said, I am perfect in beauty. 27:4 Your borders are in the heart of the seas; your builders have perfected your beauty. 27:5 They have made all your planks of fir trees from Senir; they have taken a cedar from Lebanon to make a mast for you. 27:6 Of the oaks of Bashan have they made your oars; they have made your benches of ivory inlaid in boxwood, from the islands of Kittim. 27:7 Of fine linen with embroidered work from Egypt was your sail, that it might be to you for a banner; blue and purple from the islands of Elishah was your awning. 27:8 The inhabitants of Sidon and Arvad were your rowers: your wise men, Tyre, were in you, they were your pilots. 27:9 The old men of Gebal and the wise men of it were in you your repairers of ship seams: all the ships of the sea with their mariners were in you to deal in your merchandise. 27:10 Persia and Lud and Put were in your army, your men of war: they hanged the shield and helmet in you; they set forth your comeliness. 27:11 The men of Arvad with your army were on your walls all around, and valorous men were in your towers; they hanged their shields on your walls all around; they have perfected your beauty. 27:12 Tarshish was your merchant by reason of the multitude of all kinds of riches; with silver, iron, tin, and lead, they traded for your wares. 27:13 Javan, Tubal, and Meshech, they were your traffickers; they traded the persons of men and vessels of brass for your merchandise. 27:14 They of the house of Togarmah traded for your wares with horses and war horses and mules. 27:15 The men of Dedan were your traffickers; many islands were the market of your hand: they brought you in exchange horns of ivory and ebony. 27:16 Syria was your merchant by reason of the multitude of your handiworks: they traded for your wares with emeralds, purple, and embroidered work, and fine linen, and coral, and rubies. 27:17 Judah, and the land of Israel, they were your traffickers: they traded for your merchandise wheat of Minnith, and confections, and honey, and oil, and balm. 27:18 Damascus was your merchant for the multitude of your handiworks, by reason of the multitude of all kinds of riches, with the wine of Helbon, and white wool. 27:19 Vedan and Javan traded with yarn for your wares: bright iron, cassia, and calamus, were among your merchandise. 27:20 Dedan was your trafficker in precious cloths for riding. 27:21 Arabia, and all the princes of Kedar, they were the merchants of your hand; in lambs, and rams, and goats, in these were they your merchants. 27:22 The traffickers of Sheba and Raamah, they were your traffickers; they traded for your wares with the chief of all spices, and with all precious stones, and gold. 27:23 Haran and Canneh and Eden, the traffickers of Sheba, Asshur and Chilmad, were your traffickers. 27:24 These were your traffickers in choice wares, in wrappings of blue and embroidered work, and in chests of rich clothing, bound with cords and made of cedar, among your merchandise. 27:25 The ships of Tarshish were your caravans for your merchandise: and you were replenished, and made very glorious in the heart of the seas. 27:26 Your rowers have brought you into great waters: the east wind has broken you in the heart of the seas. 27:27 Your riches, and your wares, your merchandise, your mariners, and your pilots, your repairers of ship seams, and the dealers in your merchandise, and all your men of war, who are in you, with all your company which is in the midst of you, shall fall into the heart of the seas in the day of your ruin. 27:28 At the sound of the cry of your pilots the suburbs shall shake. 27:29 All who handled the oar, the mariners, and all the pilots of the sea, shall come down from their ships; they shall stand on the land, 27:30 and shall cause their voice to be heard over you, and shall cry bitterly, and shall cast up dust on their heads, they shall wallow themselves in the ashes: 27:31 and they shall make themselves bald for you, and clothe them with sackcloth, and they shall weep for you in bitterness of soul with bitter mourning. 27:32 In their wailing they shall take up a lamentation for you, and lament over you, saying, Who is there like Tyre, like her who is brought to silence in the midst of the sea? 27:33 When your wares went forth out of the seas, you filled many peoples; you enriched the kings of the earth with the multitude of your riches and of your merchandise. 27:34 In the time that you were broken by the seas in the depths of the waters, your merchandise and all your company fell in your midst. 27:35 All the inhabitants of the islands are astonished at you, and their kings are horribly afraid; they are troubled in their face. 27:36 The merchants among the peoples hiss at you; you are become a terror, and you shall nevermore have any being.

Chapitre 27
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Et toi, fils de l'homme, Prononce sur Tyr une complainte! 3 Tu diras à Tyr: O toi qui es assise au bord de la mer, Et qui trafiques avec les peuples d'un grand nombre d'îles! Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Tyr, tu disais: Je suis parfaite en beauté! 4 Ton territoire est au coeur des mers; Ceux qui t'ont bâtie t'ont rendue parfaite en beauté. 5 Avec des cyprès de Senir ils ont fait tous tes lambris; Ils ont pris des cèdres du Liban pour t'élever un mât; 6 Ils ont fabriqué tes rames avec des chênes de Basan, Et tes bancs avec de l'ivoire travaillé dans du buis, Et apporté des îles de Kittim. 7 Le fin lin d'Égypte avec des broderies Te servait de voiles et de pavillon; Des étoffes teintes en bleu et en pourpre des îles d'Élischa Formaient tes tentures. 8 Les habitants de Sidon et d'Arvad étaient tes rameurs, Et les plus experts du milieu de toi, ô Tyr, étaient tes pilotes. 9 Les anciens de Guebal et ses ouvriers habiles étaient chez toi, Pour réparer tes fissures; Tous les navires de la mer et leurs mariniers étaient chez toi, Pour faire l'échange de tes marchandises. 10 Ceux de Perse, de Lud et de Puth, servaient dans ton armée, C'étaient des hommes de guerre; Ils suspendaient chez toi le bouclier et le casque, Ils te donnaient de la splendeur. 11 Les enfants d'Arvad et tes guerriers garnissaient tes murs, Et de vaillants hommes occupaient tes tours; Ils suspendaient leurs boucliers à tous tes murs, Ils rendaient ta beauté parfaite. 12 Ceux de Tarsis trafiquaient avec toi, A cause de tous les biens que tu avais en abondance; D'argent, de fer, d'étain et de plomb, Ils pourvoyaient tes marchés. 13 Javan, Tubal et Méschec trafiquaient avec toi; Ils donnaient des esclaves et des ustensiles d'airain En échange de tes marchandises. 14 Ceux de la maison de Togarma Pourvoyaient tes marchés de chevaux, de cavaliers et de mulets. 15 Les enfants de Dedan trafiquaient avec toi; Le commerce de beaucoup d'îles passait par tes mains; On te payait avec des cornes d'ivoire et de l'ébène. 16 La Syrie trafiquait avec toi, A cause du grand nombre de tes produits; D'escarboucles, de pourpre, de broderies, De byssus, de corail et de rubis, Elle pourvoyait tes marchés. 17 Juda et le pays d'Israël trafiquaient avec toi; Ils donnaient le froment de Minnith, La pâtisserie, le miel, l'huile et le baume, En échange de tes marchandises. 18 Damas trafiquait avec toi, A cause du grand nombre de tes produits, A cause de tous les biens que tu avais en abondance; Elle te fournissait du vin de Helbon et de la laine blanche. 19 Vedan et Javan, depuis Uzal, Pourvoyaient tes marchés; Le fer travaillé, la casse et le roseau aromatique, Étaient échangés avec toi. 20 Dedan trafiquait avec toi En couvertures pour s'asseoir à cheval. 21 L'Arabie et tous les princes de Kédar trafiquaient avec toi, Et faisaient le commerce en agneaux, en béliers et en boucs. 22 Les marchands de Séba et de Raema trafiquaient avec toi; De tous les meilleurs aromates, De toute espèce de pierres précieuses et d'or, Ils pourvoyaient tes marchés. 23 Charan, Canné et Éden, Les marchands de Séba, d'Assyrie, de Kilmad, Trafiquaient avec toi; 24 Ils trafiquaient avec toi en belles marchandises, En manteaux teints en bleu, en broderies, En riches étoffes contenues dans des coffres Attachés avec des cordes, faits en bois de cèdre, Et amenés sur tes marchés. 25 Les navires de Tarsis naviguaient pour ton commerce; Tu étais au comble de la richesse et de la gloire, Au coeur des mers. 26 Tes rameurs t'ont fait voguer sur les grandes eaux: Un vent d'orient t'a brisée au coeur des mers. 27 Tes richesses, tes marchés et tes marchandises, Tes mariniers et tes pilotes, Ceux qui réparent tes fissures Et ceux qui s'occupent de ton commerce, Tous tes hommes de guerre qui sont chez toi Et toute la multitude qui est au milieu de toi Tomberont dans le coeur des mers, Au jour de ta chute. 28 Aux cris de tes pilotes, Les plages d'alentour trembleront; 29 Et tous ceux qui manient la rame descendront de leurs navires, Les mariniers, tous les pilotes de la mer. Ils se tiendront sur la terre; 30 Ils feront entendre leurs voix sur toi, Et pousseront des cris amers; Ils jetteront de la poussière sur leurs têtes Et se rouleront dans la cendre; 31 Ils se raseront la tête à cause de toi, Ils se revêtiront de sacs, Et ils pleureront sur toi dans l'amertume de leur âme, Avec une vive affliction. 32 Dans leur douleur, ils diront une complainte sur toi, Ils se lamenteront sur toi: Qui était comme Tyr, Comme cette ville détruite au milieu de la mer? 33 Quand tes produits sortaient des mers, Tu rassasiais un grand nombre de peuples; Par l'abondance de tes biens et de tes marchandises, Tu enrichissais les rois de la terre. 34 Et quand tu as été brisée par les mers, Quand tu as disparu dans les profondeurs des eaux, Tes marchandises et toute ta multitude Sont tombées avec toi. 35 Tous les habitants des îles sont dans la stupeur à cause de toi, Leurs rois sont saisis d'épouvante, Leur visage est bouleversé. 36 Les marchands parmi les peuples sifflent sur toi; Tu es réduite au néant, tu ne seras plus à jamais!